Rimona
(Rimôna) [Hazo Ampongabendanitra].
1. Benjamita rain’i Bana sy Rekaba. Izy roa lahy ireo no namono an’i Isboseta zanakalahin’i Saoly. Avy any Berota any avaratr’i Gibea i Rimona.—2Sa 4:2, 5-7, 9.
2. Tanànan’ny fokon’i Simeona tao amin’ny faritra nisy ny fokon’i Joda i Rimona (“Bemona”, Kat.). (Js 19:1, 2, 7) Voatonona manarakaraka an’i Aina izy io. I Aina sy Rimona natambatra angamba ilay En-rimona ao amin’ny Nehemia 11:29, ary entina hilazana an’ireo tanàna mpirahavavy ireo. Milaza ny Zakaria 14:10 fa tany atsimo no nisy an’i Rimona. Misy mihevitra fa ny sisa tavela amin’i Kirbet Omm er-Ramamin (Horvat Remalya), 15 km eo ho eo avaratr’i Beri-sheba, no Rimona taloha.
3. Tanànan’ny Levita anisan’ny fianakavian’i Merary, teo amin’ny sisin-tany atsinanan’ny tanin’i Zebolona. (Js 19:10, 13) Azo inoana fa io ihany ilay “Dimna” ao amin’ny Josoa 21:35 sy ilay “Rimono” ao amin’ny 1 Tantara 6:77. Misy mihevitra azy io ho Rommana (Rimona), 10 km eo ho eo avaratr’i Nazareta.
4. Harambato nandosiran’ireo Benjamita 600 lahy sisa tsy maty tamin’ilay ady teo akaikin’i Gibea. Niadian’ny Israelita rehetra mantsy ny Benjamita, satria nisy taminy nametaveta sy namono ny vadikelin’ny Levita iray. (Mpts 20:45-47) Tsy nety niala tao izy 600 lahy raha tsy efa nisy tonga hamitram-pihavanana taminy. (Mpts 21:13) Any amin’ny 6 km eo ho eo atsinanan’i Betela sy 18 km avaratra avaratratsinanan’i Jerosalema no misy an’io toerana io. Ramona no iantsoana azy io izao, ary misy tanàna kely eo. Misy tendrombohitra vatosokay kitsoloha eo amin’ilay toerana. Ahitana lava-bato maromaro ao amin’ilay tendrombohitra, ary hantsana no eo amin’ny lafiny telo.
5. Andriamanitry ny Syrianina. Sitrana tamin’ny habokany i Namàna mpitari-tafika syrianina, ka niaiky fa i Jehovah no tena Andriamanitra. Nilaza anefa izy fa voatery niankohoka teo anatrehan’i Rimona, rehefa niaraka tamin’ny mpanjakan’i Syria nankao amin’ny tempolin’io sampy io. Nitehina tamin’ny tanany mantsy ilay mpanjaka.—2Mp 5:15-18.
Maro no mihevitra fa i Ramana (midika hoe “Mpitrena, Mpandefa Kotroka”) ihany no Rimona. Andriamanitra nivavahana tany Asyria sy Babylonia i Ramana. Misy milaza fa nisy foko avy any Asyria nanorim-ponenana teny akaikin’i Damaskosy, ka ireny no nampiely ny fivavahana tamin’i Rimona (Ramana) tany andrefana. Manam-pahaizana maromaro kosa no milaza fa anaram-boninahitr’i Hadada (Adad), andriamanitry ny oram-baratra, ny hoe Rimona (Ramana). I Hadada ihany tokoa angamba no Rimona, satria samy anarana mpanjaka syrianina ny hoe Tabrimona sy Beni-hadada. Azo inoana mantsy fa nitondra ny anarana na ny anaram-boninahitry ny andriamaniny lehibe indrindra izy ireo.—1Mp 15:18.
Be itovizana tamin’i Ramana ilay Rimona nivavahana tany Syria. Andriamanitry ny oram-baratra sy kotroka i Ramana, tamin’ny Asyrianina. Nino izy ireo fa izy io no mpandatsaka orana, ka nanome rano ho an’ny lavadrano sy ny tanimboly. Mpandatsaka orana sy varatra mandravarava anefa no tena nahalalana azy. Matetika izy no aseho ho toy ny andriamanitry ny ady, eo amin’ireo tsangambato asyrianina. Toy izany koa no fiheveran’ny Babylonianina azy. Anisan’ireo andriamanitra telo mitambatra nivavahan’izy ireo i Ramana sy Sîn andriamanitra volana ary Shamash andriamanitra masoandro.