Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rizpa

Rizpa

(Rizpà) [Vato Mahamay; na Vainafo].

Vadikelin’i Saoly Mpanjaka ary zanakavavin’i Aia. (2Sa 3:7; 21:11) Rehefa maty i Saoly, dia nanao ampamoaka an’i Abnera mpitari-tafika i Isboseta, zanak’i Saoly, noho izy nanao firaisana tamin’i Rizpa. Nihevitra mantsy i Isboseta fa te haka ny seza fiandrianana i Abnera matoa nanao izany. Tezitra i Abnera, ka lasa nanohana an’i Davida.​—2Sa 3:7-21.

Niteraka an’i Armony sy Mefiboseta tamin’i Saoly i Rizpa. Ela be taorian’ny nahafatesan’i Saoly, dia nalain’i Davida izy roa lahy ireo sy ny olon-kafa dimy taranak’i Saoly, ka natolony hovonoin’ny Gibeonita mba tsy ho meloka noho ny ra latsaka intsony ilay tany. Nahantona teo an-tendrombohitra ny fatin’izy fito ireo, ary niambina teo i Rizpa ka tsy navelany hisy vorona sy bibidia hankeo amin’ireo faty, “hatramin’ny fanombohan’ny fijinjana ka mandra-pilatsaky ny orana avy any an-danitra.” (2Sa 21:1-10) Tsy fantatra marina hoe naharitra hafiriana izany, fa angamba dimy na enim-bolana, raha tsy hoe nisy orana naningana angaha ka nilatsaka tamin’ny fotoana hafa. Tsy fahita talohan’ny Oktobra mantsy ny oram-be toy izany. (1Sa 12:17, 18; Oh 26:1) Ren’i Davida izany, tatỳ aoriana, ka nasainy nalevina ireo faty. Amin’izay dia tsy nila niambina teo intsony i Rizpa.​—2Sa 21:11-14.