Sabetahy
(Sabetàhy) [[Teraka] Andro Sabata].
Levita taorian’ny sesitany. Hoy ny Ezra 10:15: “Nanohitra izany teny izany anefa i Jonatana zanak’i Asahela sy Jahaza zanak’i Tikva, nampian-dry Mesolama sy Sabetahy izay samy Levita.” Mety hidika izany fa nampian’i Sabetahy ireo nanohitra ny soso-kevitr’i Ezra hoe horoahina ny vehivavy hafa firenena. Na koa hoe anisan’ireo nanohitra ny fomba tian’ny fiangonana handaminana ilay olana izy. Mety ho nanampy an’ireo solontenan’ny vahoaka nandamina ilay olana koa anefa izy. Toa mitombina izany, raha izy ihany ilay Sabetahy niaraka tamin’i Ezra fony novakina ampahibemaso ny Lalàna, sy ilay nonina tao Jerosalema rehefa vita ny manda.—Ne 8:5-7; 11:1, 2, 15, 16.