Risa
(Rìsa) [mety hidika hoe Famafazana].
Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra, teo anelanelan’i Libna sy Kehelata. (No 33:21, 22) Tsy fantatra izay tena nisy azy io. Misy milaza anefa fa i Kontilla (Gerasa) izy io, izany hoe avy eo amin’ny tendrony avaratry ny Hoalan’i ʽAkaba no mandeha 55 km eo ho eo mianavaratrandrefana.