Sadoseo
Sekta lehibe iray anisan’ny Fivavahana Jiosy, ary mpisorona ny ankamaroany. (As 5:17) Tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty sy ny anjely izy ireo.—As 23:8.
Tsy fantatra hoe oviana marina no nanomboka nisy ny Sadoseo. Ny asa soratr’i Josèphe no boky ara-tantara voalohany niresaka momba azy ireo. Nilaza izy fa nanohitra ny Fariseo izy ireo tany amin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 293 [x, 6]) Nanazava momba ny fampianaran’ny Sadoseo koa izy. Tsy fantatra anefa raha tena marina ny fanazavany. Nino ny anjara ny Fariseo, hoy i Josèphe, fa ny Sadoseo kosa tsy nino izany, ka nanizingizina fa ny tsirairay ihany no tompon’andraikitra ny amin’izay manjo azy. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 172, 173 [v, 9]) Nolavin’izy ireo ny lovantsofina maro narahin’ny Fariseo. Tsy nekeny koa ny finoan’ny Fariseo hoe tsy mety maty ny fanahy ary misy sazy na valisoa aorian’ny fahafatesana. Somary hentitra tamin’izy samy izy ny Sadoseo. Voalaza fa tia nifanditra izy ireo. Nahasarika ny mpanankarena ny fampianaran’ny Sadoseo, hoy i Josèphe.—Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 298 (x, 6); XVIII, 16, 17 (i, 4); Ny Adin’ny Jiosy, II, 162-166 (viii, 14).
Nampirisihin’i Jaona Mpanao Batisa hamokatra voa mifanentana amin’ny fibebahana ny Sadoseo, satria tsy nankatò ny lalàn’Andriamanitra, toa an’ireo Fariseo ihany. (Mt 3:7, 8) Noharin’i Kristy Jesosy tamin’ny lalivay ny fampianaran-dison’ny Sadoseo.—Mt 16:6, 11, 12.
Nilaza ny Sadoseo fa “tsy misy fitsanganana amin’ny maty na anjely na fanahy. Fa ny Fariseo kosa nanambara ampahibemaso fa nino izany rehetra izany.” (As 23:8) Nanandrana namandrika an’i Kristy Jesosy ny Sadoseo maromaro, ka nanontany azy momba ny fitsanganan’ny maty sy ny fitondrana loloha. Nataon’i Jesosy tsy nahateny anefa izy ireo. Fantatr’i Jesosy fa nino ny asa soratr’i Mosesy ny Sadoseo, ka io no nampiasainy mba hanaporofoana fa diso izy ireo raha milaza fa tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty. (Mt 22:23-34; Mr 12:18-27; Lk 20:27-40) Nampisara-kevitra an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy ny apostoly Paoly rehefa niteny teo anatrehan’izy ireo. Tsy nitovy ny zavatra ninoan’ny Fariseo sy ny Sadoseo, ka izany no nohararaotin’i Paoly mba hampifandirana azy roa tonta.—As 23:6-10.
Nifandrafy ny Fariseo sy ny Sadoseo, nefa nifarimbona tamin’ny Fariseo ny Sadoseo rehefa naka fanahy an’i Jesosy ka nangataka famantarana taminy. (Mt 16:1) Samy nanohitra an’i Jesosy koa izy roa tonta. Asehon’ny Baiboly fa ny Sadoseo no tena nitady hirika hamonoana an’i Jesosy. Sadoseo ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, izay nanao tetika hamonoana an’i Jesosy ka nanameloka azy ho faty, tatỳ aoriana. Anisan’io fitsarana io i Kaiafa, izay Sadoseo sady mpisoronabe, ary koa mpisorona nalaza hafa. (Mt 26:59-66; Jn 11:47-53; As 5:17, 21) Azo inoana àry fa ny Sadoseo ihany no tiana holazaina rehefa mitantara an’izay nataon’ny lehiben’ny mpisorona ny Soratra Grika. (Mt 21:45, 46; 26:3, 4, 62-64; 28:11, 12; Jn 7:32) Toa ny Sadoseo koa no tena nanao izay tsy hampiely ny Fivavahana Kristianina, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany.—As 4:1-23; 5:17-42; 9:14.