Ronono
Ranoka avy amin’ny olona na biby mampinono ka iveloman’ny zanany. Ataon’ny olona sakafo koa ny ronono. (Ge 18:8; Mpts 4:19; 5:25) Ilazana ronono velona fa tsy fromazy sy dibera ny teny hebreo nadika hoe “ronono.” (De 32:14; 2Sa 17:29; Jb 10:10; Oh 27:27) Iray ihany anefa ny teny hebreo ilazana ny rononon’ny omby sy ondry ary osy. (Ezk 25:4; 1Ko 9:7) Matetika no natao fisotro ny habobo nasiana tantely ka namelombelona erỳ. “Fromazy [a.b.t.: Ronono] folo” no nentin’i Davida ho an’ny “lehiben’ny arivo”, tamin’izy nitondra sakafo ho an’ny rahalahiny tany an-toby miaramila. Mety ho fromazy vao natao izy ireo. “Fromazy malemy didiny folo” no ilazan’ny Baibolin’i Rotherham azy ireo.—1Sa 17:17, 18.
Nahoana no noraran’ny Lalàna ny mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny?
Ao amin’ny Deoteronomia 14:21 io lalàna io. Miverina indroa koa ilay fandrarana ao amin’ny lalàna momba ny voaloham-bokatra ho an’i Jehovah.—Ek 23:19; 34:26.
Misy milaza hoe fanaon’ny mpanompo sampy ilay izy, na nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina. Tsy tena misy porofon’izany anefa.
Misy indray milaza fa manasongadina ny lamina napetrak’Andriamanitra ilay didy. Natao hamelomana an’ilay zanak’osy ny rononon-dreniny. Tsy hahasoa an’ilay zanak’osy àry ny fandrahoana azy amin’ny rononon-dreniny, sady mifanohitra amin’ny antony nanaovan’Andriamanitra ny ronono.
Mety ho tian’Andriamanitra hangoraka koa anefa ny olona, matoa nomeny an’io didy io, sy ny didy hafa nandrara ny fanaovana sorona biby vao teraka izay tokony ho niaraka tamin-dreniny fito andro, fara fahakeliny (Le 22:27), ny famonoana biby miaraka amin-janany ao anatin’ny indray andro (Le 22:28), ary ny fakana vorona miaraka amin’ny atodiny na ny zanany ao amin’ny akaniny (De 22:6, 7).
Ao amin’ny faminaniana. Hoy ny faminaniana momba an’i Imanoela: “Noho ny habetsahan’ny ronono, dia hihinana dibera ny olona, satria tsy hisy afa-tsy dibera sy tantely no hohanin’izay sisa miangana eo amin’ilay tany.” Nitranga izany rehefa notafihin’ny Asyrianina i Joda ka lao. Lasa feno ahidratsy ny tany novolena fahiny. Tantelidia sy zavatra vita amin’ny ronono ihany àry no tena nohanin’ny olona sisa tsy maty. Nidadasika mantsy ny tanimbilona, ka namokatra ronono be dia be ho an’ny mponina vitsy kely ireo biby sisa niangana.—Is 7:20-25; ampit. 37:30-33.
Heviny an’ohatra. Matetika no ampiasaina amin’ny sarin-teny ny ronono. (Ge 49:12; To 5:12; Ft 4:7) Ilazana ny fananan’ny firenena, ohatra, izy io. (Is 60:16) Resahina imbetsaka hoe “tondra-dronono sy tantely” ny Tany Nampanantenaina, satria namokatra zavatra isan-karazany be dia be, noho ny fitahian’i Jehovah. (Ek 3:8; De 6:3; Js 5:6; Je 11:5; Ezk 20:6; Jl 3:18) Misy tantely sy ronono eo ambany lelan’ilay tovovavy solemita, hoy ilay mpiandry ondry tia azy, noho izy io milaza teny mahafinaritra.—To 4:11.
Ilain’ny zaza ny ronono mba hitomboany mandra-pahalehibeny. “Ronono” ho an’ny zaza ara-panahy koa ny fampianarana fototra arahin’ny Kristianina, ary manatanjaka azy mba ho matotra 1Ko 3:2; He 5:12-14) Hoy koa ny apostoly Petera: “Toy ny zaza menavava, dia ataovy izay haniriana fatratra ny ronono tsy misy fangarony, dia ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra.” Amin’izay dia mihamatotra ny Kristianina nefa koa mitombo ho “amin’ny famonjena”, izany hoe ataony azo antoka ny fiantsoana sy fifidianana azy. (1Pe 2:2; 2Pe 1:10) Asain’Andriamanitra hividy an’io “ronono” manatanjaka finoana io ny olona mangetaheta ara-panahy. “Tsy andoavam-bola sady tsisy sarany” ilay izy, noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah tsy manam-paharoa.—Is 55:1.
ka ho afaka handray “ventin-kanina” na fahamarinana lalina. (