Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rongony

Rongony

[Heb.: peshet, pishtah; gr.: linôn].

Zavamaniry nambolena hatry ny ela, ary ny fibra avy aminy no mbola anaovana lamba rongony. Mety hahatratra 30 sm ka hatramin’ny 1,2 m ny haavon’ny rongony (Linum usitatissimum). Madinika ny tahony, lavalava ny raviny maitso tanora, ary eny amin’ny tendrony izy vao misy rantsany, izay samy misy voninkazo manga antitra na manga tanora (mahalana vao fotsy) misy felany dimy.​—SARY, Boky 1, p. 544.

Azo nojinjaina ny rongony rehefa “namony” (Ek 9:31), ka nongotana na nohadina, avy eo nohamainina. Azo inoana fa nohamainina ny tahon-drongony nalahadahatra tany an-tampon-tranon’i Rahaba tao Jeriko.​—Js 2:6.

Ny fitantaran’i Pline Zokiny (taonjato voalohany) (Tantaran’ny Zavaboary, XIX, III, 17, 18) sy ny sary tranainy any Beni Hassan any Ejipta no toa ahafantarana ny fomba fikarakaran’ny Hebreo fahiny ny rongony. Nesorina ny voany, ary nalona tanteraka tao anaty rano ny tahony sady notsindriana vato mba tsy hitsingevana. Rehefa nilona ilay izy, dia nihalò ny tahony ka nivoaka ny fibra. Niboraka ny hodiny ivelany, nesorina tao anaty rano ireo tahony, ary nahahy sy navadibadika ho maina tanteraka. Natao teo ambony vato fisaka ilay izy avy eo, ary nokapokapohina tamin’ny marotoa. Nesorina ny fibra ary nobangoina mba hialan’ny loto. Natao lahin-jiro ny fibra tsy dia tsara teo akaikin’ny hodiny (jereo Is 42:3; 43:17; Mt 12:20), fa ny fibra anatiny fotsy sy tsara kokoa kosa natao kofehy izay novelezina imbetsaka teo ambony vato mba halama.

Mety tsara hambolena rongony, hono, ny faritra iva sy be antsanga any Ejipta. Nalaza ny lamba rongony tena tsaran’i Ejipta fahiny. Tena nanimba ny toe-karenany àry ny havandra nalefan’Andriamanitra izay namotika ny rongony sy vary orza. (Ek 9:23, 31) Anisan’ireo ho menatra “ny mpiasa mikarakara rongony efa voakira” any Ejipta, hoy ny fanamelohan’ny Isaia 19:9.​—Jereo LAMBA RONGONY.