Salamisy
(Salamìsy).
Tanàna lehibe tany Sipra. “Nitory ny tenin’Andriamanitra” tany i Paoly sy Barnabasy ary Jaona Marka, teo am-piandohan’ny dia misionera voalohany nataon’i Paoly (t. 47). Tsy voalaza hoe hafiriana izy no nijanona tao. Toa maro be ny Jiosy tao Salamisy, satria tsy iray ihany ny synagoga tao.—As 13:2-5.
Maro no milaza an’i Salamisy ho ilay tanàna rava, tokotokony ho 5 km any avaratry ny tanànan’i Famagouste ankehitriny, izany hoe eo amin’ny farany atsinanan’ilay lemaka mahavokatra midadasika eo avaratra kelin’ny reniranon’i Pedias. Tokotokony ho 200 km, any andrefana atsimoandrefan’i Seleokia izy io, eny ampitan’ny Ranomasina Mediterane. Avy tao Seleokia i Paoly no niainga tamin’izy ho any Syria. Tsy voalazan’ny Baiboly hoe niantsona tao Salamisy ny sambo nandehanan’i Paoly, nefa azo antoka fa nisy seranana tsara tao saingy efa tototra izy izao.
Toa nisy arabe iray, fara fahakeliny, nampitohy an’i Salamisy sy Pafo (tanàna tany amin’ny farany andrefan’ilay nosy). Mety ho nanamora ny dian’i Paoly sy ireo niaraka taminy izany, rehefa As 13:4-6.
“namakivaky ilay nosy manontolo izy ireo ka tonga hatrany Pafo” mba hitory.—Toa niverina tany Salamisy i Barnabasy sy Jaona Marka tamin’ny taona 49 tany ho any.—As 15:36-39.