Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rodanima

Rodanima

(Rodanìma).

Iray amin’ireo efa-dahy zanak’i Javana, voatonona ao amin’ny 1 Tantara 1:7. Tsy fantatra hoe ahoana no tena fanoratra an’ilay anarana. “Rodanima” mantsy no ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa “Dodanima” kosa ny ao amin’ny sora-tanana hebreo maro sy ny ao amin’ny Vulgate latinina. (1Ta 1:7) “Dodanima” koa ny ao amin’ny Genesisy 10:4 ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, fa “Rodanima” kosa ny ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina. Mitovy be mantsy ny litera “r” (ר) sy ny litera “d” (ד) amin’ny teny hebreo, ka mety ho nafangaron’ny mpanao dika soratra. (Ny “Rifata” ao amin’ny Ge 10:3 koa, ohatra, lasa “Difata” ao amin’ny 1Ta 1:6 ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta.) Samy ahitana hoe “Dodanima” sy “Rodanima” ny ankamaroan’ny Baiboly. Maro anefa ny mpanao diksionera mifidy ny hoe “Rodanima.” Mihevitra àry ny mpivaofy teny sasany fa azo inoana ho nonina tany amin’ny nosy Rodo sy ireo nosy teo amin’ny Ranomasina Égée ny taranak’io zanak’i Javana io.