Robia
Vatosoa sarobidy mena antitra fanao ravaka, ary mangarahara. Karazana kôrindona ny robia, ary tsy fahita firy. Oksidana alminiôma izy io ary misy krôma sy oksidana vy faran’izay kely, ka izany no mahatonga ny lokony ho mena. Mafy izy io ary kely foana no tsy itovizany amin’ny diamondra. Mety ho lafo kokoa noho ny diamondra mitovy habe aminy ny robia, raha tena tsara sy ngeza. Mavokely ny lokony matsatso indrindra ary mena mainty no antitra indrindra. Io robia mena antitra io no tena lafo vidy. Teny hebreo roa (ʼôdem; kadkôd) no nadika hoe “robia” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary samy midika hoe mena midorehitra na mena mivaivay izy ireo.
Robia no vatosoa voalohany teo amin’ny laharana voalohany tamin’ny “saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona Mpisoronabe, ary voasokitra teo amin’izy io ny anaran’ny foko iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 17, 21; 39:10) “Rakotra” vatosoa isan-karazany ny fitafian’ny mpanjakan’i Tyro, ka anisan’ireny ny robia. (Ezk 28:12, 13) I Edoma no ‘nivarotra’ robia sarobidy tamin’i Tyro, izay nanome entam-barotra ho takalon’ireny sy ny entana hafa. (Ezk 27:2, 16) Nampionona an’i Ziona i Jehovah, ilay vadiny sy tompony, ary nilaza fa ho tsara tarehy izy amin’ny hoavy. Hoy izy: “Vatosoa robia no hanaovako ny tampon’ny mandanao, vatosoa mena midorehitra no hanaovako ny vavahadinao.”—Is 54:5, 6, 11, 12.