Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Saina

Saina

Ny saina no ahafahan’ny atidoha manangona fahalalana sy mamakafaka ary manatsoaka hevitra. Samy nadika hoe “saina” ny teny grika maromaro misy ifandraisany amin’ny asan’ny saina, toy ny fahaiza-misaina, fahiratan-tsaina, fahaiza-mahataka-javatra, fahakingan-tsaina, fahaiza-mamakafaka, eritreritra, fikasana, fahatsiarovana, toe-tsaina, hevitra, fomba fisaina, ary herin-tsaina. Ireo teny ireo no ampiasain’ny Baiboly maromaro, fa ny teny hoe “saina” kosa indraindray no ao amin’ny Baiboly hafa. Mety ho azo adika hoe “manao an-tsaina” ny teny hebreo midika hoe “mitadidy” sy “mahatsiaro” ary “mihevitra”, ao amin’ny Soratra Hebreo, arakaraka ny teny manodidina. “Saina” no nandikan’ny Baiboly sasany ny teny hebreo midika ara-bakiteny sy araka ny tokony ho izy hoe ‘fo’ sy ‘tena’, ao amin’ny Soratra Hebreo.​—Ampit. De 4:39; 11:18; jereo FO.

‘Hohavaozina eo amin’ny hery mibaiko ny saina.’ Mora mieritreritra zava-dratsy ny sain’ny olombelona tsy lavorary. ‘Fisainana araka ny nofo’ no ilazan’ny Baiboly izany. (Kl 2:18) Nampahatsiahivina ny Kristianina fa fahavalon’Andriamanitra izy ireo taloha, satria nifantoka tamin’ny asa ratsy ny sain’izy ireo.​—Kl 1:21.

Mora mieritreritra zavatra ara-nofo ny sain’ny olona “araka ny nofo”, fa tsy mba toy ny sain’ny olona “araka ny fanahy.” Ny toetra nolovan’ilay olona sy ny zavatra nianarany sy niainany no mamolavola ny hery mibaiko ny sainy. Mibaiko ny sainy ho amin’ny hevitra araka ny nofo io hery io, isaky ny misy zava-mitranga. Nodidiana àry ny Kristianina ‘mba hohavaozina hatrany eo amin’ny hery mibaiko ny sainy.’ (Ef 4:23) Hanova an’io hery io ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny asan’ny fanahy masina. Ho mora amin’ilay olona amin’izay ny hanana toe-tsaina tsara. Hitarika ny sainy ho amin’ny hevitra araka ny fanahy àry io hery io, isaky ny misy zava-mitranga. (1Ko 2:13-15) Manjary manana ny “sain’i Kristy” ilay olona. Nitarika an’i Kristy ho amin’ny tsara foana mantsy ny hery nibaiko ny sainy, satria araka ny fanahy foana ny toe-tsainy.​—1Ko 2:16; Ro 15:5.

Tsy fahalalana na fahakingan-tsaina fotsiny no ilaina mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra. Tsy ireo fotsiny koa no hanova ny toe-tsain’ny olona mba hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. (Ro 12:2) Hoy mantsy i Jehovah: “Hofoanako ny fahendren’ny olon-kendry, ary hailiko ny fahiratan-tsain’ny mahira-tsaina.” (1Ko 1:19) Ny fanahin’Andriamanitra kosa no manampy hahazoana ny tena fahiratan-tsaina, (Oh 4:5-7; 1Ko 2:11) sy fahendrena, ary fahaiza-misaina.​—Ef 1:8, 9.

Ny ‘lalàn’ny saina.’ Nilaza ny apostoly Paoly fa ny lalàn’ny saina no mibaiko ny saina efa nohavaozina. Izany lalàna izany no mampirisika ny saina hanaraka ny “lalàn’Andriamanitra”, hany ka mahafinaritra ny saina ny lalàn’Andriamanitra. Miasa ao amin’ny olona tsy lavorary kosa ny “lalàn’ny ota”, ary miady amin’ny ‘lalàn’ny sainy’ izy io. Misy ady tsy an-kijanona àry ao anatin’ny Kristianina. Handresy izy rehefa ampian’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa Andriamanitra ka mamela ny heloky ny olona tsy lavorary izy, noho ny sorom-panavotan’i Kristy. Manome ny fanahy masina koa izy mba hanampy azy ireo. Hafa mihitsy ny Kristianina raha oharina amin’ny tsy Kristianina, araka izao tenin’i Paoly izao: “Mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra àry aho raha ny amin’ny saiko, fa mpanompon’ny lalàn’ny ota kosa raha ny amin’ny nofoko.”​—Ro 7:21-25; Ga 5:16, 17.

Inona no manampy ny saina handresy? Manazava izany toy izao ilay apostoly: “Fa ny olona araka ny nofo dia mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny nofo, fa ny olona araka ny fanahy kosa mampifantoka ny sainy amin’ny zavatry ny fanahy. Fa ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo dia midika ho fahafatesana, ary ny fampifantohana ny saina amin’ny fanahy kosa midika ho fiainana sy fiadanana, satria fandrafiana an’Andriamanitra ny fampifantohana ny saina amin’ny nofo. Sady tsy eo ambany lalàn’Andriamanitra mantsy ny nofo [tsy lavorary], no tsy mety ho toy izany. ... Koa raha mitoetra ao anatinareo ny fanahin’ilay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty, dia hamelona ny vatanareo mety maty ilay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty, ary amin’ny alalan’ny fanahiny izay mitoetra ao anatinareo no hanaovany izany.”​—Ro 8:5-11.

“Izay lazain’ny fanahy.” Manazava i Paoly fa rehefa mivavaka ny mpanompon’Andriamanitra, dia mety tsy ho fantany tsara foana izay tokony hangatahiny. (Ro 8:26, 27) Fantatr’Andriamanitra anefa fa tian’izy ireo ho tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Fantany koa izay ilain’izy ireo. Misy vavaka maro àry nasainy nosoratana ao amin’ny Teniny. Notarihin’ny fanahy masina ny olona nanonona an’ireny vavaka ireny. Maneho ny sitrapon’Andriamanitra na izay ao an-tsainy na eritreretiny ho an’ny mpanompony izy ireny. Ekeny ho toy ny hoe vavaka tian’ny vahoakany hangatahina àry izy ireny, ka tanterahiny. Fantatr’Andriamanitra ny mpanompony tso-po, ary fantany koa ny dikan’ny teny nasainy nosoratan’ireo mpanoratra ny Baiboly izay notarihin’ny fanahy masina. Fantany “izay lazain’ny [ao an-tsain’ny, ao an’eritreritry ny] fanahy” rehefa “miangavy” ho azy ireo ny fanahy, na misolo tena azy ireo.

Tia amin’ny saina. Nilaza mialoha Andriamanitra fa hanao fifanekena vaovao, ka hosoratan’ny fanahy masina ao an-tsaina sy ao am-pon’ny olony ny lalàny. (He 8:10; 10:16) Amin’izay dia ho vitan’izy ireo ny hanatanteraka an’ireo didy roa fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany, dia ny ho ‘tia an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny fo manontolo sy ny tena manontolo ary ny saina manontolo’, ary ny ho ‘tia ny namana tahaka ny tena.’ (Mt 22:37-40; Lk 10:27, 28) Tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony manontolo (ny faniriany, ny fihetseham-pony, ary ny toetrany) ny olona, sy amin’ny tenany manontolo (ny fiainany sy ny maha izy azy), ary amin’ny sainy manontolo (izay zavatra mety ho vitan’ny sainy). Tsy hoe tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fony sy amin’ny heriny fotsiny àry ny mpanompony, fa tokony hiezaka mafy koa hampiasa ny sainy mba hahazoana fahalalana an’Andriamanitra sy Kristy (Jn 17:3), mba hahatakarana fanazavana (Mr 12:33; Ef 3:18), mba hanompoana an’Andriamanitra sy hanaovana ny sitrapony, ary mba hitoriana ny vaovao tsara. Nampirisihina toy izao izy ireo: “Ataovy foana izay hifantohan’ny sainareo amin’ny zavatra any ambony” (Kl 3:2), “hatanjaho hiatrika asa ny sainareo, ary aoka ianareo hisaina tsara foana.” (1Pe 1:13) Tsapan’ny apostoly Petera fa nilaina ny ‘hanairana ny fahaizan’izy ireo misaina tsara’, mba ho tadidin’izy ireo izay efa nianarany. (2Pe 3:1, 2) Tokony hataon’izy ireo “an-tsaina foana ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah!”​—2Pe 3:11, 12.

Nanana fahaizana mahagaga ny Kristianina voalohany, rehefa nahazo ny fanahy masina. Niresaka momba izany i Paoly, ka nasongadiny fa nilaina ny nampiasa ny saina. Nilaza izy fa tsy nahazo ny hevitr’izay nolazainy ny sainy, raha nivavaka tamin’ny fiteny tsy hainy adika izy. Raha nihira fiderana tamin’ny fiteny tsy hainy adika koa izy, dia tsy nandray soa ny mpihaino izay tsy nahazo an’ilay fiteny. Naleony àry nilaza teny dimy azon’ny sainy mba hampianarana ny hafa, toy izay hilaza teny iray alina amin’ny fiteny tsy azon’ny sainy. Nampirisihiny ireo rahalahy, avy eo, mba hiezaka ho olon-dehibe eo amin’ny fahaiza-misaina.​—1Ko 14:13-20.

Nasaina niezaka ny mpanompon’i Jehovah mba ‘ho tafaray tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.’ (1Ko 1:10; Fi 2:2; 1Pe 3:8) Midika izany fa tokony ho tafaray izy ireo rehefa mampandroso ny fivavahana marina, satria izany no tena zava-dehibe. Tsy voatery hitovy zavatra tiana anefa izy ireo na hoe hiray saina amin-javatra madinika. Ho voalamina ihany mantsy ireny tsy fifanarahana amin-javatra madinika ireny rehefa mihamatotra izy ireo. (Ro 14:2-6, 17) Tokony “hiray saina ao amin’ny Tompo” kosa izy ireo (Fi 4:2), ary tsy hiady fa “hifanara-tsaina.”​—2Ko 13:11.

Tokony hiezaka mafy ny Kristianina mba hahalala an’i Jehovah bebe kokoa ka hahafantatra ny fomba fisainany, rehefa aharihariny amin’izy ireo izany. (Ro 11:33, 34; 16:25, 26) Tokony hanana toe-tsaina tia mankatò sy manetry tena toa an’i Jesosy Kristy izy ireo, mba hananany ny “sain’i Kristy.” (1Ko 2:15, 16) Hoy i Petera: “Satria nijaly tao amin’ny nofo i Kristy, dia ataovy koa izay hanananareo toe-tsaina toy izany.”​—1Pe 4:1.

Donto saina na maloto saina. Tsy tena tia an’i Jehovah ny Israelita, teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ka lasa donto ny fisainany. Toy izany koa ireo Jiosy mbola nankatò foana an’ilay Lalàna efa nofoanan’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy. (2Ko 3:13, 14) Tsy neken’izy ireo hoe i Jesosy ilay voalazan’ny Lalàna. (Kl 2:17) Nisy indray olona tsy naniry hahalala marina tsara an’Andriamanitra, fa naleony nanompo zavaboary. “Navelan’Andriamanitra hanana toe-tsaina tsy ankasitrahany” izy ireny. Maizin-tsaina izy ireny, ka nandeha araka ny fahafoanan’ny sainy ary nanao zavatra tsy mendrika. (Ro 1:28; Ef 4:17, 18) Efa nisy olona naloto saina sy nanohitra ny fahamarinana, na dia tamin’ny andron’i Mosesy aza. Niady tamin’ny Fivavahana Kristianina koa ny karazan’olona toy izany, tatỳ aoriana. Nisy aza nilaza ny tenany ho Kristianina nefa nitady hampisara-bazana sy hanakorontana fiangonana. (2Ti 3:8; Fi 3:18, 19; 1Ti 6:4, 5) Voaloto ny sainy sy ny feon’ny fieritreretany, ka aminy dia tsy misy madio ny zava-drehetra. Manao resaka tsy misy fotony izy ireny, mba hamitahana ny sain’ny tena Kristianina ka mitady hanery azy hanaraka hevitr’olombelona. (Tit 1:10-16) Tokony hisaina tsara àry ny Kristianina rehetra, indrindra fa ireo mpiandraikitra.​—Ro 12:3; 1Ti 3:2; Tit 2:6; 1Pe 4:7.

Manajamba ny sain’ny tsy mino ny Devoly, “andriamanitr’ity tontolo ity”, mba tsy hamirapiratra amin’izy ireo ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra momba an’i Kristy. (2Ko 4:4) Mety mbola hitaona Kristianina amin-kafetsena ihany io fahavalo lehibe io, ka hanimba ny sain’izy ireo hiala “amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana mendrika an’i Kristy.” (2Ko 11:3) Tena mila miray saina sy mahay mandanjalanja àry ny Kristianina, ka mivavaka foana mba hahatonga ny fiadanan’Andriamanitra hiambina ny fony sy ny sainy, amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” mantsy io fiadanana io.​—Fi 4:2, 5-7.

Fanasitranana sy fanokafana ny saina. Nositranin’i Jesosy ny lehilahy iray nisy demonia, ka lasa salama saina. Hita amin’izany fa vitany ny manasitrana na dia olona nataon’ny demonia lasa adala aza.​—Mr 5:15; Lk 8:35.

Afaka manokatra ny sain’izay mino koa i Jesosy mba hahazoan’izy ireo ny hevitry ny Soratra Masina. (Lk 24:45) Mampahery an’ireo saro-kenatra na ireo mihevi-tena ho bado ny tenin’ny apostoly Jaona hoe: “Fantatsika anefa fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ary nanome antsika fahiratan-tsaina izy mba hahalalantsika an’ilay tena Andriamanitra.”​—1Jn 5:20.

Nohazavain’i Paoly tamin’ny fiangonan’i Korinto fa nisaina tsara izy, na dia toa “adala” aza no fahitan’izy ireo azy rehefa nirehareha momba ny maha apostoly azy izy. Tsy tokony hirehareha mantsy ny Kristianina. Nohazavainy anefa fa voatery nanao izany izy mba hampiverina azy ireo amin’Andriamanitra sy hiaro azy ireo tsy ho voataona hiala. Nitady fanampiana tany amin’ny apostoly sandoka mantsy izy ireo, ary nivily nanaraka lalan-diso.​—2Ko 5:13; 11:16-21; 12:11, 12, 19-21; 13:10.