Roma
Tanàna kely tany Latium. Lasa foiben’ilay fanjakana lehibe indrindra fahiny izy io, ary renivohitr’i Italia ankehitriny. Eo amoron’ny Reniranon’i Tibre i Roma, 25 km eo ho eo miala ny morontsiraka. Misasaka eo Roma ny ilany andrefan’i Italia, izay mirefy 1130 km.
Angano no tena miresaka momba ny niandohan’i Roma, ka tsy fantatra hoe oviana marina no naorina izy io ary iza no nanorina azy. Izany Romulus izany, hoy ny lovantsofina, no mpanjaka voalohany nanorina azy tamin’ny 753 T.K. Efa nisy mponina anefa tao ela be talohan’izay, araka ny hita amin’ireo fasana sy porofo hafa.
Teo amin’ireo havoana fito eo amin’ny morony atsinanan’ny Reniranon’i Tibre no nisy nanorina trano voalohandohany, ka teo amin’ny havoanan’i Palatin, hono, ny tranainy indrindra. Ireto avy ireo havoana enina manodidina an’i Palatin (avy any avaratra no mianatsimo): Quirinal, Viminal, Esquilin, Caelius, Aventin, ary Capitole. Natao izay hahamaina an’ireo honahona teny anelanelan’ireo havoana, ka teny no nanorenana trano sy tsena ary kianja. Nilaza i Pline Zokiny fa nirefy 21 km teo ho eo ireo manda nanodidina an’ilay tanàna, tamin’ny 73 A.K. Lasa anisan’i Roma koa tatỳ aoriana ireo havoana sy lohasaha teo amin’ny morony andrefan’i Tibre, sy ilay faritra 40 ha mahery misy ny Vatikana ankehitriny. Tombanana ho iray tapitrisa mahery ny mponina tao Roma, talohan’ilay hain-trano lehibe tamin’ny andron’i Néron.
Rafitra politika. Nifandimby tao Roma ny karazana fitondrana samy hafa: Nisy nalaina tahaka tamin’ny an’ny firenen-kafa, fa nisy kosa vao noforonina. Hoy i H. Wells: “Hafa noho ireo fanjakana lehibe talohany nifehy an’ireo firenena nandroso io fitondrana romanina vao nisondrotra io, izay lasa nifehy an’ireo tany tandrefana tamin’ny taonjato faharoa sy voalohany T.K. Maromaro ny lafiny tsy nampitovy azy ireo.” (Tantara Fohy Momba An’izao Tontolo Izao, 1943, p. 149) Niovaova arakaraka ny fitondrana ny rafitra politika tao Roma. Tao ny fitondran’ireo mpiadidy niray dina, mpanjaka, fianakaviana andriana, ary mpitondra jadona. Tao koa ny repoblika isan-karazany notantanan’ny senatera, tompon’andraiki-panjakana ambony, na filoha telo niara-nitondra. Niady foana anefa ireo antoko samy hafa. Mpanjaka nomena anaram-boninahitra hoe Kaisara kosa no nifandimby nitondra tatỳ aoriana. Nanamatroka ny fitondran’i Roma ny fankahalana, fialonana, teti-dratsy, vonoan’olona, ady an-trano ary ady tamin’ny firenen-kafa izay tsy nilaozana teti-dratsy isan-karazany.
Nitatra tsikelikely ny fanjakan’i Roma. I Italia manontolo aloha no nofeheziny, avy eo ireo tany manodidina ny Ranomasina Mediterane. Lasa firenena natanjaka indrindra eran-tany i Roma tamin’ny farany. Tsy ilay tanàna ihany àry fa ilay fanjakana mihitsy koa no nantsoina hoe Roma.
Tamin’ny andron’ireo Kaisara i Roma no tena nalaza. I Jules César no voalohany tamin’izy ireo. Notendren’ny Antenimieran-doholona hitondra folo taona izy tamin’ny 46 T.K. Nisy namono anefa izy tamin’ny 44 T.K. Filoha telo no niara-nitondra kelikely avy eo. I Octavien irery anefa no hany filoha tatỳ aoriana (31 T.K.–14 A.K.). Lasa mpanjaka izy tamin’ny 27 T.K. ka naka ny anaram-boninahitra hoe “Aogosto” (Ilay Heni-kaja). Tamin’izy nanjaka no teraka i Jesosy, tamin’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina. (Lk 2:1-7) I Tiberio (14-37 A.K.) no nandimby an’i Aogosto. Izy io no mpanjaka, tamin’i Jesosy nanao ny fanompoany. (Lk 3:1, 2, 21-23) Nifandimby nitondra avy eo i Caius (Caligula) (37-41), sy Klaodio (41-54), izay nandidy ny hialan’ny Jiosy tao Roma. (As 18:1, 2) I Néron indray avy eo no nanjaka (54-68), ary tany aminy no nampakaran’i Paoly ny raharaha nitsarana azy.—As 25:11, 12, 21; SARY, Boky Faha-2, p. 534.
Ireto avy ireo mpanjaka nifandimby taorian’i Néron (tamin’ny taonjato voalohany): Galba (68-69); Othon sy Vitellius (69); Vespasien (69-79) (tamin’ny androny no nandravana an’i Jerosalema); Titus (79-81), ilay nandresy an’i Jerosalema; Domitien (81-96) (tamin’ny androny, hono, i Jaona no natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo); Nerva (96-98); ary Trajan (98-117). Tamin’ny andron’i Trajan ilay fanjakana no nidadasika indrindra. Ireto avy mantsy ny sisin-taniny: Reniranon’i Rhin, Ranomasina Avaratra, Reniranon’i Danube, Reniranon’i Eofrata, ireo riandranon’i Neily (Nil), Tany Efitr’i Sahara, ary ny Oseana Atlantika any andrefana.—SARINTANY, Boky Faha-2, p. 533.
Nihena ny herin’ny Fanjakana Romanina, nandritra ny fitondran’i Constantin Lehibe (306-337). I Byzance (Constantinople) indray no nataony renivohitra. Resy i Roma tamin’ny taonjato fahadimy, tamin’ny 476, ary i Odoacre, mpitari-tafika alemà, no mpanjaka voalohany tsy Romanina nitondra tao Roma.
Toe-piainana tao. Nozaraina ho faritra 14 i Roma tamin’ny andron’i Aogosto, ka tompon’andraiki-panjakana iray no nifehy faritra iray. Nofidina isan-taona tamin’ny alalan’ny antsapaka izy io. Nisy koa mpamono afo nantsoina hoe vigiles. Nisy andiany fito izy ireo, ary niandraikitra faritra roa ny andiany tsirairay. Teo ivelan’ny manda avaratratsinanana no nisy ilay tafika manokana hoe Mpiambina an’i Kaisara. Miaramila 10 000 teo ho eo no tao amin’io tafika mpiaro ny mpanjaka io. Nisy karazana polisy nitandro ny filaminana koa tao Roma, ary nisy andiany telo izy ireo.
Nipetraka tamin’ny trano tsara tarehy teny amin’ireo havoana ny mpanankarena sy manam-pahefana. Nanana mpiasa sy andevo maro izy ireny, ary nisy aza nanana an-jatony. Nifanizina tao amin’ny tranobe teny amin’ny faritra iva kosa ny sarambabem-bahoaka. Nisy rihana maromaro ireny
tranobe tsizarizary ireny, ary noferan’i Aogosto ho 21 m ny haavony. Tery sy niolakolaka ary naloto ny lalana teny anelanelan’ireo tranobe, ary be mpivezivezy sy be olon-dratsy toy ny any amin’ny tanàn-dehibe rehetra ihany.Tao amin’ireny faritra nipetrahan’ny mahantra ireny no nitranga ilay hain-trano lehibe, tamin’ny taona 64. Mbola tsy nisy hain-trano nampijalijaly sy nahafaty olona betsaka toy izany! Notantarain’i Tacite fa “nikiakiaka” nampahonena “ireo vehivavy raiki-tahotra, sy ireo be taona sy ankizy nandositra.” (Ny Tantara, XV, XXXVIII) Efatra monja tamin’ireo faritra 14 tao Roma no tsy may.
Tena vitsy ny olona nanana fari-piainana antonintoniny tao Roma. Vitsy koa no nanan-karena. Tamin’i Paoly tonga voalohany tao, dia mety ho ny antsasaky ny mponina no andevo. Babo an’ady angamba ny sasany, na mpanao heloka bevava voaheloka, na ankizy namidin’ny ray aman-dreniny. Tsy nanan-jo mihitsy ny andevo. Ny ankamaroan’ireo tsy andevo koa anefa nivelona tamin’ny fanampian’ny fanjakana fotsiny.
Zavatra roa no nomen’ny fanjakana an’ireo vahoaka mahantra ireo mba tsy hirotahany: Sakafo sy fialam-boly. Izany no dikan’ilay fitenenana miharo fanesoana hoe panem et circenses. Ireo ihany mantsy, hono, dia efa nahafa-po an’ireo mahantra tao Roma. Nozaraina maimaim-poana ny varimbazaha sy ny rano, nanomboka tamin’ny 58 T.K. Notarihina tamin’ny lakandrano avy lavitra ilay rano. Mora koa ny divay. Nisy tranomboky ho an’izay tia namaky boky. Nisy toerana fandroana, kianja fanaovana fanatanjahan-tena na filalaovana tantara an-tsehatra na fijerena lalao, azon’ny rehetra nidirana. Tantara an-tsehatra grika sy romanina ary dihy no nataon’ireo mpilalao. Nahaliana ny olona koa ny nijery lalao tao amin’ireo kianja be, toy ny fifaninanan’ny mpitondra kalesy sy adin’ny gladiatera (olona nampiadiana tamin’ny bibidia mandra-pahafatiny). Tsy nisy vidim-pidirana. Nahazaka olona 150 000 mahery ny Kianja Maximus.
Tsy ny mponin’i Roma no niantoka izany fandaniana rehetra izany. Tsy nampandoavina hetra intsony mantsy izay olom-pirenena romanina, rehefa resy i Makedonia tamin’ny 168 T.K. Ireo faritany kosa no nampandoavina hetra be, na mivantana na tsia.—Mt 22:17-21.
Nahazo vahana ny kolontsaina hafa. Nifangaroharo tao Roma ireo firazanana, fiteny, kolontsaina, ary firehan-kevitra isan-karazany. Nivoatra miandalana ny lalàna romanina. Nofaritan’izy io hoe inona avy no zon’ny fanjakana sy ny fitsarana, ary inona no tsy azon’izy ireo natao. Narovan’io lalàna io koa ny zon’ny olom-pirenena. (As 25:16) Nomena ny zom-pirenena romanina ny mponina tany amin’ireo tanàna niray dina tamin’i Roma sy ireo zanataniny. Nahazo tombontsoa maro izay nanana izany zo izany. (As 16:37-39; 22:25, 26) Nisy vao teraka dia efa nanan-jo toy izany, fa ny hafa kosa nila nandoa vola. (As 22:28) Nataon’i Roma àry izay hahatonga an’ireo firenena resiny ho lasa romanina, mba ho izy foana no firenena matanjaka indrindra.
Tena nahazo vahana tao Roma ny fomba fanorenan’ny Grika sy ny firenen-kafa, rehefa jerena ireo trano na zavatra naorina tsara tarehy efa ravarava saika hita hatraiza hatraiza. Anisan’izany, ohatra, ilay andohalambo antsoina hoe romanina. Tsy izy ireo anefa no namorona azy io raha ny marina. Tena nampahateza ny zavatra naorin’i Roma koa ny karazana simenitra tsotsotra nataony rihitra sy nanamboarany vato.
Tamin’ny taonjato farany nisian’ny repoblika no nihabetsaka ny asa fanorenana tao Roma, ary vao mainka nitombo izany tamin’ny andron’ireo mpanjaka. Nilaza i Aogosto fa vita tamin’ny biriky, hono, i Roma tamin’izy vao nanjaka, fa nataony vita tamin’ny marbra kosa tatỳ aoriana. Nopetahana marbra tokoa ny ankamaroan’ny rafitra biriky na simenitra. Naorina indray ilay tanàna taorian’ilay hain-trano tamin’ny taona 64. Anisan’ireo zava-bita niavaka ny tsena, tempoly, lapa, kianja be, toerana fandroana, lakandrano, fantsona fandehanan’ny rano maloto, ary tsangambato. Mbola hita ao Roma ilay kianja lehibe atao hoe Colisée sy ny tsangambato sasany. Anisan’izany ilay andohalambon’i Titus, izay ahitana sarin’ny fandresena an’i Jerosalema. (SARY, Boky Faha-2, p. 536) Efa misy ravarava anefa izy ireny. Nampahalaza ny Romanina koa ny lalana sy tetezana namboariny nanerana ny faritra nanjakany.
Maro be ny vahiny tonga tao Roma, ka nitaraina ny Romanina hoe tsy romanina intsony ilay tanàna. Avy tany amin’ny lafivalon’ilay fanjakana izy ireny, ary samy nanana ny asany sy ny fomba amam-panaony ary ny fivavahany. Ny teny latinina no fiteny ofisialy, fa ny fiteny grika tsotra (koine) kosa no teny iraisam-pirenena. Tsy mahagaga àry raha nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ny teny grika ilay taratasiny ho an’ny Romanina. Nahazo vahana teo amin’ny haisoratra sy ny fanabeazana koa ny kolontsaina grika. Nobeazina araka ny fomba atenianina ny ankizilahy, ary ny ankizivavy koa indraindray. Nampianarina haisoratra sy fahaiza-mandaha-teny grika izy ireo. Nandefa ny zanany nianatra filozofia tany Atena koa ireo ray aman-dreny nanan-katao.
Fivavahana. Nisy fivavahan-diso isan-karazany tao Roma. Hoy i John Lord, mpahay tantara: “Tena nanjakan’ny finoanoam-poana tao Roma.
Tao mantsy ireo mpisorona sy mpivavaka avy amin’ny firenena rehetra nofeheziny: ‘Vehivavy mainty hoditra zanakavavin’i Isis nitondra amponga sy ampongatapaka ...; mpivavaka tamin’i Mithra, andriamanitra persianina; Aziatika novosirina; mpisoron’i Cybèle nitsinjatsinjaka sy nikiakiaka; mpivavaka tamin’i Diana, ilay andriamanibavy lehibe; babo mpanao ny fombafomban’ireo mpisorona Teuton [Alemà fahiny]; Syrianina, Jiosy, mpanandro kaldeanina, ary mpilalao ody avy any Thessalie.’”—Fanazavana ny Tantara, 1912, Boky III, p. 366, 367.Samy nafana fo tamin’ny fivavahany ny olona, ary nanaram-po tamin’ny firaisana. Niharatsy tanteraka àry ny fitondran-tenan’ny Romanina, na olona ambony izy na tsia. Anisan’izany, ohatra, i Messaline, vadin’i Klaodio Mpanjaka. Nanitsakitsa-bady io vehivavy io sady saika hamono ny vadiny, hoy i Tacite.—Ny Tantara, XI, I-XXXIV.
Ny fivavahana tamin’ny mpanjaka no niavaka indrindra tany Roma. Tany amin’ireo faritany no tena nahazo vahana izany, ka nanorenana tempoly hanaovana sorona ho an’ny mpanjaka, izay natao andriamanitra. (SARY, Boky Faha-2, p. 536) Hoy i George Botsford ao amin’ilay hoe Tantaran’i Roma: “Ny fivavahana tamin’ny mpanjaka no fivavahana lehibe indrindra tamin’ny Romanina, mandra-pahatongan’ny Fivavahana Kristianina.” Nisy soratra hita tany Azia Minora momba ny mpanjaka. Hoy izy io: “Izy no Zeosy raintsika, mpamonjy ny olombelona rehetra, mamaly ny vavaka rehetra ary mihoatra noho izay angatahintsika aza. Milamina mantsy ny tany sy ny ranomasina, miroborobo ireo tanàna, mandry feizay sy manankarena ary sambatra ny rehetra.” Tsy nety nivavaka tamin’ny mpanjaka anefa ny Kristianina ka nenjehina. Hoy ihany io mpanoratra io: “Tsy nety nivavaka tamin’ny Genius, na andriamanitra nivavahan’ny mpanjaka, izy ireo, ka noheverina ho tsy mpivavaka sady mpamadika tanindrazana.”—1905, p. 214, 215, 263.
Tonga ny Fivavahana Kristianina. Nisy “mpivahiny avy any Roma, dia Jiosy sy olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy” nahita ny vokatry As 2:1, 10, 41) Nitory izy ireo rehefa tafaverina tany Roma, ka nisy fiangonana niroborobo tao. Nilaza ny apostoly Paoly fa “re laza eran’izao tontolo izao” ny finoan’izy ireo. (Ro 1:7, 8) Samy nilaza koa i Tacite (Ny Tantara, XV, XLIV) sy Suétone (Ny Fiainan’ireo Kaisara, Néron, XVI, 2) fa nisy Kristianina tao Roma.
ny filatsahan’ny fanahy masina, tamin’ny Pentekosta 33. Azo inoana fa anisan’ireo 3000 natao batisa tamin’izay ny sasany taminy. (Nanoratra ho an’ilay fiangonana i Paoly, tamin’ny 56 tany ho any. Voafonja izy, ary nalefa tany Roma, telo taona teo ho eo taorian’izay. Efa nikasa ny ho any Roma izy talohan’izay saingy tsy afaka. (As 19:21; Ro 1:15; 15:22-24) Afaka nitory tamin’ny fomba feno tamin’ireo nitsidika azy anefa izy na dia nigadra aza. “Nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy ary nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamim-pahasahiana, sady tsy nisy fanakantsakanana” izy nandritra ny roa taona. (As 28:14-31) Na ny Mpiambina an’i Kaisara aza nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Fi 1:12, 13) Afaka ‘nitory tamin’ny fomba feno tany Roma’ àry i Paoly, araka ny nolazaina taminy.—As 23:11, f.a.p.
Nanoratra taratasy ho an’ny Efesianina, Filipianina, Kolosianina, ary ho an’i Filemona i Paoly, tamin’izy nigadra roa taona tao Roma. Tokony ho tamin’izay koa i Marka no nanoratra ny Filazantsarany tany Roma. Tamin’ny 61 tany ho any i Paoly no nanoratra ho an’ny Hebreo, taloha kelin’ny nanafahana azy, na taoriana kelin’izay. (He 13:23, 24) Tamin’izy nigadra fanindroany tany Roma, tamin’ny 65 tany ho any, i Onesiforosy no nitsidika azy. Tamin’izay koa i Paoly no nanoratra ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty.—2Ti 1:15-17.
Efa tany Roma daholo ry Paoly, Lioka, Marka, Timoty, ary ny Kristianina hafa. (Fi 1:1; Kl 4:10, 14) Milaza ny lovantsofina sasany fa tany koa i Petera. Tsy misy porofo marim-pototra momba izany anefa. Lovantsofina fotsiny ny hoe maty maritiora tany izy.—Jereo PETERA, TARATASY NOSORATAN’I.
Tena nalaza ratsy i Roma noho izy nanenjika an’ireo Kristianina, indrindra tamin’ny andron’i Néron sy Domitien. Roa ny anton’ireo fanenjehana: 1) Nazoto nitory ny vaovao tsara ny Kristianina ka nahataona olona maro, ary 2) tsy nanaiky lembenana mihitsy izy ireo ka nomeny an’Andriamanitra izay tokony ho Azy, fa tsy nomeny an’ny Kaisara.—Mr 12:17.