Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rota, I

Rota, I

Vehivavy moabita lasa vadin’i Malona taorian’ny nahafatesan’i Elimeleka rain’i Malona. Nonina tany Moaba i Malona sy Naomy reniny ary Kiliona rahalahiny tamin’izay. Nifindra tany izy ireo satria nisy mosary tany Betlehema any Joda, tanàna niavian’izy ireo. Nanambady an’i Orpa, vehivavy moabita koa, i Kiliona zaodahin’i Rota. Maty anefa i Kiliona sy Malona, ka namela vehivavy mananotena roa tsy nanan-janaka. Ren’i Naomy fa nankasitrahan’i Jehovah indray ny Israely, ka nody tany Joda izy, ary niaraka taminy i Rota sy Orpa.​—Rt 1:1-7; 4:9, 10.

Tsy niovaova ny fitiavan’i Rota. Nasain’i Naomy niverina tany amin’ny fireneny izy roa vavy. Nody i Orpa tamin’ny farany, fa i Rota kosa tsy nahafoy ny rafozambaviny. Tena tia an’i Naomy izy, sady naniry mafy ny hanompo an’i Jehovah niaraka tamin’ny vahoakany. Nahafoy ny ray aman-dreniny sy ny tanindrazany àry izy, na dia nety tsy hahita vady hanohana azy aza. (Rt 1:8-17; 2:11) Tiany be ny rafozany, matoa niteny mihitsy ny olona hoe tsara kokoa noho ny zanaka fito lahy i Rota.​—Rt 4:15.

Tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary orza izy ireo no tonga tany Betlehema, ka nankany an-tsaha i Rota mba hitady sakafo ho azy mianaka. Sendrasendra no nahatongavany teo amin’ny tanin’i Boaza, havan’i Elimeleka. Niangaviany ilay tovolahy niandraikitra ny mpijinja mba hamela azy hitsimpona an’izay navelan’ny mpijinja. Tena nazoto nitsimpona izy, ary niresaka momba izany tamin’i Boaza mihitsy ilay mpiandraikitra.​—Rt 1:22–2:7.

Tsara fanahy tamin’i Rota i Boaza. Nankasitraka izany i Rota ary nanetry tena ka niaiky fa mbola ambany noho ny iray tamin’ireo mpanompovavin’i Boaza izy. Nomen’i Boaza voam-bary natono izy tamin’ny sakafo antoandro. Betsaka ilay izy, ka nisy ambiny nentiny ho an’i Naomy. (Rt 2:8-14, 18) Nataon’i Boaza izay hanamora ny asan’i Rota. Tsy niala aloha anefa i Rota fa nitsimpona foana mandra-paharivan’ny andro, ary “nively izay avy notsimponiny izy, ka nahazo vary orza tokony ho iray efaha [22 L].” Nasain’i Boaza nitsimpona teo amin’ny sahany foana i Rota, ka izany tokoa no nataony mandra-pahatapitry ny fijinjana vary orza sy ny fijinjana varimbazaha.​—Rt 2:15-23.

Niangaviana hanavotra i Boaza. Tian’i Naomy hanana ‘tokantrano hiadanana’ i Rota vinantovaviny, ka notoroany hevitra mba hiangavy an’i Boaza hanavotra azy. Nidina teny am-pamoloanan’i Boaza àry i Rota. Rehefa natory i Boaza, dia nitsaitsaika izy, ka nesoriny ny lamba nandrakotra ny tongotr’i Boaza, ary natory teo izy. Nangovitra ralehilahy rehefa nisasaka ny alina, ka niarina nipetraka. Tsy fantany i Rota fa maizina ny andro, ka hoy izy: “Fa iza ianao?” Hoy àry i Rota: “I Rota mpanompovavinao ihany ity! Mba rakofy amin’ny morontongotr’akanjonao ny mpanompovavinao, satria mpanavotra ianao.”​—Rt 3:1-9.

Matoa nasain’i Naomy nanao izany i Rota, dia tsy maintsy ho efa izany no fanaon’ny vehivavy nitaky ny zony mba hoentina loloha. Hoy i Paulus Cassel momba ny Rota 3:9, ao amin’ny Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange: “Io no fombafomba fitakiana zo mahasanganehana indrindra. Tena hita taratra amin’izy io anefa fa tsotra sy maotina ny fomban’ny olona tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny. Lehilahy mendri-kaja no atokisan’ny vehivavy hoe hanaiky ny fitakiany. Tena sarotra notanterahina anefa ilay fombafomba. Lasa heverin’ny olona hoe tsy maotina mantsy ilay vehivavy raha misy mahatsikaritra na mahafantatra mialoha ilay izy. Raha efa natomboka anefa ilay izy ka nolavina, dia tsy maintsy nisy afa-baraka na ilay vehivavy na ilay lehilahy. Azontsika antoka àry fa tena natoky i Naomy hoe hahomby ilay raharaha matoa izy naniraka ny vinantovaviny hanao izany. Efa sarotra ilay izy, kanefa mbola nanampy trotraka izany ilay voalazan’i Rota hoe goel [iray amin’ireo mpanavotra] i Boaza, fa tsy hoe ilay goel [ilay tena tokony hanavotra]. Hita tamin’ny valin-tenin’i Boaza koa fa efa nampoiziny ihany ilay fitakiana. Tsy hoe efa nifanaraka tamin’i Naomy izy, ka nijanona irery teny am-pamoloana. Tsy zavatra efa nandrasany koa io fitsidihan’i Rota tamin’ny alina io, matoa taitra tampoka tamin’ny torimasony izy. Mety ho efa nandalo tao an’eritreriny ihany anefa ilay hoe mety hankany aminy i Rota, indray andro any, mba hitaky ny zony, noho izy ireo mpihavana. Tombantombana fotsiny izany. Na izany aza, dia nanan-tsafidy i Rota ary sitrapony ny hanaraka ilay fombafomba matoa nataony.”​—Nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976, p. 42.

Hitan’i Boaza hoe tena mahate-hidera ny zavatra nataon’i Rota, satria hoy izy: “Hotahin’i Jehovah anie ianao, anaka! Fa tsara kokoa noho ilay tamin’ny voalohany izao fomba anehoanao hatsaram-panahy feno fitiavana izao, satria ianao tsy nanaraka ny tovolahy, na mahantra izy na manankarena.” Nampandeferin’i Rota ny faniriany satria te hamelo-maso ny anaran’ny vadiny sy ny rafozambaviny izy. Nifidy ny hanambady an’i Boaza àry izy, na dia be taona aza i Boaza. Voajanahary amin’ny tovovavy toa an’i Rota ny faniriana hanambady tovolahy, ka izany no nahatonga an’i Boaza hilaza fa tsara kokoa ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Rota tamin’ity indray mandeha ity raha oharina amin’ilay nasehony tamin’izy tsy nahafoy an’ilay rafozambaviny efa be taona.​—Rt 3:10.

Azo inoana fa re tamin’ny feon’i Rota hoe somary natahotra izy. Nanome toky azy toy izao i Boaza noho izany: “Izao àry, anaka: Aza matahotra, fa hataoko aminao daholo izay lazainao. Fantatr’izay rehetra eo am-bavahadin’ny fireneko mantsy fa tena vehivavy tsara tokoa ianao.” Efa alina be ny andro, ka nasain’i Boaza natory i Rota. Samy nifoha anefa izy ireo raha mbola maizimaizina ny andro, mba tsy hisian’ny tsaho hanala baraka azy ireo. Nomen’i Boaza vary orza inenin’ny famarana i Rota. Inona no mety ho dikan’izany? Angamba mba hampisehoana fa toy ny andro fiasana enina alohan’ny andro iray fialan-tsasatra izao ny fiainan’i Rota. Kely sisa dia ho afaka hiala sasatra izy, satria hahazo ‘tokantrano hiadanany.’​—Rt 3:1, 11-15, 17, 18.

Hoy i Naomy tamin’i Rota rehefa tonga izy: “Iza ianao, anaka?” Mbola maizina mantsy ny andro ka mety ho tsy fantany hoe iza ilay vehivavy te hiditra tao an-trano. Na koa mety ho tiany ho fantatra hoe ho lasa vadin’ilay mpanavotra ihany ve i Rota sa tsia.​—Rt 3:16.

Nisy havana akaiky tokony hitondra loloha an’i Rota. Tsy nety anefa izy, ka i Boaza no nanao izany avy hatrany. Niteraka an’i Obeda zanakalahin’i Boaza àry i Rota, sady lasa razamben’i Davida Mpanjaka sy Jesosy Kristy.​—Rt 4:1-21; Mt 1:5, 16.