Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Safa

Safa

(Sàfa).

1. Zanakalahin’i Kaleba (zanak’i Hezrona) tamin’i Maka vadikeliny. ‘Ray’ na razamben’ireo nonina tany Madmana i Safa.​—1Ta 2:9, 42, 48, 49.

2. Iray amin’ireo enina mirahalahy zanak’i Jeday, ary ny anarany no voatonona farany. Anisan’ny taranak’i Kaleba zanak’i Hezrona avy amin’ny fokon’i Joda izy.​—1Ta 2:9, 42, 47.

3. Iray amin’ireo Refaima efatra goavam-be. Niaraka tamin’ny Filistinina nanafika ny Israely izy ireo, ka matin’ny lehilahy maherin’i Davida. I Sibekay no namono nahafaty an’i Safa (na Sipay).​—2Sa 21:18, 22; 1Ta 20:4.