Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sakafo, Hanina

Sakafo, Hanina

Midika koa hoe “zavatra hanina”, “mofo”, ary “hena” ny teny hebreo sy grika nadika hoe “sakafo” na “hanina.”

Hoy Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva: “Efa nomeko anareo ny zavamaniry rehetra misy voa famboly, eny, ny zavamaniry rehetra eny ambonin’ny tany manontolo sy ny hazo rehetra izay mamokatra voankazo misy voany. Aoka ho sakafonareo izany.” Hoy koa izy tamin’i Adama: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra eo amin’ny zaridaina ianao.” Tsy navelany hohanina anefa ny voan’ny hazo iray, dia ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nomeny ho “sakafon’ny” biby rehetra koa ny “zava-maitso rehetra maniry.”​—Ge 1:29, 30; 2:16, 17.

Tsy resahin’ny Baiboly hoe nihinana henam-biby ny olona talohan’ny Safodrano. Navahana tamin’ny biby tsy madio ihany ny biby madio, saingy mba hatao sorona fotsiny.​—Ge 7:2.

Hoy i Jehovah tamin’i Noa, izay nasaina nampiditra biby tao anaty sambofiara: “Makà amin’izay karazan-tsakafo rehetra fihinana, ka angony eo aminao izany ho sakafonao sy ho sakafon’ireny.” Toa zavamaniry ireo natao sakafon’ny olona sy ny biby ireo. (Ge 6:21) Navelan’i Jehovah hihinan-kena kosa ny olona taorian’ny Safodrano. Hoy izy: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona. Omeko anareo avokoa izy rehetra, toy ny nanomezako anareo ny zava-maitso. Fa izao ihany no tsy azonareo hanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.”​—Ge 9:3, 4.

Voamadinika. Foto-tsakafon’ny olona tany Palestina ny voamadinika, matoa midika ara-bakiteny hoe “mihinana mofo” ny teny hebreo sy grika adika hoe “misakafo.” (Ge 43:31, 32; Lk 14:1) Ny vary orza sy varimbazaha no tena nohanina, nefa nohanina koa ny ampemby sy vary spelta. (Mpts 7:13; Is 28:25; Ezk 4:9; Jn 6:9, 13) Natao lafarinina izy ireny mba hanaovana mofo na handrahoina. Matetika no nendasina tao anaty lapoaly ny voamadinika, na natono teo ambony afo ny salohy maromaro. (Rt 2:14; 2Sa 17:28) Nototoina ny voamadinika, fa tsy natao malemy, ary nanaovana mofo. Lafarinina tsara toto kosa no nanaovana ny mofo sasany. (Ge 18:6; Ek 29:2) Matetika no nasiana lalivay ny mofo, nefa nisy koa tsy nasiana. (Le 7:13; 1Mp 19:6) Nisy koba novelarina teo ambony vato mahamay na teo ambony afo (izay teo ambony vato fisaka) mba ho masaka. Natao teo ambony vato tao anaty lafaoro kosa ny koba sasany efa nofisahina. Indraindray koa nendasina tao anaty lapoaly na vilany ny koba, na nandrahoina tao anaty lasitra. Menaka oliva angamba no nampiasaina.​—Le 2:4, 5, 7; 1Ta 9:31; jereo MANAO MOFO, MPANAO MOFO.

Legioma sy voamaina. Nihinana tsaramaso sy lantihy ny Israelita. Ny lantihy nandrahoin’i Jakoba, ohatra, no nomeny an’i Esao ho takalon’ny zon’ny lahimatoa. (Ge 25:34) Nafangaro hena na nasiana menaka indraindray ny lantihy nandrahoina. Mety ho nototoina ny tsaramaso na ny voamadinika sy tsaramaso ary lantihy nafangaro. (Ezk 4:9) Tsy matsatso hoatran’ny any amin’ny tany tandrefana ny kôkômbra tany Palestina, ary be ranony ka nohanina rehefa tsy nisy firy ny rano na ratsy tsiro. Nohanina manta ilay izy ka nasiana sira na tsia, na indraindray nasiana sesika dia nandrahoina. Nanembona ny kôkômbra, pasteky, poarô, tongolobe, ary tongolo lay nohaniny tany Ejipta ny Israelita. (No 11:4, 5) Nisy an’ireny koa tany Palestina.

Matsatso, hoy i Joba, ny ranon’ny “fiandrilavenombazaha” (Jb 6:6), ary nihinana ahitra masira sy fakan’anjavidy ny mahantra.​—Jb 30:4.

Anana mangidy nohanina tamin’ny Paska ny saladingita sy herokeroka, hoy ny Mishnah (Pesahim 2:6).​—Ek 12:8.

Voankazo sy voanjo. Be mpitia ny oliva tany Palestina. Rehefa afaka folo taona na mihoatra ny hazo oliva nambolena vao mamoa tsara, nefa mateza ilay izy ka mamokatra be. Indraindray oliva efa nalona tao anaty ranon-tsira no nohanina, hoatran’ny ankehitriny ihany. Nahazoana menaka nandrahoana sakafo sy natao tamin’ny mofo ny oliva. Nasiana menaka oliva koa ny “hanim-pito loha.”​—Is 25:6.

Be mpitia koa ny aviavy. (De 8:8) Matetika no tonga dia nohanin’izay nahita azy ny aviavy vokatra voalohany. (Is 28:4) Nohamainina tamin’ny masoandro ny aviavy vokatra tatỳ aoriana, ary noporetina tao anaty lasitra mba hatao mofo. (1Sa 25:18; 1Ta 12:40) Nisy natao petagilasy ny mofo vita amin’ny aviavy mba hanasitranana fery. (Is 38:21) Azo hanina koa ny voan’ny aviavidia. (1Ta 27:28; Am 7:14) Nihinana antrendry, ampongabendanitra, ary paoma ny Israelita.​—To 5:11; Jl 1:12; Hg 2:19; jereo PAOMA.

Nihinana amandy sy voanjombazaha ny olona tany Palestina.​—Ge 43:11; Je 1:11.

Anisan’ny vokatra be any Palestina ny voaloboka. Nilanja sampahony iray ngezabe tamin’ny bao filanjana ny roa tamin’ireo mpitsikilo nalefa tany Kanana. (No 13:23) Nohanina tamin’izao ny voaloboka, na nohamainina (No 6:3), na noporetina natao mofo. (1Sa 25:18; 1Ta 12:40) Natao sakafo ny laingony, toy ny ankehitriny ihany, fa nomena hohanin’ny ondry sy osy kosa ny raviny efa antitra.

Voan’ny hazo iray ilay hoe “hanin-kisoa” resahin’ny Lioka 15:16. Nihinana azy io koa anefa ny olona tsy nanan-kohanina. Te hihinana tamin’izy io, ohatra, ilay zanaka adala ao amin’ny fanoharan’i Jesosy.​—Jereo HANIN-KISOA.

Zavamaniry mani-pofona sy tantely. Ny solila, aneta, komina, rota ary ravin-tsinapy no zavamaniry tena nampiasaina hampahatsiro sakafo, ankoatra ny sira. (Mt 23:23; 13:31; Lk 11:42) Natao hitehirizana sakafo tsy ho simba koa ny sira. Fifanekena maharitra tsy tokony hivadihana àry ny hoe “fifaneken-tsira.” (No 18:19, f.a.p.; 2Ta 13:5, f.a.p.) Nampiasaina koa ny poavra. (Ny Mishnah, Shabbat 6:5) Natao hampahazoto homana ny kapra.​—Mpto 12:5.

Tena tsara ny tantely, ary mampahiratra tsara ny maso. (1Sa 14:27-29; Sl 19:10; Oh 16:24) Toy ny an’ny mofo fisaka misy tantely ny tsiron’ny mana. (Ek 16:31) Tantely sy valala no sakafon’i Jaona Mpanao Batisa.​—Mt 3:4.

Hena. Navelan’Andriamanitra hataon’i Noa sakafo toy ny zavamaniry koa ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona, taorian’ny Safodrano. (Ge 9:3, 4) Ny biby madio ihany anefa no navelan’ny Lalàna hohanin’ny Israelita, dia ireo biby tanisain’ny Levitikosy toko faha-11 sy Deoteronomia toko faha-14. Tsy dia nihinan-kena ny olon-tsotra, fa rehefa nanao sorona iombonana na nisy vahiny izy ireo vao namono osy na zanak’ondry. (Le 3:6, 7, 12; 2Sa 12:4; Lk 15:29, 30) Namono omby kosa ireo nanan-katao. (Ge 18:7; Oh 15:17; Lk 15:23) Natono na nandrahoina ny henan’ny haza sasany, toy ny serfa, gazela, serfa kely, osidia, antilopa, ombidia, ary samoà. (Ge 25:28; De 12:15; 14:4, 5) Fady tanteraka anefa ny nihinana ra sy tavin-kena.​—Le 7:25-27.

Nihinana vorona koa ny Israelita, toa ireo papelika nomen’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga tany an-tany efitra. (No 11:31-33) Vorona madio ny voromailala, domohina, tsipoy, ary fody. (1Sa 26:20; Mt 10:29) Nohanina koa ny atody.​—Is 10:14; Lk 11:11, 12.

Anisan’ny bibikely azo nohanina ny valala. Io sy tantely no sakafon’i Jaona Mpanao Batisa. (Mt 3:4) Mihinana valala ny Arabo sasany ankehitriny. Atao ao anaty lafarinina ilay izy rehefa afaka ny lohany sy tongony ary elany, ary endasina amin’ny menaka na dibera.

Tao amin’i Mediterane sy ny Ranomasin’i Galilia no nakana trondro. Mpanarato ny apostolin’i Jesosy Kristy sasany. Indray mandeha i Jesosy, fara fahakeliny, no nitono trondro teo ambony afon-tsaribao ho an’ny mpianany, rehefa nitsangana tamin’ny maty. (Jn 21:9) Nohamainina koa ny trondro, ka natao vatsy teny an-dalana. Mety ho trondro maina no nomen’i Jesosy ny vahoaka, rehefa nanao fahagagana roa izy. (Mt 15:34; Mr 6:38) Vavahadin-trondro no anaran’ny iray tamin’ny vavahadin’i Jerosalema, satria mety ho nisy tsenan-trondro teo na teo akaikiny. (Ne 3:3) Nivarotra trondro tao Jerosalema ny olona avy any Tyro, tamin’ny andron’i Nehemia.​—Ne 13:16.

Sakafo vita amin’ny ronono sy zava-pisotro. Sakafo koa ny rononon’ny ombivavy, osivavy, na ondrivavy sy ny zavatra vita amin’izany. (1Sa 17:18) Notehirizina tao anaty siny hoditra ny ronono (Mpts 4:19), nefa mora nivadika. Midika koa hoe “habobo” ny teny hebreo (hemʼah) nadika hoe “dibera.” Be mpanao koa ny fromazy. Teo amin’ny sisiny andrefan’ilay tanànan’i Jerosalema voalohany ny Lohasahan’i Tyropoeona (na Mpanao Fromazy).​—Mpts 5:25; 2Sa 17:29; Jb 10:10; jereo FROMAZY.

Hanaovana divay no anisan’ny tena antony nambolena voaloboka. Nasiana zava-manitra na fangarony hafa ny divay. (Oh 9:2, 5; To 8:2; Is 5:22) Aogositra sy Septambra no fotoam-piotazana voaloboka. Nafana ny andro ka mora nivadika ho toaka ny ranom-boaloboka. Efa tena divay no nosotroin’ny fianakaviana rehefa Paska, satria notazana volana maromaro talohan’izay ny voaloboka. Tena divay mena àry ilay nosotroin’i Jesosy tamin’ny Paska taona 33, sy nasainy nisotroan’ny mpianany rehefa nisantatra ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy ireo. (Mr 14:23-25) Navadik’i Jesosy ho tena divay koa ny rano tamin’ny fampakaram-bady iray. (Jn 2:9, 10) Natao fanafody koa ny divay. (1Ti 5:23) Avy tamin’ny divay ny vinaingitra ka nisy tsy nitampoka, fa nisy kosa nafangaro zava-manitra na ranom-boankazo. (No 6:3; Rt 2:14) Zava-pisotro koa ny labiera sy ny ranon’ampongabendanitra mangatsiatsiaka.​—To 8:2; Is 1:22; Ho 4:18.

Mana. Foto-tsakafon’ny Israelita tany an-tany efitra ny mana, izay tahaka ny voan-kotimila, ary toy ny ditin’ny hazo matambelo no fahitana azy. (No 11:7, 8) Nototoina tamin’ny vato fikosoham-bary na tao anaty laona ilay izy, ary nandrahoina na natao mofo. Toy ny mofo mamy misy menaka ny tsirony. Nantsoina hoe “mofon’ireo mahery” izy io.​—Sl 78:24, 25; jereo MANA.

Miara-misakafo. Olona nifandray tsara no niara-nihinana, fahiny. (Ge 31:54; 2Sa 9:7, 10, 11, 13; jereo FISAKAFOANA.) Tezitra na nihatakataka kosa izay tsy nety niara-nisakafo tamin’ny hafa. (1Sa 20:34; As 11:2, 3; Ga 2:11, 12) Matetika no natao fanomezana ny sakafo, mba hahazoana sitraka amin’ny olona iray. Raha noraisiny mantsy ilay izy, dia noheverina fa tokony hihavana foana amin’ilay nanome izy.​—Ge 33:8-16; 1Sa 9:6-8; 25:18, 19; 1Mp 14:1-3.

Fiheveran’ny Kristianina. Tsy takina amin’ny Kristianina ny hanarahany ny lalàna momba ny sakafo madio sy maloto. Ny ra sy ny biby nokendaina ka tsy nalatsa-dra tsara ihany no tsy azony hanina. (As 15:19, 20, 28, 29) Tsy tokony hiady hevitra momba izay sakafo tokony hohanina na tsia àry ny Kristianina, na hanery ny hafa hanaraka ny fomba fiheviny momba ny sakafo mety na tsia. Tsy tokony hihinana sakafo natolotra ho an’ny sampy anefa izy ireo, na hikiry hihinana sakafo mety hanafintohina ny hafa na dia zony aza izany. (1Ko 8; 10:23-33) Ny fikatsahana an’ilay Fanjakana no zava-dehibe noho ny sakafo sy ny fikarakarana azy io, amin’ny Kristianina.​—Ro 14:17; He 13:9.

Sakafo ara-panahy. Faly nanao ny sitrapon-dRainy i Jesosy. Toy ny sakafony izany, hoy izy. (Jn 4:32, 34) Notendreny hanome sakafo (ara-panahy) amin’ny fotoana mety ho an’ny mpianany ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” (Mt 24:44-47; jereo MPANOMPO MENDRI-PITOKISANA SY MALINA.) Sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay, fa tsy sakafo ara-nofo, no nasain’i Jesosy notadiavin’ny mpianany, araka ny tenin’i Mosesy tamin’ny Israelita hoe: “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’ny vavan’i Jehovah koa.” (De 8:3; Jn 6:26, 27; ampit. Ha 3:17, 18.) Tsy tokony hanahy momba izay hohanina sy hosotroina izy ireo satria “sarobidy noho ny sakafo ny aina.”​—Mt 6:25; Lk 12:22, 23.

“Ronono” ny fampianarana fototra arahin’ny Kristianina, fa “ventin-kanina” kosa ny fahalalana lalina kokoa, hoy ny apostoly Paoly. (He 5:12-14; 6:1, 2; 1Ko 3:1-3) Manatanjaka finoana, hoy i Petera, ny “ronono tsy misy fangarony, dia ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra.” (1Pe 2:2) Nilaza i Jesosy fa ny tenany no “mofon’aina”, izay tsara lavitra noho ilay mana tany an-tany efitra. Tsy ho noana intsony izay mihinana amin’io mofo io. (Jn 6:32-35) Tafintohina ny mpianany sasany tsy ampy finoana, rehefa nilaza izy fa ny nofony no tena sakafo ary ny rany no tena fisotro (tokony ‘hohanin’izy ireo sy hosotroiny’ raha mino ny sorom-panavotany izy ireo) mba hahazoana fiainana mandrakizay.​—Jn 6:54-60.

Mampanantena i Jehovah fa hanome sakafo ara-panahy sy ara-nofo be dia be ho an’ny vahoakany eran-tany izy, ka tsy hisy mosary intsony.​—Sl 72:16; 85:12; Is 25:6; jereo FANDRAHOAN-TSAKAFO, FITAOVANA; MOSARY; sy ireo lahatsoratra manazava ny sakafo tsirairay.