Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Roda

Roda

(Rôda) [mety hidika hoe Raozy].

Kristianina anisan’ny fiangonan’i Jerosalema, rehefa nafahana tamin’ny fomba mahagaga avy tao am-ponja ny apostoly Petera (taona t. 44). Mpanompovavin’i Maria renin’i Marka angamba izy, ary anisan’ny nivavaka ho an’i Petera nandritra ny alina tao an-tranon’i Maria. Nisy nandondòna teo am-bavahady ka tonga hamoha izy. Faly be izy nahare ny feon’i Petera, ka nihazakazaka nilaza izany tamin’ny tao an-trano fa tsy namoha azy indray. “Lasa adala ianao”, hoy ireo taminy, nefa nanizingizina izy fa tena tao i Petera. Nandondòna tao foana izy io mandra-pamohan’ireo azy.​—As 12:3, 5, 12-16.