Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Safodrano

Safodrano

SAFODRANO

Ilay tondra-drano lehibe nandringanana ny olona sy ny biby tamin’ny andron’i Noa, tamin’ny 2370 T.K. I Jehovah no nahatonga an’io loza lehibe indrindra teo amin’ny tantara io, satria feno herisetra ny tany noho ny nataon’ny ratsy fanahy. Tsy maty kosa ry Noa valo mianaka sy ny karazam-biby voafantina, satria tao anaty sambofiara na vata lehibe.—Ge 6:9–9:19; 1Pe 3:20; jereo NOA No. 1; SAMBOFIARA.

Faritra safotry ny rano. Tsy ranotrambo, na tondra-drano noho ny oram-be tampoka, ny Safodrano. Kataklysmos, na loza lehibe, mantsy ny teny grika ampiasain’ny Baiboly hilazana azy io. (Lk 17:27) Andro vitsivitsy monja ny faharetan’ny tondra-drano, fa herintaona mahery kosa vao ritra ny ranon’ilay Safodrano. Tondra-drano fotsiny koa ve dia handanian’i Noa 50 taona teo ho eo hanamboarana sambofiara goavana mahatratra 40 000 m3 eo ho eo mba hiarovana ny ankohonany sy biby vitsivitsy? Raha faritra kely fotsiny koa no voa, nilaina ve ny nampiditra santionany tamin’ny “karazan-javamananaina rehetra” tao amin’ilay sambofiara, mba ‘tsy hahalany taranaka [azy] eny ambonin’ny tany manontolo’? (Ge 6:19; 7:3) Azo antoka àry fa safodrano naneran-tany ilay izy, ary mbola tsy nisy toy izany mihitsy sady tsy hisy toy izany intsony. “Nanafotra tanteraka ny tany ny rano, ka difotra ny tendrombohitra avo rehetra teny ambanin’ny lanitra manontolo. Nihoatra dimy ambin’ny folo hakiho [6,5 m eo ho eo] tamin’ny tendrombohitra ny rano, ka difotra ireny.” (Ge 7:19, 20) “Efa eto anatrehako ny faran’ny nofo rehetra”, hoy i Jehovah, ka “hofoanako tsy ho eny ambonin’ny tany ny zava-drehetra nataoko.” Izany tokoa no nitranga. “Maty izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, dia izay rehetra teo amin’ny tany maina.” “I Noa ihany, mbamin’izay niaraka taminy tao amin’ny sambofiara, no sisa velona.”—Ge 6:13; 7:4, 22, 23.

Fotoana nitrangany. Tsy tonga tampoka ilay Safodrano fa efa nambara mialoha. An-taonany maro mantsy i Noa no nanorina ny sambofiara, sady nitory ny fahamarinana mba hampitandremana an’ilay taranaka ratsy fanahy. (2Pe 2:5) Tapitra izany fotoana izany “tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana faharoa, tamin’ny faheninjato taonan’i Noa.” Nampidirina tao amin’ny sambofiara niaraka tamin’i Noa sy ny ankohonany ‘ny karaza-nofo rehetra, lahy sy vavy’, ary sakafo ampy ho an’ny rehetra. “Nohidian’i Jehovah ny varavarana”, ary “nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra.” (Ge 7:11, 16) Avy nandritra ny “efapolo andro sy efapolo alina” ny oram-be, ary “nahery be ny rano nanafotra ny tany”, nandritra ny 150 andro. (Ge 7:4, 12, 24) Dimy volana taorian’ny nanombohan’ilay oram-be, dia “tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata” ilay sambofiara. (Ge 8:4) Efa ho roa volana sy tapany taorian’izay vao “niseho ny tampon’ny tendrombohitra” (Ge 8:5), telo volana taorian’izay vao nesorin’i Noa ny saron’ilay sambofiara mba hahitana raha efa maina ny tany (Ge 8:13), ary efa ho roa volana taorian’izay vao nosokafana ny varavarana ka nandia tany maina indray izy ireo.—Ge 8:14-18.

Niditra tao amin’ny sambofiara i Noa sy ny ankohonany tamin’ny andro faha-17 amin’ny volana faha-2 (Oktobra-Novambra) tamin’ny faha-600 taonan’i Noa. (Ge 7:11) Herintaona taorian’izay (nisy 360 andro ny taona iray) ny andro faha-17 amin’ny volana faha-2 tamin’ny taona faha-601. Folo andro taorian’io ny andro faha-27 amin’ny volana faha-2. Tamin’izay andro izay izy ireo no nivoaka ny sambofiara. Nijanona tao nandritra ny 370 andro àry izy ireo. (Ge 8:13, 14) Nanoratra diary i Noa nandritra izany, ary toa 30 andro no nanisany ny iray volana, ka 360 andro ny 12 volana. Izany no antony ilazan’ny Baiboly hoe 150 andro ny dimy volana. (Ge 7:11, 24; 8:3, 4) Tsy nanisa ny fotoana araka ny fihodinan’ny Volana amin’ny Tany i Noa. Mihoatra kelin’ny 291⁄2 andro ny iray volana raha izany, ka sarotra ny manambatambatra an’ireny tapak’andro ireny.

Ny niavian’ny rano. Voalaza fa na ho lasa orana tampotampoka eo aza ny hamandoana rehetra eny amin’ny rivotra, dia tsy hahatratra 9 sm ny rano handrakotra ny tany manontolo. Avy aiza àry ny rano tamin’ilay safodrano? Hoy i Jehovah tamin’i Noa: “Hahatonga safodrano [na “ranomasimben’ny lanitra”; heb.: mabbol] eny ambonin’ny tany aho.” (Ge 6:17) Voalaza fa “vaky ny loharano rehetran’ny rano lalina midadasika, ka nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra.” (Ge 7:11) Tena be dia be ny rano matoa “difotra ny tendrombohitra avo rehetra teny ambanin’ny lanitra manontolo.”—Ge 7:19.

Avy taiza io “ranomasimben’ny lanitra” io? Nanao habakabaka teo ambonin’ny tany i Jehovah, nandritra ny “andro” faharoa tamin’ny famoronana. Io habakabaka (antsoina hoe “Lanitra”) io no nanasaraka ny rano teo ambaniny (izany hoe ny ranomasimbe) sy ny rano teo amboniny. (Ge 1:6-8) Nitsingevaheva teny ambonin’ny habakabaka teny ny rano, nanomboka tamin’io “andro” faharoa io ka hatramin’ny Safodrano. Hoy ny apostoly Petera momba izany: “Efa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany nifatratra tsara nipoitra avy tao anaty rano sady teo afovoan’ny rano, noho ny tenin’Andriamanitra.” Ny “lanitra” sy ny rano teo amboniny sy teo ambaniny no nampiasain’Andriamanitra, ary “tamin’ny alalan’ireo no nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.” (2Pe 3:5, 6) Nahoana izany rano teny ambony izany no tsy nirotsaka raha tsy tamin’ny Safodrano, ary inona no nahatonga azy hirotsaka? Samy manana ny heviny ny olona, nefa tombantombana daholo izany. Milaza fotsiny ny Baiboly hoe nanao habakabaka Andriamanitra, nasiany rano teo amboniny, ary nahatonga Safodrano izy. Mahery indrindra izy ka mora taminy ny nanao izany.

Aiza daholo izany rano nandifotra “ny tendrombohitra avo rehetra” izany ankehitriny? Azo inoana fa eto an-tany ihany. Fantatra mantsy fa kely kokoa ny ranomasina taloha ary lehibe kokoa ny tany maina, satria mbola ahitana lalan’ny renirano any anaty ranomasina lavitra be any. Tsara homarihina koa fa misy mpahay siansa nilaza hoe iva kokoa ny tendrombohitra taloha, ary nisy aza voatosika hiakatra avy any anaty ranomasina. Voalaza koa fa “avo folo heny noho ny tany maina ny rano any an-dranomasina, [ankehitriny]. Raha atao mitovy tantana ao anaty ranomasina izany tany maina izany, dia ho difotra any amin’ny roa kilaometatra sy sasany any ambanin’ny rano ny tany manontolo.” (Vaovao Momba ny Tany, Janoary 1945, p. 105) Marina àry ny voalazan’ny Soratra Masina fa tena nahadifotra “ny tendrombohitra avo rehetra” tokoa ny ranon’ny safodrano, talohan’ny nisondrotan’ny tendrombohitra sy nidinan’ny fanambanin’ny ranomasina, ary talohan’ny nisian’ny vongan-dranomandry tany amin’ny tendron-tany.—Ge 7:19.

Vokany teto an-tany. Nanova zavatra betsaka ny Safodrano. Nihena haingana be, ohatra, ny androm-piainan’ny olona. Misy milaza fa ilay rano teny ambonin’ny habakabaka no nisakana taratra sasany tsy ho tonga hatretỳ an-tany, talohan’ny Safodrano. Manimba fototarazo, hono, ireny taratra ireny, ary betsaka kokoa no tonga hatretỳ rehefa tsy teo intsony ilay rano. Tsy miresaka momba izany anefa ny Baiboly. Mahaliana fa miova ny hafainganan’ny fiforonan’ny taratra karbonina 14 raha vao miova ny taratra, ka lasa diso izay daty talohan’ny Safodrano raha ilay teknika karbonina 14 no namaritana azy.

Rano be dia be no nanafotra ny tany, rehefa vaky tampoka “ny loharano rehetran’ny rano lalina midadasika, ka nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra.” (Ge 7:11) Mety ho nanova be ny vohon’ny tany izany. Somary manify mantsy ny hoditany, ary tsy mitovy ny hateviny. Mandrakotra zavatra malemilemy manana savaivo an’arivony kilaometatra izy io. Azo inoana àry fa niova be ny hoditany rehefa novesaran’ilay rano, ka nanjary nisy tendrombohitra vaovao rehefa nandeha ny fotoana, ary lasa avo kokoa ny tendrombohitra efa teo. Nihalalina koa ny fanambanin’ny ranomasina ary niova ny morontsiraka, ka lasa rakotry ny rano ny 70 isan-jato eo ho eo amin’ny tany maina ankehitriny. Izany fiovan’ny hoditany izany koa no mety ho nahatonga ny morontsiraka ho avo kokoa. Tombanana ho “310 kilao eo ho eo isaky ny santimetatra tora-droa” ny vesatry ny rano, ka izany fotsiny dia ampy hanovana haingana ny zavamaniry sy ny biby ho lasa fôsily.—Jereo Ilay Safodrano Voalazan’ny Baiboly sy ny Vanim-potoanan’ny Ranomandry, nataon’i D. Patten, 1966, p. 62.

Inona no porofo fa tena nisy tokoa ny safodrano naneran-tany?

Intỳ koa misy porofo hoe nitondra fiovana tampoka ilay Safodrano: Nahitana fatina biby toy ny mamota sy tokantandroka tany amin’ny faritra maro, anisan’izany ireo hantsana any Siberia. Ny sasany aza mbola voatahiry tao anaty ranomandry tany Siberia sy Alaska. (SARY, Boky 1, p. 328) Mbola nisy sakafo tsy levona tao am-bavoniny, na sakafo mbola tsy voatsako tao am-bavany, ka hita amin’izany fa maty tampoka izy ireny. Mety ho taolana mamota an’aliny no hita, raha tombanana amin’ny habetsahan’ny vangy ivoara namidy. Nisy fôsilina liona, tigra, orsa ary karazana serfa lehibe koa hita tany ambanin’ny tany, tao anaty sosona iray ihany. Mety hidika izany fa niara-maty izy rehetra. Misy milaza fa izany no porofo hita maso sy tsy azo lavina fa niova haingana ny toetany, ary nisy fandripahana tampoka vokatry ny safodrano iray naneran-tany. Misy kosa milaza fa tsy loza naneran-tany no nahafaty an’ireny biby ireny. Tsy ireny fôsily na biby tao anaty ranomandry ireny anefa no tena manaporofo fa nisy ny Safodrano.

Angano momba ny Safodrano. Sarotra ny hanadino loza lehibe toy ny Safodrano, izay nandripaka tontolo iray manontolo. Tsy maintsy ho nitantara izany tamin’ny zanany sy ny zafikeliny ireo tsy maty tamin’ilay izy. Mbola velona 500 taona taorian’ilay Safodrano, ohatra, i Sema ka afaka nitantara izany tamin’ny taranany. Folo taona monja talohan’ny nahaterahan’i Jakoba izy no maty. I Mosesy kosa nanoratra ny tantaran’ny Safodrano, ao amin’ny Genesisy. Nilaza koa izy fa nanao ny Tilikambon’i Babela ny olona, taorian’ny Safodrano, mba hanoherana an’i Jehovah. Nataon’i Jehovah nisafotofoto àry ny fitenin’izy ireo, ary naparitany izy ireo ka “niely nanerana ny tany.” (Ge 11:9) Azo inoana fa samy nitantara momba ilay Safodrano tamin’ny taranany izy ireo. Tena be dia be ny tantara momba izany, sady hita ao amin’ny lovantsofin’ny foko tany aloha be tany sy maneran-tany. Izany no porofo tsy azo lavina fa iray fiaviana izy ireo, ary samy tsy maty tamin’ilay Safodrano ny razambeny.—TABILAO, Boky 1, p. 328.

Zavatra maro no itovizan’ireny tantara ireny: 1) Nisy toerana niarovana an’ireo olom-bitsy tafavoaka velona, 2) naringana tamin’ny rano ny zavamiaina eran-tany, ary 3) ireo olona tafavoaka velona ireo no niavian’ny olombelona. Manana tantara momba ny Safodrano ny Ejipsianina, ny Grika, ny Sinoa, ny mpisorona fahiny tany Grande-Bretagne, ny Polinezianina, ny mponina any an-tendron-tany avaratra, ny Afrikanina, ny Hindoa ary ny Indianina any Amerika. Hoy Ny Rakipahalalana Ara-baiboly Iraisam-pirenena (Boky Faha-2, p. 319): “Saika ny firenena sy foko rehetra no manana tantara momba ny Safodrano. Any Azia sy ireo nosy eo atsimony ary ireo tany any Amerika Avaratra no tena andrenesana azy ireny, nefa re any amin’ny kontinanta hafa rehetra koa izy ireny. Tantara 270 eo ho eo no fantatra ... Miely eran-tany ireny tantara ireny, ka izany no porofo fa naringana tamin’ny safodrano ny olona rehetra, ary avy teo amin’ny toerana iray sy avy tamin’ny fianakaviana iray mihitsy aza ny olombelona. Miresaka momba ny safodrano iray ihany ny ankamaroan’ny lovantsofina, na dia misy ihany aza maningana. Misy olona milaza fa ny misionera no nampita ny ankamaroan’ny tantara momba ny safodrano. Tsy marina anefa izany, satria mpikaroka tsy te hiaro ny Baiboly no nanangona ny ankamaroan’izy ireny. Miampy fanazavana avy tamin’ny mpanompo sampy koa ireny tantara ireny, satria azo inoana fa nampitampitaina tamin’ny taranaka maro mpanompo sampy. Olona tena manohitra ny lovantsofina hebreo sy kristianina koa no nanoratra ny sasany tamin’ireny tantara ireny.”—Nataon’i G. Bromiley, 1982.

Nisy olona fahiny (tany Aostralia, Ejipta, Fidji, Peroa, Meksika, ireo nosy anisan’ny Polinezia Frantsay, ary toeran-kafa) nankalaza ‘Fetin’ny Razana’ na ‘Fetin’ny Maty’ isaky ny Novambra. Mety ho mbola avy tamin’ny lovantsofina momba ny Safodrano izany. Mbola nisy nahatsiaro àry ireo olona naringana tamin’ilay Safodrano. Milaza ny boky Fiainana sy Asa Tany Amin’ilay Piramida Lehibe fa natao isaky ny 17 Novambra io fety io tany Meksika, satria “tamin’io fotoana io no nandringanana an’izao tontolo izao, araka ny lovantsofin’izy ireo. Natahotra izy ireo sao mbola hisy loza toy izany handripaka ny olombelona, rehefa mitsingerina ilay daty.” (Nataon’i C. Piazzi Smyth, Édimbourg, 1867, Boky II, p. 390, 391) Hoy koa ny boky Ny Fivavahana Amin’ny Maty: “Mankalaza an’ilay [fetin’ny maty] izy rehetra ireo amin’ilay daty na akaikikaikin’ilay daty nolazain’i Mosesy fa nitrangan’ny Safodrano, dia ny fito ambin’ny folon’ny volana faharoa, izay mifanitsy amin’ny Novambra eo ho eo.” (Nataon’i J. Garnier, Londres, 1904, p. 4) Mahavariana fa milaza ny Baiboly hoe nanomboka “tamin’ny andro fahafito ambin’ny folon’ny volana faharoa” ilay Safodrano. (Ge 7:11) Mifanitsy amin’ny tapaky ny Oktobra sy ny tapaky ny Novambra io “volana faharoa” io, amin’ny kalandrientsika.

Porofo ara-baiboly fa tena nisy ny Safodrano. Mavesa-danja kokoa noho ny lovantsofin’ireo firenena mpanompo sampy fahiny ny porofo omen’ireo olona notarihin’ny fanahy masina hanoratra ny Baiboly. Resahin’ny tononkiran’i Davida, ohatra, fa mipetraka “eo ambonin’ny safodrano” i Jehovah. (Sl 29:10) Eo ihany no ampiasana an’ilay teny hebreo hoe (mabbol: safodrano), ankoatra ny ao amin’ny Genesisy. Misy mpanoratra hafa koa anefa manamarina ilay tantara ao amin’ny Genesisy, anisan’izany i Isaia. (Is 54:9) Noporofoin’i Ezekiela koa fa tena nisy i Noa. (Ezk 14:14, 18, 20) Niresaka imbetsaka momba ny Safodrano i Petera. (1Pe 3:20; 2Pe 2:5; 3:5, 6) Nilaza koa i Paoly fa tena nanam-pinoana i Noa matoa nanao an’ilay sambofiara hamonjena ny ankohonany. (He 11:7) Ary i Lioka kosa nitanisa an’i Noa ho anisan’ny razamben’ny Mesia.—Lk 3:36.

Mbola mavesa-danja kokoa noho izany ny tenin’i Jesosy nosoratan’i Lioka sy Matio, momba ny fiainana talohan’ny Safodrano. Manamarina ny tantara momba ny Safodrano ny teniny, nefa koa mampiseho hoe misy heviny an’ohatra sy ara-paminaniana ireny zava-nitranga taloha ireny. Nanontanian’ny mpianany izy hoe: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” Hoy izy: “Fa toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona. Fa tamin’izany andro izany, fony mbola tsy tonga ny safodrano, dia nihinana sy nisotro, nampaka-bady sy navoaka hampakarina ny olona, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Noa tao amin’ny sambofiara. Ary tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra. Dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.” (Mt 24:3, 37-39; Lk 17:26, 27) Marina àry ny tantara momba ny Safodrano. Tsy lovantsofina, na anganon’ny firenena fahiny na zavatra hitan’ny mpikaroka no manamarina izany, fa porofo be dia be ao amin’ny Soratra Masina.