Rota, II
[Gr.: peganôn].
Zavamaniry iva, maniry mandavantaona, ary mahery fofona ny karazana rota Ruta graveolens. Misy lainy ny tahony izay mety ho 1 m eo ho eo. Maitso volondavenona ny raviny, ary mavo ny voninkazony mitsitokotoko. Mety ho nambolena hatao fanafody sy laron-tsakafo ny rota tany Palestina, tamin’ny andron’i Jesosy.
Lioka 11:42 irery no miresaka rota (sarotiny erỳ ny Fariseo nanome ny ampahafolony). “Aneta” kosa no ao amin’ny Matio 23:23, andininy mifanitsy amin’io, sy Lioka 11:42 ao amin’ny sora-tanana (P45) iray tamin’ny taonjato fahatelo.
Ny