Rojo Firavaka
Vakana na masom-by, volamena, volafotsy na vatosoa sy ny toy izany atohitohy, ary atao haingo iambozonana. Fahiny, nanao rojo ny vehivavy (To 1:10; 4:9; ampit. Ezk 16:11), na ny lehilahy koa aza, indrindra fa ny olona ambony. (Ge 41:41, 42; Da 5:7, 16, 17, 29) Nasian’ny Midianita rojo ny vozon’ny ramevany, tamin’ny andron’i Gideona, ary toa nisy ravaka miendrika volana nahantona teo amin’ireo rojo. (Mpts 8:21, 26) Nisy rojo koa natao haingon’ireo andrin’ny tempoly (Jakina sy Boaza).—2Ta 3:15-17.
‘Ny fireharehana no ataon’ny [ratsy fanahy] rojo iambozonana.’ (Sl 73:3, 6) Toy ny rojo tena tsara eny amin’ny vozon’ny zanaka kosa ny anatry ny rainy sy ny lalàn-dreniny.—Oh 1:8, 9.