Sahona
[Heb.: tsefardeaʽ; gr.: batrakôs].
Biby mivelona anaty rano sy an-tanety, tsy misy rambo, malamalama hoditra, ary manana tongotra aoriana lava sy matanjaka hitsambikinana. Ny fitantarana ny loza faharoa namelezan’i Jehovah an’i Ejipta ihany no miresaka sahona, ao amin’ny Soratra Hebreo. (Ek 8:1-14; Sl 78:45; 105:30) Didim-pitsarana nampiharina tamin’ireo andriamanitr’i Ejipta io loza io sy ny loza hafa. (Ek 12:12) Masina tamin’i Héket andriamanibavy mantsy ny sahona, ary lohana sahona ny lohany, amin’ny sary.
Oharina amin’ny sahona ny ‘fanambarana maloto avy amin’ny fanahy.’ (Ap 16:13) Biby maloto tsy azo nohanina mantsy ny sahona, hoy ny Lalàn’i Mosesy.—Le 11:12.