Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sadraka

Sadraka

(Sadràka).

Anarana babylonianina niantsoana ny Jiosy iray natao sesitany, izay nomena toerana ambony tao amin’ny fanjakan’i Babylona. Voatonona miaraka foana i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ireo telo lahy naman’i Daniela, ary i Sadraka foana no voatonona voalohany. Nahoana? Satria toa milahatra araka ny abidy foana ny anaran’izy ireo amin’ny teny hebreo (Hanania sy Misaela ary Azaria). Nomena anarana babylonianina izy ireo, rehefa tonga tany Babylona. Nomena fiofanana koa izy ireo tany, satria hita hoe tanora tsy nisy tsininy, tsara tarehy, ary mahira-tsaina. Rehefa nifarana ireo telo taona niofanany, dia hita fa avo folo heny ny fahaizan’izy telo lahy raha noharina tamin’ny an’ny olon-kendrin’i Babylona. Azo antoka fa notahin’i Jehovah izy ireo, satria tsy nanaiky handoto tena tamin’ny hanim-py fihinan’ny Babylonianina. (Da 1:3-20) Notendrena hitantan-draharaha teo amin’ny faritanin’i Babylona izy telo lahy tatỳ aoriana. (Da 2:49) Tsy nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka izy ireo, rehefa tsy nety niankohoka tamin’ilay sarivongana ngezabe nataony. Naverina tamin’ny andraikiny ihany anefa izy ireo, rehefa avy narovan’i Jehovah tsy ho faty tao anatin’ilay lafaoro misy afo mivaivay.​—Da 3.