Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Saha

Saha

Intelo monja no hita ao amin’ny Soratra Hebreo ilay teny hoe pardes, ary misy mihevitra fa avy amin’ilay teny persianina hoe pairidaeza izy io. (Jereo anefa ny hoe PARADISA.) Milaza ny Rakipahalalana navoakan’i M’Clintock sy Strong (1894, Boky Faha-7, p. 652) fa nampiasa an’io teny persianina io i Xénophon ary izao no dikan’izy io: “Tany malalaka be voahodidina fefy na tamboho mafy be. Be dia be hazo maniry, kirihitra, zavamaniry, ary voly ao. Misy biby voafantina koa ao, ary havela hikarenjy izay tsy masiaka.” Ilay teny grika hoe paradeisôs no nampiasain’ireo nandika ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, rehefa ny zaridainan’i Edena no resahina.

Nahavita asa lehibe maro i Solomona. “Nanao zaridaina sy saha [“saham-boankazo”, BFC; heb.: fardesim]”, ohatra, izy ary namboly hazo fihinam-boa isan-karazany tao. (Mpto 2:5) Nampiasa an’ilay teny hoe “saha” koa i Solomona ao amin’ilay “tononkira tsara indrindra” nataony. Nolazainy ao ny tenin’ilay mpiandry ondry, izay nampitaha ny hoditr’ilay tovovavy solemita malalany tamin’ny “saha mahafinaritra anirian’ny ampongabendanitra” sady “misy voankazo faran’izay tsara.” (To 1:1; 4:12, 13) Notendren’ny mpanjaka persianina ho ‘mpiambina ny alany’ i Asafa, taorian’ny sesitany. (Ne 2:7, 8) Ny teny hebreo izay nadika hoe “saha” no nampiasain’i Nehemia, nefa misy Baiboly milaza azy io hoe ala, satria nisy hazo maro naniry tao. Tsy maintsy nangataka alalana tamin’i Asafa izay te hanapaka hazo tao mba hanorenana indray an’i Jerosalema.​—Jereo ALA; ZARIDAINA.

Teny hebreo hafa nadika matetika hoe saha koa ny sadeh, izay azo ilazana toerana fihazana, tanimbilona, toeram-pambolena, faritra misy ala tsy misy voly, tampon-tendrombohitra, na faritra misy mponina toy ny hoe “sahan’i Moaba.” Ampifanoherina amin’ny hoe “tanàna” koa izy io. (Ge 27:5; 31:4; 37:5-7; Mpts 9:32, 36; 1Sa 14:25; No 21:20; De 28:3) Ny teny grika hoe agrôs kosa no ilazana ny ‘saha’ novolena (Mt 13:31), sy ny ‘ambanivohitra’ (Mr 5:14 [agrôs, mr.]; 16:12) izay mifanohitra amin’ny tanàn-dehibe.

“Saha” koa no iantsoana ny zaran-tany maromaro an’olona samy hafa, toy ny resahin’ny tantaran’i Rota. Nankany “an-tsaha” i Rota, indray andro, ka sendrasendra no “nahatongavany teo amin’ny zaran-tanin’i Boaza.” Ampahany tamin’ilay saha ihany àry no an’i Boaza. (Rt 2:2, 3) Toa tsy nifefy ny saha, tsy toy ny tanimboaloboka sy zaridaina. (No 22:24; To 4:12) Mora nahemotra ny fetra namaritra ny tanin’olona iray, matoa noraran’ny Lalàna ny fanaovana izany. (De 19:14) Mbola anisan’ny sahan’ny faritra iray ny tanàna kely tsy nisy manda tao amin’io faritra io.​—Le 25:31.

Mora nitatra tany amin’ny saha hafa ny afo tao amin’ny saha iray. Tsy maintsy nambenana koa ny biby fiompy, sao nankany amin’ny sahan’olona. (Ek 22:5, 6) Natao sisim-boly ny vary spelta, hoy ny Isaia 28:25. Tsy dia tsara io vary io, ka mety ho natao fefy mba hiarovana an’ireo voly lafo vidy kokoa, toy ny varimbazaha sy vary orza. Tsy afa-nitsofoka tao amin’ilay saha ny omby amin’izay.

Azo inoana fa nisy lalankely namakivaky an’ireo saha. Mety ho nanasaraka ny zaran-tanin’ny olona samy hafa koa izy ireny. Sarotra inoana mantsy ny hoe nanitsakitsaka ny volin’olona i Jesosy sy ny mpianany, rehefa namakivaky voly varimbazaha. Tsy maintsy ho nokianin’ny Fariseo izy ireo, raha nanao izany. (Lk 6:1-5) Mety ho ireny lalankely ireny no noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharany momba ny mpamafy, rehefa nilaza izy fa nisy voa latsaka teny amoron-dalana.​—Mt 13:4.