Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sabata, Taona

Sabata, Taona

Taona nitsingerina isaky ny fito taona. Tsy novolen’ny Israelita fahiny ny tany tamin’izay fa navelany niala sasatra, ary tsy noterena handoa trosa ny Hebreo.

Nankalazaina “isaky ny fito taona” ny taona sabata, izay nisaina nanomboka tamin’ny 1473 T.K., taona nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. (De 15:1, 2, 12) Ny fitsofana trompetra tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana (10 Etanima [Tisry]) no fanombohan’ny taona sabata. Misy anefa milaza fa ny taon-jobily no niantomboka tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, fa ny taona sabata kosa tamin’ny 1 Tisry.

Tsy nisy nahazo namboly, namafy, nandrantsana, na nanangom-bokatra tamin’izay. Navela teny an-tsaha izay naniry ho azy, ka nohanin’ny tompon’ilay tany, ny mpanompony, ny mpiasa nokaramaina, ary ny vahiny. Fiahiana ny mahantra izany, sady fiahiana ny biby fiompy sy bibidia, satria afaka nihinana tamin’ny vokatry ny tany koa izy ireo nandritra ny taona sabata.​—Le 25:1-7.

Nantsoina hoe “taom-panafahana [hashshemittah]” ny taona sabata. (De 15:9; 31:10) Niala sasatra na nafahana tanteraka ny tany satria tsy novolena. (Ek 23:11) Nafoy koa ny trosa. “Fanafahana ho voninahitr’i Jehovah” izany. Misy mpivaofy teny milaza hoe tsy nofoanana ny trosa, saingy ny Hebreo fotsiny no tsy azo noterena handoa trosa satria tsy nanana fidiram-bola ny mpamboly tamin’io taona io, fa ny hafa firenena kosa azo nitakiana trosa. Misy anefa tsy mitovy hevitra amin’izany. (De 15:1-3) Misy raby mihevitra fa izay notrosain’ny Hebreo mahantra no nofoanana, fa tsy izay trosa nanaovana raharaham-barotra. Lamina napetraky ny Raby Hilela tamin’ny taonjato voalohany, hono, ilay hoe nahazo nankany amin’ny fitsarana ilay mpampisambotra ary nanao fanambarana mba tsy ho votsotra ny trosany.​—Ny Boky Dimy Voalohany sy Bokin’ny Mpaminany, nataon’i J. Hertz, Londres, 1972, p. 811, 812.

Tsy nafahana kosa ireo mpanompo (lasa mpanompo ny ankamaroany satria tsy nahaloa trosa) tamin’io taom-panafahana tsy nitakiana trosa io. Ny taona fahafito nanompoany na ny Jobily ihany (izay iray tonga aloha) ny mpanompo hebreo no nafahana.​—De 15:12; Le 25:10, 54.

Nitaky finoana ny fitandremana an’ireo taona sabata, ho fanajana ny fifanekena nataon’i Jehovah tamin’ny Israely, nefa koa nitondra fitahiana be dia be. (Le 26:3-13) Nampanantena Andriamanitra fa hataony ampy nandritra ny telo taona teo ho eo (taona fahenina ka hatramin’ny fijinjana ny taona fahavalo) ny vokatra nojinjaina ny taona fahenina. Tsy namafy mantsy ny Israelita ny taona fahafito, ka ny taona fahavalo vao afaka nijinja. (Ampit. Le 25:20-22.) Nandresy an’ireo Kananita sy nizara lova izy ireo nandritra ny enin-taona nitarihan’i Josoa azy nankao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy afaka namafy firy izy ireo tamin’izay, nefa nihinana an’izay nambolen’ny Kananita. (De 6:10, 11) Sabata anefa ny taona fahafito ka nila nanam-pinoana sy nankatò izy ireo niandry ny fijinjana ny taona fahavalo. Ampy sakafo àry izy ireo satria notahin’Andriamanitra.

Nivory mba hihaino ny Lalàna ny rehetra, na lahy na vavy na ankizy madinika na vahiny isaky ny taom-panafahana, rehefa Fetin’ny Trano Rantsankazo.​—De 31:10-13.

Ho nankalaza taona sabata 121 sy taon-jobily 17 ny Israely talohan’ny sesitany, raha nankatò ny Lalàna. Tsy nitandrina ny taona sabata foana anefa izy ireo. Lao nandritra ny 70 taona ilay tany “mandra-panonitr’ilay tany ny sabatany”, rehefa natao sesitany tany Babylona izy ireo. (2Ta 36:20, 21; Le 26:34, 35, 43) Tsy resahin’ny Baiboly hoe tsy nitandrina taona sabata 70 ny Jiosy, kanefa navelan’i Jehovah ho lao 70 taona ilay tany mba hanonerana ny taona sabata rehetra tsy notandreman’izy ireo.