Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sakaizamboay

Sakaizamboay

[Heb.: shalak].

Vorondrano lehibe manao antsitrika rehefa misambotra trondro, ary toy ny an’ny ganagana ny tongony. Anisan’ny vorona maloto (mpihaza sy mpihinana fatim-biby ny ankamaroany) ka tsy azo nohanina izy io, hoy ny Lalàn’i Mosesy, izay hany miresaka azy io. (Le 11:17; De 14:17) Katarraktes (gr.; “sakaizamboay”) io vorona io, araka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, fa mergulus (“mpanao antsitrika”) kosa, hoy ny Vulgate latinina. Fahita any Palestina, indrindra eny amin’ny morontsirak’i Mediterane sy ny farihy sasany toy ny Ranomasin’i Galilia, ny sakaizamboay (Phalacrocorax), izay anisan’ny fianakaviamben’ny gisandrano. Lava ny vatan’io vorona mainty mailamailaka ao anaty rano io. Mahay rano izy noho ny tongony mitapelaka. Mahay misambotra trondro ny vavany maranitra sy mifaingoka. Efa ela ny mpanjono any Atsinanana sy any Inde no namolaka azy hisambotra trondro ho azy ireo. Asian’izy ireo tady migoragora ny tendany mba tsy hitelemany afa-tsy trondro tena kely.

Sakaizamboay; vorona tsy azo nohanina, araka ny Lalàn’i Mosesy