Robena
(Rôbèna) [Jereo fa Zanakalahy!].
1. Lahimatoa tamin’ireo 12 lahy zanak’i Jakoba. Niantso azy hoe Robena i Lea reniny, ilay vady tsy tena tian’i Jakoba, satria hoy i Lea: “Efa nijery ny fahoriana mafy nanjo ahy i Jehovah, ka ho tia ahy amin’izay izao ny vadiko.” (Ge 29:30-32; 35:23; 46:8; Ek 1:1, 2; 1Ta 2:1) Mbola notahin’i Jehovah ny reniny, ka i Robena sy ny rahalahiny dimy iray tam-po taminy (Simeona, Levy, Joda, Isakara, Zebolona) no lehibem-poko enina teo amin’ny Israely, fa ireo enina hafa kosa dia rahalahiny hafa reny (Josefa, Benjamina, Dana, Naftaly, Gada, Asera).—Ge 35:23-26.
Tsara toetra i Robena satria nandresy lahatra an’ireo rahalahiny sivy izy mba tsy hamono an’i Josefa fa handatsaka azy tao anaty lavadrano ritra. Nikasa hiverina mangingina hamonjy an’i Josefa avy tao mantsy izy. (Ge 37:18-30) Maherin’ny 20 taona tatỳ aoriana, dia nihevitra ireo rahalahiny ireo, fa noho izy ireo nampijaly an’i Josefa no niampangana azy ireo ho mpitsikilo tany Ejipta. Nampahatsiahivin’i Robena fa tsy niray tetika tamin’izy ireo tamin’izany izy. (Ge 42:9-14, 21, 22) Rehefa tsy navelan’i Jakoba hiaraka tamin’ny rahalahiny i Benjamina, tamin’izy ireo nandeha fanindroany tany Ejipta, dia mbola i Robena no nanome antoka hoe: “Azonao vonoina ho faty ny zanako roa lahy raha tsy entiko miverina atỳ aminao [i Benjamina].”—Ge 42:37.
Lahimatoan’i Jakoba i Robena ka tokony ho azy ny zon’ny lahimatoa teo amin’ny fianakaviana. Tokony hahazo anjaran’olon-droa tamin’ireo fananana navelan’i Jakoba rainy izy. Ho azon’i Robena ve izany zo izany rehefa hitso-drano ny zanany i Jakoba alohan’ny hahafatesany? Hafindra aminy koa ve ireo andraikitra rehetra nosahanin’i Jakoba? Lohan’ny fianakaviambe mantsy i Jakoba ka izy no mpisoron’i Jehovah teo amin’ny fianakaviany manontolo, ary izy no nanao sorona teo amin’ny alitaram-pianakaviana sy nitarika ny vavaka ary nampianatra momba ny fivavahana. Raim-pianakaviana koa izy ka niandraikitra ny fianakaviany manontolo sy ny mpanompony rehetra ary ny biby fiompiny sy ny fananany rehetra.
Natombok’i Jakoba tamin’i Robena ny teniny hoe: “Robena! Ianao no lahimatoako sy tanjako, ary ianao no voalohan-terako. Lehibe kokoa ny voninahitrao sy ny herinao. Tsy voafehy toy ny rano vaky anefa ny filanao. Koa tsy ho ambony noho ny rahalahinao ianao, satria efa niakaranao ny fandrianan’ny rainao, ka nolotoinao ny farafarako. Dia niakarany tokoa lahy ny farafarako!”—Ge 49:3, 4.
Nampahatsiahivin’i Jakoba ny antony tsy nahazoan’i Robena ireo tombontsoa tokony ho azony. Nanala baraka an-drainy izy. Nijangajanga tamin’olom-pady izy, tamin’i Bilaha vadikelin-drainy, izay mpanompovavin’i Rahely vady malalan’i Jakoba. Nitranga izany taoriana kelin’ny nahafatesan’i Rahely teo am-piterahana an’i Benjamina. Tsy lazain’ny Baiboly raha noho ny filana fotsiny no nametavetan’i Robena an’i Bilaha, na mba hisakanana an’io mpanompovavy io tsy haka ny fitiavan’i Jakoba an’i Rahely, ka ho lasa tiana kokoa noho i Lea reniny. Hoy fotsiny ny Baiboly: “Indray mandeha, raha mbola nonina teo amin’izany tany izany i Israely, dia lasa i Robena nanao firaisana tamin’i Bilaha vadikelin-drainy, ary ren’i Israely izany.” (Ge 35:22) Manampy teny toy izao ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo: “Ary ratsy teo imasony izany.”—Ge 35:21, LXX, Thomson.
Tsy nolavin’i Jakoba tsy ho zanany ary tsy noroahiny anefa i Robena. Taona maro tatỳ aoriana, rehefa notarihin’ny fanahy masina i Jakoba hitso-drano ny zanany, dia hoy izy tamin’i Robena: “Tsy ho ambony noho ny rahalahinao ianao.” Nesorina tamin’i Robena àry ny tombontsoa tokony ho azony noho izy lahimatoa, satria “tsy voafehy toy ny rano vaky” ny filany. Na izy mora niovaova toy ny rano, na izy nivatravatra sy nafana fo be toy ny rano misasasasa mamaky fefiloha na manafotra lohasaha. Tokony ho nifehy tena i Robena. Tokony ho nohajainy ny rainy sy izy roa lahy zanak’i Bilaha vadikelin-drainy.
2. Anaran’ny fokon’ny taranak’i Robena, sy ny tany anjara lovany. Avy amin’ireo efa-dahy zanak’i Robena io foko io, dia avy amin’i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy, izay samy lohan’ny fianakaviamben’ny Robenita.—Ge 46:8, 9; Ek 6:14; 1Ta 5:3.
Herintaona taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, dia i Elizora zanak’i Sedeora no mpiadidy nisolo tena ny fokon’i Robena manontolo. (No 1:1, 4, 5; 10:18) Teo amin’ireo foko 12, dia ny fokon’i Robena foana no vitsy an’isa. Nisy 46 500 ny Robenita azo nalefa hiantafika (20 taona no ho miakatra), tamin’ny fanisam-bahoaka natao tamin’ny taona faharoa naha tany an-tany efitra ny Israelita. Nihena ny isan’izy ireo 39 taona teo ho eo tatỳ aoriana, satria lasa 43 730.—No 1:2, 3, 20, 21; 26:5-7.
Teo atsimon’ny tranolay masina, teo anelanelan’ny fokon’i Simeona sy Gada no nisy ny Robenita tao amin’ny tobin’ny Israely, ary ny fokon’i Robena no nitarika an’io fizarana nisy foko telo io. Rehefa niainga ny toby, dia izy ireo no taorian’ny fizarana nisy ny fokon’i Joda sy Isakara ary Zebolona. (No 2:10-16; 10:14-20) Toy izany koa ny filaharan’ireo foko nanao fanatitra tamin’ny fitokanana ny tranolay masina.—No 7:1, 2, 10-47.
Rehefa nikomy tamin’i Mosesy i Kora Levita, dia niara-nikomy taminy ny Robenita telo lahy: I Ona zanak’i Peleta ary i Datana sy Abirama zanak’i Eliaba. Nampangain’izy ireo i Mosesy hoe ‘nitady hanjakazaka toy ny andriana’ teo amin’izy ireo fa tsy nitondra azy tany “amin’izay tany tondra-dronono sy tantely akory.” Toa tsy anisan’ireo nikomy i Nemoela rahalahin’i Datana sy Abirama. (No 16:1, 12-14; 26:8, 9) Nasehon’i Jehovah fa izy mihitsy no tsy nohajain’ireo mpikomy ireo, ka nosokafany ny tany mba hitelina velona azy ireo sy ny ankohonany, ary ny fananany rehetra.—No 16:23-33; De 11:6; jereo ABIRAMA No. 1.
Anjara tany. Efa hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israely, ka nangatahin’ny fokon’i Robena sy Gada ny faritra tany atsinanan’i Jordana, izay azo rehefa resy i Sihona sy Oga, mpanjaka roa lahy. Nihevitra ireo foko ireo fa nety tsara tamin’ny andiam-bibiny maro be io faritra io. Nomen’i Mosesy an’ireo foko roa ireo (sy ny antsasaky ny fokon’i Manase) izany raha toa ny tafik’izy ireo nanaiky hiampita an’i Jordana ka hiaraka amin’ny foko hafa rehetra hanafika ny tany Kanana. Nanaiky an-tsitrapo izy ireo.—No 32:1-38; Js 1:12-18; 4:12, 13; 12:6; 13:8-10.
Mbola tsy niampita an’i Jordana akory ny Israelita, dia efa azon’ny fokon’i Robena ny anjara lovany, ka i Mosesy mihitsy no nanome azy ny faritra atsimo nanjakan’i Sihona taloha. Ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona no sisin-tany voajanahary tany atsimo, nanasaraka azy io tamin’ny faritanin’i Moaba. Nitohy hatrany avaratra kelin’ny Ranomasina Maty io anjara lovany io. Nomena ny fokon’i Gada ny faritra tany avaratr’izy io. (No 34:13-15; De 3:12, 16; 29:8; Js 13:15-23; 18:7) Ny tanin’ny Amonita kosa no teo atsinanan’izy io, ary ny Ranomasina Maty sy ny Reniranon’i Jordana no teo andrefany. (Js 15:1, 6; 18:11, 17) Tao amin’ny faritanin’i Robena no nisy an’i Bezera, iray tamin’ireo tanàna fialokalofana enina. Natokana ho an’ny Levita i Bezera sy ny tanàna hafa tao amin’ny faritanin’i Robena.—De 4:41-43; Js 20:8; 21:7, 36; 1Ta 6:63, 78, 79.
Nilaza i Mosesy fa rehefa tena tafiditra ao Kanana ny Israelita, dia hankeo amin’ny Tendrombohitra Ebala ny solontenan’ny fokon’i Robena sy Gada, Asera, Zebolona, Dana, ary Naftaly hamaky ny ozona, fa hankeo amin’ny Tendrombohitra Gerizima kosa ny solontenan’ny foko ambiny mba hanonona ny tsodrano. (De 27:11-13) Taorian’izay i Mosesy dia nitso-drano ny fokon’i Robena sy ny foko hafa rehetra. Hoy izy tamin’ny Robenita: “Aoka ho velona i Robena fa tsy ho faty, ary aoka tsy hihavitsy ny lehilahy eo aminy.”—De 33:1, 6.
Rehefa vita ny fanafihana an’i Kanana, dia novorin’i Josoa ny tafiky ny fokon’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ka noderainy satria nitana ny teny nataony tamin’i Mosesy. Nomeny tsodrano izy ireo ary nasainy nody. (Js 22:1-8) Nanorina alitara lehibe teo amin’ny morony andrefan’i Jordana izy ireo, rehefa tonga teny ampita. Diso fandray an’izany anefa ny foko hafa, ka saika tsy hihavana tamin’izy ireo intsony, ary nikasa hanafika azy ireo mihitsy aza. Nohazavain’izy ireo anefa fa tsy natao hanaovana fanatitra ilay alitara fa natao ho porofo fa samy tsy nivadika tamin’i Jehovah ny foko tany andrefan’i Jordana sy ny tany atsinanana. Nantsoina hoe “Vavolombelona” àry ilay alitara, satria hoy izy ireo: “Io no vavolombelona amintsika fa i Jehovah no tena Andriamanitra.”—Js 22:9-34.
Mpts 5:15, 16) Tamin’ny andron’i Saoly, dia niaraka tamin’ireo foko nanodidina azy ny tafiky ny Robenita mba hiady tamin’ny Hagarita sy ny mpiray dina taminy ka nandresy. “Niantso vonjy tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo tamin’ilay ady, ka nohenoiny ny fitalahoany satria natoky azy izy ireo.” (1Ta 5:10, 18-22) Anisan’ireo nonina tany amin’ny tanin’ny Hagarita ny Robenita mandra-pitondran’ny Asyrianina ny Israely tany an-tsesitany tamin’ny taonjato fahavalo T.K. Anisan’ny voalohany natao sesitany mantsy ny Robenita. (1Ta 5:6, 22b, 26) Voaresaka tao amin’ny tantaran’i Davida talohan’ny naha mpanjaka azy sy tatỳ aoriana koa, ny Robenita sasany sy ilay foko manontolo.—1Ta 11:26, 42; 12:37, 38; 26:32; 27:16.
Tantarany tatỳ aoriana. Taona maro tatỳ aoriana, dia nanao hiram-pandresena i Baraka sy Debora, ka nampahatsiahy fa tsy niaraka nanafika an’i Sisera tamin’izy ireo ny Robenita. Vokatr’izany, dia “nisy ampahany tamin’ny fokon’i Robena nisalasala be tao am-pony tao.” (Faminaniana. Tena misy dikany ny laharan’ny fokon’i Robena sy ireo foko hafa, ao amin’ny faminanian’i Ezekiela sy ny Apokalypsy. Hitan’i Ezekiela tao amin’ny fahitana fa teo afovoan’ireo foko ny tany “fanomezana”, izay nisy ny tempolin’i Jehovah, sy ilay tanàna nantsoina hoe Jehovah-sama (midika hoe “Jehovah Mihitsy no Ao”), ary koa ny anjara tanin’ny mpisorona sy ny Levita ary ny mpiadidy. Teo avaratr’io tany io avy hatrany no nisy an’i Joda, ary nanaraka azy i Robena. (Ezk 48:6-22, 35) Nifanila koa ilay vavahady nantsoina hoe Joda, sy ilay nantsoina hoe Robena, izay teo amin’ny ilany avaratr’ilay tanàna masina nantsoina hoe Jehovah-sama. (Ezk 48:31) Voatonona faharoa nanaraka ny fokon’i Joda koa ny anaran’i Robena, tao amin’ilay fahitan’i Jaona momba ny fanisiana tombo-kase an’ireo foko 12 anisan’ny Israely ara-panahy.—Ap 7:4, 5.