Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sabta

Sabta

(Sabtà).

Zanakalahin’i Kosy sady rahalahin’i Nimroda, ary razamben’ny iray tamin’ireo fianakaviambe 70 velona taorian’ny Safodrano. (Ge 10:7, 8, 32; 1Ta 1:9, 10) Toa nanorim-ponenana tany amin’ny faritra atsimon’i Arabia ny taranak’i Sabta, angamba tany amin’ny toerana iray lasa nitondra ny anarany. Misy milaza fa i Sabota renivohitr’i Hadramaout taloha izy io. I Ptolémée kosa milaza hoe ny tanànan’i Sapta akaikin’ny Hoala Persika ilay izy. Tsy tena fantatra anefa raha ny iray tamin’ireo tanàna ireo no Sabta.