Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Safodrano Tamin’ny Andron’i Noa

Safodrano Tamin’ny Andron’i Noa

TANTARAIN’NY Baiboly fa nisokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra ka safotry ny rano ny tany, 4 370 taona mahery lasa izay. Ringana ny olona ratsy fanahy sy nahery setra ary ireo tsy niraharaha ny fampitandreman’Andriamanitra. Ry Noa valo mianaka sy ny vitsivitsy tamin’ny karazam-biby rehetra ihany sisa no tsy maty, satria tao anatin’ny vata goavam-be nampanaovin’Andriamanitra an’i Noa.​—Ge 7:1-24.

Tena nisy ny Safodrano, araka ny tenin’ny olona maromaro nanoratra Baiboly (Is 54:9; 2Pe 3:5, 6; He 11:7), indrindra fa ny tenin’i Jesosy Kristy, izay nahita an’ilay Safodrano tamin’izy tany an-danitra. (Ampit. Jn 8:58.) Hoy izy: ‘Tamin’ny andron’i Noa, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.’​—Lk 17:26, 27.

Tsy hoe tantara efa nivalona ny Safodrano. Niresaka momba ny “andron’i Noa” i Jesosy Kristy, ao amin’ny faminaniany momba “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Nampitandrina izy fa hisy fandringanana lehibe noho ny Safodrano, mandritra “ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”​—Mt 24:3, 37-39.

Antonona tao anaty sambofiara ve ny biby rehetra? Misy 1 000 000 mahery ny karazam-biby, hoy ny rakipaha-lalana. Isaky ny “karazany” tamin’ny biby an-tanety sy voro-manidina ihany anefa no nasaina nalain’i Noa. Ampy mba hampisy an’ireo biby samy hafa fantatra ankehitriny raha ‘karazana’ biby mampinono 43 monja, ‘karazana’ vorona 74, ary ‘karazana’ biby mandady 10, hoy ny mpikaroka sasany. Nahazaka be ilay sambofiara satria tokony ho 40 000 m3 ny hadiriny

Nankaiza ny ranon’ny Safodrano? Eto an-tany ihany. Rakotry ny rano 1400 tapitrisa km3 eo ho eo ny 70 isan-jato maherin’ny tany. Raha atao ny salanisa, dia 4 km ny halalin’ny ranomasina, nefa 0,8 km monja ny haavon’ny tany ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Ho rakotra rano ny tany manontolo raha atao mitovy tantana, ka hisy 2400 m ny halalin’ilay rano

Angano Momba ny Safodrano. An-jatony ireo fantatry ny olona, fa ireto misy avy amin’ny kontinanta enina sy ireo nosy:

Mamota tavela an’arivony taona tao anaty ranomandry, ary hita tany Siberia tamin’ny 1901. Mbola nisy ahitra tao am-bavany. Io sy ny biby an-dranomasina lasa fôsily hita teny amin’ny tendrombohitra avo, hono, no porofo mampiaiky fa nisy safodrano tonga tampoka eran-tany