Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sakafo Harivan’ny Tompo

Sakafo Harivan’ny Tompo

Sakafo fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy Tompo. Mety koa raha antsoina hoe Fahatsiarovana izy io, satria io ihany no fotoan-dehibe tokony hotsarovan’ny Kristianina. Misy miantso azy io hoe “Fanasan’ny Tompo.”​—1Ko 11:20, Prot.

I Matio sy Jaona, izay samy apostoly, no nitantara ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany. Nanatrika teo mantsy izy ireo, sady nandray anjara. Tsy teo kosa i Marka sy Lioka, nefa nitantara tsipiriany hafa. Nilaza tsipiriany hafa koa i Paoly, rehefa nanome toromarika ho an’ny fiangonan’i Korinto. Niaraka tamin’ny mpianany tao amin’ny efitra malalaka iray ambony rihana i Jesosy mba hankalaza ny Paska, ny takariva talohan’ny nahafatesany. (Mr 14:14-16) Hoy i Matio: “Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesosy. Rehefa avy nivavaka izy, dia notapahiny ilay mofo ka nomeny ny mpianatra, sady hoy izy: ‘Raiso ity, ka hano. Ity no vatako.’ Nandray kaopy koa izy, ka rehefa avy nisaotra an’Andriamanitra, dia nomeny azy ireo ilay kaopy, sady hoy izy: ‘Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Lazaiko aminareo anefa fa tsy hisotro intsony amin’itony vokatry ny voaloboka itony aho, mandra-pahatongan’ny andro hisotroako divay vaovao miaraka aminareo, ao amin’ny fanjakan’ny Raiko.’ Tamin’ny farany, dia nivoaka nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, rehefa avy nanao hira fiderana.”​—Mt 26:17-30; Mr 14:17-26; Lk 22:7-39; Jn 13:1-38; 1Ko 10:16-22; 11:20-34.

Fotoana nisantarana an’ilay izy. Ny 14 Nisana (Abiba) foana no nankalazana ny Paska. Tokotokony ho fenomanana tamin’izay. Tsinam-bolana mantsy ny andro voalohan’ny volana rehetra tamin’ny kalandrie jiosy. Fenomanana foana àry ny andro faha-14-n’ny volana. Hazavain’ilay lahatsoratra hoe JESOSY KRISTY (Daty nahafatesany), fa tamin’ny 14 Nisana taona 33 i Jesosy no maty. Nisy fanakonam-bolana ny zoma 3 Aprily taona 33 (kalandrie jolianina), izay mifanitsy amin’ny zoma 1 Aprily amin’ny kalandrie gregorianina, araka ny kajy nataon’ny manam-pahaizana. Io no daty nahafatesan’i Jesosy araka ny kalandrie gregorianina. (Ireo Fanakona-masoandro sy Volana, nataon’i Oppolzer ary nadikan’i O. Gingerich, 1962, p. 344) Rehefa fenomanana foana anefa vao misy fanakonam-bolana. Porofoin’izany àry fa ny alakamisy 31 Martsa-zoma 1 Aprily taona 33 amin’ny kalandrie gregorianina ny 14 Nisana taona 33.

Ny takariva talohan’ny nahafatesany i Jesosy no nankalaza Paska farany. Nisantatra ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy avy eo. Nasainy nivoaka i Jodasy mpamadika, talohan’ny nanombohana ilay Fahatsiarovana. “Efa alina ny andro tamin’izay.” (Jn 13:30) Nanomboka ny takariva ka hatramin’ny ampitso takariva ny andro jiosy. Ny 14 Nisana na ny takarivan’ny alakamisy 31 Martsa àry no nanaovana ilay Sakafo Harivan’ny Tompo.​—Jereo ANDRO.

Indray mandeha isan-taona. Hoy i Jesosy, araka ny fitantaran’i Lioka sy Paoly: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lk 22:19; 1Ko 11:24) Fahatsiarovana ny nahafatesany ilay Sakafo Harivan’ny Tompo, ka tokony ho indray mandeha isan-taona ihany ny mpianany no hankalaza azy io. Indray mandeha isan-taona koa mantsy no nankalazana ny Paska, dia ny 14 Nisana, ho fahatsiarovana ny nanafahan’i Jehovah ny Israely tany Ejipta tamin’ny 1513 T.K. Mety àry raha ny 14 Nisana ihany no ankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.

Hoy i Jesosy momba ilay kaopy: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro amin’izy ity ianareo.” Hoy koa izy: “Fa isaky ny mihinana izany mofo izany sy misotro amin’izany kaopy izany ianareo, dia manambara foana ny fahafatesan’ny Tompo, mandra-piaviny.” (1Ko 11:25, 26) Azo ilazana zavatra atao indray mandeha isan-taona ny hoe “isaky ny”, indrindra raha atao mandritra ny taona maro ilay izy. (He 9:25, 26) Ny 14 Nisana i Kristy no nanolotra ny vatany sy ny rany ho sorona teo amin’ny hazo fijaliana, mba hahazoantsika famelan-keloka. Io àry no daty ‘nahafatesan’ny Tompo’, ka tokony hotsarovana atỳ aoriana.

“Mbola tsy eo amin’ny Tompo” ireo mandray anjara amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ka hankalaza azy io ‘isaky ny mihinana sy misotro’ izy ireo raha mbola velona koa. Hatsangana ho any an-danitra izy ireo rehefa maty, mba hiaraka amin’i Kristy. Tsy hilain’izy ireo intsony amin’izay ny mahatsiaro ny nahafatesan’i Kristy. Nilaza i Paoly fa hatao foana ilay fankalazana ‘mandra-piavin’i Kristy’, izany hoe mandra-piveriny. Handray azy ireo any aminy any an-danitra izy rehefa avy nanangana azy ireo mandritra ny fanatrehany. Hoy mantsy izy tamin’ny apostoly 11 iny takariva iny: “Rehefa handeha aho ka hanomana toerana ho anareo, dia ho avy indray ary handray anareo any amiko, ka izay misy ahy no hisy anareo koa.”​—Jn 14:3, 4; 2Ko 5:1-3, 6-9.

Nilaza tamin’ny mpianany koa i Jesosy fa ilay divay nosotroiny (tamin’ilay Paska talohan’ny fankalazana an’ilay Fahatsiarovana) no vokatry ny voaloboka nosotroiny farany, ‘mandra-pahatongan’ny andro hisotroany divay vaovao miaraka amin’izy ireo, ao amin’ny fanjakan’ny Rainy.’ (Mt 26:29) Tsy hisotro divay ara-bakiteny anefa izy any an-danitra. Fifaliana kosa no tiany holazaina, satria izay no hevitry ny hoe divay ao amin’ny Baiboly indraindray. Nilaza, ohatra, i Davida Mpanjaka fa avy amin’i Jehovah ny “divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty.” Hoy koa i Solomona zanany: “Maharavoravo ny divay.” (Sl 104:15; Mpto 10:19) Tsy ho andrin’i Jesosy sy ny mpianany àry ny ho tafaraka any amin’ilay Fanjakana.​—Ro 8:23; 2Ko 5:2.

Ny mofo sy divay. Hoy i Marka momba ny mofo nampiasain’i Jesosy tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo: “Raha mbola nihinana izy ireo, dia nandray mofo i Jesosy ka nivavaka. Ary notapahiny ilay mofo, dia nomeny azy ireo, ka hoy izy: ‘Raiso, ity no vatako.’” (Mr 14:22) Ilay mofo nampiasain’i Jesosy sy ny mpianany tamin’ilay Paska vao avy nankalazainy izy io. Mofo tsy nisy lalivay izy io, satria tsy tokony hisy lalivay tao an-tranon’ny Jiosy nandritra ny Paska sy ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. (Ek 13:6-10) Ilazana ota ny lalivay, ao amin’ny Baiboly. Mety àry raha tsy nisy lalivay ilay mofo, satria ny vatan’i Jesosy tsy nisy ota no mifanitsy amin’izy io. (He 7:26; 9:14; 1Pe 2:22, 24) Mofo fisaka mora niparasaka ilay izy ary notapahina, araka ny fanao tamin’izany. (Lk 24:30; As 27:35) Notapahin’i Jesosy, ohatra, ilay mofo nampitomboiny tamin’ny fomba mahagaga izay nozaraina tamin’olona an’arivony. (Mt 14:19; 15:36) Toa tsy nisy heviny ara-pivavahana àry ny nanapahana ilay mofon’ny Fahatsiarovana.

Nandray kaopy i Jesosy rehefa avy nanome an’ilay mofo, “ka nisaotra an’Andriamanitra. Ary nomeny azy ireo ilay kaopy, ka nisotroan’izy rehetra. Dia hoy izy tamin’ireo: ‘Ity no rako, dia “ny ran’ny fifanekena” izay halatsaka ho an’ny maro.’” (Mr 14:23, 24) Divay efa niotrika no nampiasainy, fa tsy ranom-boaloboka. Tena divay mantsy ny divay resahin’ny Baiboly fa tsy ranom-boaloboka tsotra. (Jereo DIVAY SY TOAKA.) Divay efa niotrika fa tsy ranom-boaloboka no mety hahavaky “siny hoditra efa tonta.” Nolazain’ny fahavalony ho “mpiboboka divay” i Jesosy. Tsy ho afaka niampanga azy toy izany izy ireo, raha ranom-boaloboka fotsiny ilay “divay.” (Mt 9:17; 11:19) Tena divay no nankalazana ny Paska. Io koa no nampiasain’i Kristy tamin’izy nisantatra ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. Azo antoka fa mena ilay divay, satria ra no mifanitsy aminy.​—1Pe 1:19.

Sakafo iombonana. Afaka nanolotra sorona iombonana ny Israelita fahiny. Nentiny tao amin’ny toerana masina ilay biby, ary novonoina tao. Nisy ampahany natolotra teo amin’ny alitara mba ho “hanitra mampitony an’i Jehovah.” Nisy ampahany koa nomena ho an’ny mpisorona nanao ilay sorona sy ho an’ireo zanakalahin’i Arona, ary niara-nihinana tamin’ireo ilay mpanolotra sy ny ankohonany. (Le 3:1-16; 7:28-36) Ho ‘naringana tsy ho eo amin’ny fireneny’ izay nolazain’ny Lalàna fa ‘naloto’, nefa nihinana tamin’ny sorona iombonana.​—Le 7:20, 21.

Sakafo iombonana koa ny Sakafo Harivan’ny Tompo, satria ireto avy no mandray anjara amin’izy io: I Jehovah Andriamanitra ilay nanao ilay fandaharana, Jesosy Kristy ilay sorom-panavotana, ary ireo rahalahin’i Kristy izay mihinana ny mofo sy misotro ny divay. Mihavana amin’i Jehovah izy ireo matoa mihinana amin’ny ‘latabany.’ (1Ko 10:21) Nantsoina koa hoe “fanati-pihavanana” mantsy ny sorona iombonana.​—Le 3:1, Prot.

Eken’ireo mihinana ny mofo sy misotro ny divay fa tafaray tanteraka amin’i Kristy izy ireo. Hoy i Paoly: “Ny kaopin’ny fisaorana izay isaorantsika, tsy fandraisan-tsoa amin’ny ran’i Kristy koa ve izany? Ary ny mofo tapahintsika, tsy fandraisan-tsoa amin’ny vatan’i Kristy koa ve izany? Koa satria tsy misy afa-tsy mofo iray monja, dia vatana iray isika, na maro aza, fa samy mihinana amin’izany mofo iray izany isika rehetra.”​—1Ko 10:16, 17.

Asehon’izy ireo àry fa tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao izy ireo ary misy soa raisiny avy amin’ilay fifanekena, dia ny famelan’Andriamanitra ny fahotany noho ny ran’i Kristy. Sarobidy amin’izy ireo ny “ran’ny fifanekena” nanamasinana azy. (He 10:29) Antsoina hoe “mpanompon’ny fifanekena vaovao” izy ireo, satria miezaka ny hanampy olon-kafa ho tafiditra ao amin’io fifanekena io. (2Ko 3:5, 6) Mety tsara koa raha mihinana ilay mofo izy ireo satria afaka milaza hoe: “Izany ‘sitrapony’ izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanolorana ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.” (He 10:10) Miombom-pijaliana amin’i Kristy izy ireo, ary vonona ny tsy hivadika mandra-pahafatiny, toa an’i Kristy. Manantena ny hahazo “fitsanganana toy ny azy” izy ireo, izany hoe hatsangana ho any an-danitra ka hanjary ho tsy mety maty intsony.​—Ro 6:3-5.

Hoy i Paoly momba izay mihinana sy misotro: “Na iza na iza mihinana ny mofo na misotro amin’ny kaopin’ny Tompo, amin’ny fomba tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny vatan’ny Tompo sy ny rany izy. Aoka ny olona handini-tena tsara aloha raha mendrika, vao hihinana amin’ny mofo sy hisotro amin’ny kaopy. Fa izay mihinana sy misotro, raha tsy mahay mamantatra ny vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany.” (1Ko 11:27-29) Mihinana sy misotro fanamelohana ho an’ny tenany izay maloto fitondran-tena na mihatsaravelatsihy na mandika ny fitsipiky ny Baiboly, nefa mihinana. Tsy mankasitraka ny soron’i Kristy sy ny zava-kendren’izy io ary ny dikan’izy io izy, fa maniratsira azy io kosa. (Ampit. He 10:28-31.) Mety ‘haringana tsy ho eo amin’ny firenen’Andriamanitra’ izy, toy ny Israelita naloto nefa nihinana tamin’ny sorona iombonana.​—Le 7:20.

Nampitahain’i Paoly tamin’ny sorona iombonana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Hoy izy rehefa avy niresaka momba ireo mandray soa amin’ny vatan’i Kristy sy ny rany: “Jereo ny Israely araka ny nofo: Tsy miara-mahazo anjara amin’ny alitara ve izay mihinana ny sorona? ... Tsy afaka ny hisotro amin’ny kaopin’i Jehovah sy ny kaopin’ny demonia ianareo. Tsy afaka ny hihinana amin’ny ‘latabatr’i Jehovah’ sy ny latabatry ny demonia ianareo.”​—1Ko 10:18-21.

Ireo mihinana sy misotro sy ireo olon-kafa manatrika. Hoy i Jesosy tamin’ny apostoliny 12: “Mba niriko mafy ny hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, alohan’ny hijaliako.” (Lk 22:15) Mitantara anefa i Jaona fa efa tsy teo i Jodasy vao natombok’i Jesosy ilay Fahatsiarovana. Efa fantany mantsy fa hamadika azy i Jodasy. Nasainy nandeha àry izy, rehefa avy nomeny sombi-mofo natsobony tao anaty vilia, tamin’izy ireo nankalaza ny Paska. (Jn 13:21-30) Milaza an’izany tsy mivantana koa i Marka. (Mr 14:12-25) Natomboka ilay Sakafo Harivan’ny Tompo, ary nomen’i Jesosy an’ilay mofo sy divay ny apostoly 11 sisa, ka nasainy nihinana sy nisotro. (Lk 22:19, 20) Hoy izy: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.” Porofo koa izany fa efa tsy teo i Jodasy.​—Lk 22:28.

Tsy resahin’ny Baiboly hoe nihinana ilay mofo sy nisotro tamin’ilay kaopy i Jesosy tamin’izay. Natao hamonjena ny mpianany sy hampanan-kery ny fifanekena vaovao mantsy ny vatany sy ny rany izay nomeny. Amin’ny alalan’io fifanekena io no hanesorana ny fahotan’izy ireo. (Je 31:31-34; He 8:10-12; 12:24) I Jesosy anefa tsy nisy ota. (He 7:26) Izy koa no mpanelanelana amin’i Jehovah Andriamanitra sy ireo tafiditra ao amin’ilay fifanekena vaovao. (He 9:15; jereo FIFANEKENA.) Tsy ireo apostoly ihany no anisan’ilay “Israelin’Andriamanitra” ara-panahy na “ondry vitsy.” Hisy olon-kafa koa ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy. (Ga 6:16; Lk 12:32; Ap 1:5, 6; 5:9, 10) Mihinana sy misotro daholo àry ireo rahalahin’i Kristy eto an-tany, isaky ny Sakafo Harivan’ny Tompo. ‘Anisan’ny voaloham-bokatra amin’ny zavaboary’ izy ireo (Jk 1:18), ary novidina avy teo amin’ny olombelona ho “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.” Miisa 144 000 izy ireo araka ny hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana.​—Ap 14:1-5.

Manatrika fa tsy mihinana na misotro. Nilaza i Jesosy Kristy Tompo fa hisy olona hanao soa amin’ny rahalahiny sy hamangy ary hanampy azy ireo, mandritra ny fanatrehany. (Mt 25:31-46) Mahazo mihinana sy misotro koa ve ireo olona ireo, amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo? Andriamanitra no manome porofo sy antoka hoe iza no mahafeno fepetra hihinana sy hisotro, ka ho “mpandova an’Andriamanitra” sady “mpiara-mandova amin’i Kristy”, izany hoe zanak’Andriamanitra. Hoy i Paoly: “Ny fanahin’Andriamanitra sy ny saintsika dia miara-manaporofo fa zanak’Andriamanitra isika.” Hisy olon-kafa anefa handray soa avy amin’ny nifidianan’Andriamanitra an’ireo zanany ireo. Hoy mantsy i Paoly: “Fa ny zavaboary dia miandry fatratra ny fampiharihariana an’ireo zanak’Andriamanitra.” (Ro 8:14-21) Ho ‘mpanjaka sy mpisorona hitondra ny tany’ ireo hiara-manjaka amin’i Kristy. Handray soa àry ny vahoakan’ilay Fanjakana eto an-tany. (Ap 5:10; 20:4, 6; 21:3, 4) Tian’ilay vahoaka ho fantatra ny mombamomba an’ilay Fanjakana sy izay efa ataony, ka manatrika ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo izy ireo. Tsy mihinana na misotro anefa izy ireo satria tsy zanak’Andriamanitra ateraky ny fanahy na mpiara-mandova amin’i Kristy. Tsy tafaray amin’i Kristy ao amin’ny fahafatesana toy ny azy izy ireo, na manantena ny hiaraka aminy any an-danitra.​—Ro 6:3-5.

Tsy miova ho vatana sy ran’i Kristy ilay mofo sy divay. Mbola tsy nisy nanalana ny vatan’i Jesosy tamin’izy nanome an’ilay mofo. Ny vatany manontolo mantsy no hatolony ho sorona lavorary sady tsy misy tsiny ny ampitso tolakandro (mbola ny 14 Nisana, araka ny kalandrie hebreo). Ny rany manontolo koa no halatsaka hanaovana io sorona io. “Nanolotra ny ainy [tao amin’ny rany] ho amin’ny fahafatesana” izy. (Is 53:12; Le 17:11) Tsy nanova an’ilay mofo ho vatany na ilay divay ho rany àry izy tamin’iny takariva iny. Tsy marina koa ny hoe nataony tao amin’ilay mofo sy divay ny vatany sy ny rany.

Tsara homarihina fa tsy ny Sakafo Harivan’ny Tompo no noresahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:51-57. Herintaona taorian’io resaka io mantsy izy vao nisantatra an’ilay sakafo. Midika hoe maneho finoana an’i Jesosy Kristy ny “mihinana” sy “misotro” eo, araka ny asehon’ny andininy faha-35 sy 40.

Ho nihinana olona koa izay tena nihinana ny nofony sy nisotro ny rany. Tsy mahagaga àry raha tafintohina ireo Jiosy fatra-panaraka ny Lalàna izay tsy nino azy, sady tsy nahazo ny dikan’ny hoe mihinana ny nofony sy misotro ny rany.​—Jn 6:60.

Ho nandika ny lalàna nomen’Andriamanitra an’i Noa talohan’ny fifaneken’ny Lalàna koa izay misotro ra. (Ge 9:4; Le 17:10) Tsy ho nampirisika ny olona handika ny lalàn’Andriamanitra mihitsy anefa i Jesosy Kristy Tompo. (Ampit. Mt 5:19.) Nandidy koa izy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy”, fa tsy hoe ho fanaovana sorona ahy.​—1Ko 11:23-25.

Amin’ny heviny an’ohatra àry ny hoe ny mofo no nofon’i Kristy ary ny divay no rany, toy ilay hoe mihinana ny nofony sy misotro ny rany ihany. Hoy izy tamin’ireo tafintohina tamin’ny teniny: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” (Jn 6:51) Nataony sorona ny vatany tamin’izy maty teo amin’ny hazo fijaliana. Nalevina izy io, ary nataon’ny Rainy tsy hita dieny mbola tsy lo. (As 2:31) Tsy nisy mihitsy àry nihinana ny nofony sy nisotro ny rany ara-bakiteny.

Fomba fankalazana mety sy milamina. Lasa tsy salama ara-panahy ny fiangonana kristianina tany Korinto, ka hoy i Paoly: ‘Osa sy marary ny maro aminareo, ary maro no nodimandry.’ Tsy tena azon’izy ireo mantsy ny dikan’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo. Tsy masina tamin’izy ireo ilay fotoana. Nisy nitondra sakafo ka nihinana taloha na nandritra ilay fivoriana. Nihinana be loatra sy mamo ny sasany, fa ny hafa kosa noana sady menatra fa tsy nanana sakafo. Rendremana izy ireo na niriorio ny sainy, ka tsy zava-dehibe taminy ny fihinanana ny mofo sy fisotroana ny divay. Tsy niray saina koa izy ireo satria nisy nilaza hoe i Petera no mpitarika azy, nisy indray niteny hoe i Apolosy, ary nisy nifidy an’i Paoly. (1Ko 1:11-13; 11:18) Tsy takatr’izy ireo fa tokony hampiray saina azy ilay fankalazana. Tsy takany koa fa zava-dehibe ilay fotoana fahatsiarovana ny nahafatesan’ny Tompo, ka ny vatan’ny Tompo no mifanitsy amin’ilay mofo, ary ny rany no mifanitsy amin’ilay divay. Nasongadin’i Paoly àry fa homelohina izay nihinana sy nisotro nefa tsy nanaja io fotoan-dehibe io.​—1Ko 11:20-34.