Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Salamo, Bokin’ny

Salamo, Bokin’ny

Boky iray misy hira masina maro be, izay toa azo zaraina dimy: 1) Sl 1-41; 2) 42-72; 3) 73-89; 4) 90-106; 5) 107-150. Mifarana amin’ny teny fisaorana sy fiderana an’i Jehovah ny fizarana tsirairay. Efa hatramin’ny taloha no nomena nomerao ny salamo tsirairay, arakaraka ny filaharany tao amin’ilay boky. Ilay “salamo faharoa” ankehitriny ihany, ohatra, no nantsoina hoe salamo faharoa tamin’ny taonjato voalohany.​—As 13:33.

Fomba nanoratana azy. Tononkalo ny bokin’ny Salamo, ary misy hevitra mifanitsy ao amin’izy ireny. (Jereo HEBREO, II [Tononkalo hebreo].) Miavaka ny salamo sasany satria manaraka ny filaharan’ny abidy hebreo ny teny voalohany isaky ny andininy, na andalana. (Sl 9, 10, 25, 34, 37, 111, 112, 119, 145) Manomboka amin’ny litera hebreo alefa, ohatra, ny andininy na ny andalana voalohany. Manomboka amin’ny litera beta kosa ny manaraka, ary toy izany hatrany mandra-pahatapitry ny litera hebreo rehetra mihitsy indraindray. Natao hanamorana ny fitadidiana azy angamba izany. Miresaka momba an’ireo teny fampiasan’ny bokin’ny Salamo ireto lahatsoratra ireto: ALAMOTA; FIAKARANA; GITITA; HIGAIONA; MAHALATA; MASKILA; MIKTAMA; MOTA-LABENA; NEHILOTA; SELA, II; SEMINITA.

Teny mampiditra ny Salamo. Salamo maro no misy teny fampidirana, izay ahafantarana ny mpanoratra, ny zava-nitranga nifandray tamin’ilay salamo, ny toromarika momba ilay hira, na ny antony nanoratana azy. (Jereo ny teny mampiditra ny Sl 3, 4, 5, 6, 7, 30, 38, 60, 92, 102.) Ahalalana andinin-teny hafa manazava kokoa an’ilay salamo ny teny fampidirana sasany. (Ampitahao Sl 51 sy 2Sa 11:2-15; 12:1-14.) Mety ho ny mpanoratra na ireo nanangona an’ireo hira ao amin’ny bokin’ny Salamo no nanao an’ireny teny fampidirana ireny, satria misy teny fampidirana mitovy indraindray ny andinin-teny samihafa. (Ek 15:1; De 31:30; 33:1; Mpts 5:1; ampitahao ny 2Sa 22:1 sy ny teny mampiditra ny Sl 18.) Manaporofo izany ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Salamo (teo anelanelan’ny taona 30 sy 50). Efa nisy teny fampidirana mantsy tao anatin’izy io.

Mpanoratra. Amin’ireo salamo miisa 150, dia voalazan’ny teny fampidirana fa 73 no nosoratan’i Davida, 11 nataon’ny taranak’i Kora (voalaza fa i Hemana no nanoratra ny iray [Sl 88]), 12 nataon’i Asafa (mety ho taranany; jereo ASAFA No. 1), iray nosoratan’i Mosesy, iray nataon’i Solomona, ary iray nataon’i Etana Ezrahita. “Momba an’i Solomona” ny Salamo 72, ary azo inoana fa nosoratan’i Davida. (Jereo Sl 72:20.) Asehon’ny Asan’ny Apostoly 4:25 sy ny Hebreo 4:7 fa nosoratan’i Davida ny Salamo 2 sy 95. Toa mifampitohy ny Salamo 9 sy 10, ny 42 sy 43, ny 70 sy 71, ary ny 90 sy 91. Mety ho i Davida àry no nanoratra ny Salamo 10 sy 71, ny taranak’i Kora no nanoratra ny Salamo 43, ary i Mosesy no nanoratra ny Salamo 91. Mety ho i Hezekia no nanoratra ny Salamo 119, tamin’izy mbola andriana tanora. (Jereo Sl 119:9, 10, 23, 46, 99, 100.) Salamo miisa 40 mahery àry sisa no tsy fantatra izay nanoratra azy.

Nosoratana nandritra ny 1 000 taona teo ho eo ny bokin’ny Salamo, nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy ary vita taorian’ny nodiana avy tany an-tsesitany tany Babylona.​—Sl 90:t.m.; 126:1, 2; 137:1, 8.

Fanangonana. Azo inoana fa i Davida no nanomboka nanangona an’ireo hira ao amin’ny bokin’ny Salamo mba hampiasaina tao amin’ny toerana masina. Izy mantsy no nanoratra ny ankamaroan’ny salamo sy nizara an’ireo Levita mpitendry zavamaneno ho antokony 24. (2Sa 23:1; 1Ta 25:1-31; 2Ta 29:25-30) Tatỳ aoriana vao nisy fanangonana hafa, rehefa jerena ireo teny miverina hita ao amin’ilay boky. (Ampitahao Sl 14 sy 53; 40:13-17 sy 70; 57:7-11 sy 108:1-5.) Manam-pahaizana maro no mino fa i Ezra no nandamina farany ny bokin’ny Salamo.

Voaporofo fa efa ela no tapaka hoe inona avy ireo hira raketin’ny bokin’ny Salamo. Rehefa ampitahaina mantsy ny soratra hebreo sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo dia mitovy ihany ireo hira raketin’ny bokin’ny Salamo sy ny filaharan’izy ireo. Azo inoana àry fa tamin’ny taonjato fahatelo T.K. no voangona sy voalamina ireo hira ao amin’ny bokin’ny Salamo, satria nanomboka tamin’izay no natao ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Hita tao amin’ny sombina soratra hebreo fampiasa tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany fa tsy nisy soratra intsony taorian’ny Salamo 150:1-6 fa tsanganana banga sisa. Toa ireo andininy ireo àry no mamarana ny bokin’ny Salamo ao amin’ny sora-tanana hebreo, ary mitovy amin’izany ny soratra nataon’ireo Masoreta.

Voatahiry tsara ireo soratra. Porofoin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Salamo fa voatahiry tsara hatramin’izao ny soratra hebreo. Efa 900 taona teo ho eo talohan’ny soratra nataon’ny Masoreta io horonam-boky io (misy salamo miisa 41, manontolo na ampahany), nefa azo lazaina hoe mitovy amin’ireo soratra iorenan’ny ankamaroan’ny fandikan-teny ankehitriny. Hoy ny Profesora J. Sanders: “Resaka tsipelin-teny ny ankamaroan’ny [tsy fitoviana], ary izay manam-pahaizana sarotiny amin’ny fanononana teny hebreo tranainy ihany no mihevitra an’izany ho zava-dehibe. ... Tonga dia hita fa fanatsarana natao hampahazava kokoa ny soratra hebreo kosa ny tsy fitoviana sasany, fa tsy misy fiantraikany firy na tsy misy fiantraikany mihitsy amin’ny fandikan-teny na amin’ny fanazavana.”​—Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Salamo, 1967, p. 15.

Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra. Azo antoka fa anisan’ny Tenin’Andriamanitra nosoratana teo ambany herin’ny fanahy masina ny bokin’ny Salamo. Mifanaraka tanteraka amin’ny andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina izy io. Matetika no misy hevitra mitovy ao amin’ny bokin’ny Salamo sy ao amin’ny andininy hafa ao amin’ny Baiboly. (Ampitahao Sl 1 sy Je 17:5-8; Sl 49:12 sy Mpto 3:19 ary 2Pe 2:12; Sl 49:17 sy Lk 12:20, 21.) Ahitana teny maro nalaina avy tao amin’ny bokin’ny Salamo ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Sl 5:9 (Ro 3:13); 8:6 (1Ko 15:27; Ef 1:22); 10:7 (Ro 3:14); 14:1-3; 53:1-3 (Ro 3:10-12); 19:4 (Ro 10:18); 24:1 (1Ko 10:26); 32:1, 2 (Ro 4:7, 8); 36:1 (Ro 3:18); 44:22 (Ro 8:36); 50:14 (Mt 5:33); 51:4 (Ro 3:4); 56:4, 11; 118:6 (He 13:6); 62:12 (Ro 2:6); 69:22, 23 (Ro 11:9, 10); 78:24 (Jn 6:31); 94:11 (1Ko 3:20); 95:7-11 (He 3:7-11, 15; 4:3-7); 102:25-27 (He 1:10-12); 104:4 (He 1:7); 112:9 (2Ko 9:9); 116:10 (2Ko 4:13); 144:3 (He 2:6), sy ny hafa koa.

Hoy i Davida momba ny tenany: “Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no teo amin’ny lelako.” (2Sa 23:2) Nanamafy izany ny apostoly Petera (As 1:15, 16), sy ilay nanoratra ny taratasy ho an’ny Hebreo (He 3:7, 8; 4:7), ary ny Kristianina hafa tamin’ny taonjato voalohany (As 4:23-25). Ny tenin’ilay Zanak’Andriamanitra mihitsy aza no porofo niavaka indrindra. (Lk 20:41-44) Hoy izy tamin’ny mpianany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty: “Izao no teny nolazaiko taminareo fony aho mbola teo aminareo, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy ao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ao amin’ny Mpaminany ary ny Salamo [boky voalohany ao amin’ny Hagiôgrafa, na Soratra Masina, ka niantsoana an’ilay fizarana manontolo].”​—Lk 24:44.

Efa voalaza izay hanjo ny Mesia sy izay hataony. Hita avy amin’ny fandinihana ny Soratra Grika Kristianina fa maro tamin’ny zavatra nataon’ny Mesia sy nanjo azy no efa nolazain’ny bokin’ny Salamo mialoha. Ireto misy ohatra manamarina izany:

Nasehon’i Jesosy, tamin’izy hatao batisa, fa vonona izy hanao ny ‘sitrapon’ny’ Rainy momba ny hanaovana sorona ny vatany efa ‘voaomana’, sy momba ny hanafoanana an’ireo sorona biby natao teo ambanin’ny Lalàna, araka ny Salamo 40:6-8. (He 10:5-10) Efa voalazan’ny Salamo 2:7 fa neken’i Jehovah izany fahavononany izany, ka nandatsahany ny fanahiny masina izy, ary nekeny ho Zanany. (Mr 1:9-11; He 1:5; 5:5) Efa voalazan’ny Salamo 8:4-6 koa fa natao “ambany kely noho ny anjely” i Jesosy rehefa lasa olona.​—He 2:6-8.

Nanangona mpianatra i Jesosy ary nampiofana azy ireo nandritra ny fanompoany. Tsy nahamenatra azy ny niantso azy ireo hoe “rahalahy”, araka ny Salamo 22:22. (He 2:11, 12; ampit. Mt 12:46-50; Jn 20:17.) Efa voalazan’ny Salamo fa hampiasa fanoharana i Jesosy (Sl 78:2; Mt 13:35), ho be zotom-po ho an’ny tranon’i Jehovah izy ka hanafoana ny varotra tao, ary tsy hanao izay hahafaly ny tenany. (Sl 69:9; Jn 2:13-17; Ro 15:3) Nankahalaina tsy amin’antony anefa izy. (Sl 35:19; 69:4; Jn 15:25) Efa voalaza koa fa rehefa hanao fanompoana ho an’ireo Jiosy voafora i Kristy Jesosy, dia ho tanteraka ny fampanantenana nomena ny razamben’ny Jiosy ary hidera sy hankalaza an’i Jehovah ny hafa firenena noho izany.​—Sl 18:49; 117:1; Ro 15:9, 11.

Nidera an’i Jesosy tamin’ny Salamo 118:26 ny vahoaka, rehefa niditra tao Jerosalema izy ka nitaingina zanak’ampondra. (Mt 21:9) Nanonona ny Salamo 8:2 i Jesosy ka nampangina an’ireo lehiben’ny mpisorona sy mpanora-dalàna, izay tsy namela an’ireo ankizilahy tao amin’ny tempoly hiantsoantso hoe “Zanak’i Davida” i Jesosy.​—Mt 21:15, 16.

Efa nilaza ny Salamo fa hamadika an’i Jesosy ny namany akaiky (Sl 41:9; Jn 13:18), ary ho lasan’olon-kafa ny toerany. (Sl 69:25; 109:8; As 1:20) Efa voalaza koa fa hiara-hanohitra an’i Jesosy ny mpitondra (Heroda sy Pontio Pilato) sy ny hafa firenena (anisan’izany ny miaramila romanina) ary ny vahoakan’Israely (Sl 2:1, 2; As 4:24-28), ary handa azy ny mpitondra fivavahana jiosy, izay oharina amin’ny “mpanao trano.” (Sl 118:22, 23; Mt 21:42; Mr 12:10, 11; As 4:11) Efa voalazan’ny Salamo 27:12 fa hisy vavolombelona mandainga hiampanga azy.​—Mt 26:59-61.

Nomen’ny olona divay niharo zava-mangidy i Jesosy talohan’ny hamantsihana azy. (Sl 69:21; Mt 27:34) Naminany toy izao momba ny hamantsihana an’i Jesosy ny mpanao salamo: “Mitangorona amiko ny alika, ary manodidina ahy ireo mpanao ratsy maro be, izay toy ny liona manaikitra ny tanako sy ny tongotro.” (Sl 22:16) Nataon’ny miaramila romanina antsapaka ny fizarana ny fitafian’i Jesosy. (Sl 22:18; Mt 27:35; Lk 23:34; Jn 19:24) Naneso an’i Jesosy tamin’ny teny ao amin’ny Salamo ny fahavalony. (Sl 22:8; Mt 27:41-43) Nangetaheta be i Jesosy ka nangata-javatra hosotroina (Sl 22:15; Jn 19:28), ary nomen’ny olona divay marikivy indray. (Sl 69:21; Mt 27:48; Jn 19:29, 30) Nanonona ny Salamo 22:1 toy izao i Jesosy talohan’ny hahafatesany: “Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no nahafoy ahy ianao?” (Mt 27:46; Mr 15:34) Nanonona ny Salamo 31:5 toy izao izy rehefa hiala aina: “Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko.” (Lk 23:46) Tsy nisy tapaka koa ny taolany araka ny efa voalazan’ny Salamo.​—Sl 34:20; Jn 19:33, 36.

Nalevina i Jesosy nefa tsy nafoy tao amin’ny Fasana, ary tsy navela ho lo ny nofony, fa natsangana tamin’ny maty izy. (Sl 16:8-10; As 2:25-31; 13:35-37) Nipetraka teo ankavanan’Andriamanitra izy rehefa niakatra tany an-danitra, ka niandry mandra-panao ny fahavalony ho fitoeran-tongony. (Sl 110:1; As 2:34, 35) Tonga mpisorona toa an’i Melkizedeka koa izy (Sl 110:4; He 5:6, 10; 6:20; 7:17, 21), ary nanome lehilahy ho fanomezana. (Sl 68:18; Ef 4:8-11) Efa voalazan’ny bokin’ny Salamo izany tsipiriany rehetra izany. Amin’ny hoavy vao ho tanteraka ilay hoe i Jesosy no hampiasain’Andriamanitra hanorotoro an’ireo firenena. (Sl 2:9; Ap 2:27; 19:14, 15) Ho Mpanjaka i Kristy avy eo, ary hotahiny mandrakizay ireo olony tsy mivadika. Mbola ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe kokoa amin’ny Mesia ny Salamo 72, izay miresaka momba ny fanjakan’i Solomona. Manamarina izany ny faminanian’i Zakaria (9:9, 10), izay mamerina ny voalazan’ny Salamo 72:8, ary mihatra amin’i Kristy Jesosy.​—Mt 21:5.

Misy zavatra hafa resahin’ny bokin’ny Salamo koa tanteraka: Ampitahao ny Salamo 45 sy ny Hebreo 1:8, 9; Apokalypsy 19:7-9, 11-15; 21:2, 9-11.

Tsy tononkalo mahafinaritra fotsiny. Tsy miresaka momba ny hoavy fotsiny ny bokin’ny Salamo. Betsaka koa ny teny mampahery sy tari-dalana azo raisina ao. Tsy tononkalo mahafinaritra fotsiny izy io, fa miresaka momba ny fiainana andavanandro koa: Ny fifaliana, ny alahelo, ny tahotra, ary ny fahadisoam-panantenana. Hita manerana an’ilay boky fa nifandray akaiky tamin’i Jehovah Andriamanitra ireo mpanao salamo. Asongadina ao ny zavatra nataon’Andriamanitra sy ny toetrany, ka mandrisika ny olona hidera sy hisaotra Azy.

Tena ho sambatra ireo tsy miaraka amin’ny ratsy fanahy, ireo finaritra amin’ny lalàn’i Jehovah (Sl 1:1, 2), ireo mialoka amin’ilay voahosony (2:11, 12), ireo matoky an’i Jehovah (40:4), ireo manampy ny mahantra (41:1, 2), ireo anarin’i Jehovah (94:12, 13), ireo mankatò ny didiny (112:1; 119:1, 2), ary ireo manana an’Andriamanitra ho Mpanampy azy (146:5, 6).

Ampirisihina hiantehitra amin’i Jehovah ny olona: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao. Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.” (Sl 55:22; 37:5) Tsy matahotra olona izay miantehitra amin’i Jehovah toy izany.​—56:4, 11.

Ampirisihina hiandry an’Andriamanitra (Sl 42:5, 11; 43:5) sy hiteny ary hanao zavatra tsara ireo te hahazo sitraka aminy. (1:1-6; 15:1-5; 24:3-5; 34:13, 14; 37:3, 4, 8, 27; 39:1; 100:2) Antitranterina fa mahasoa ny namana tsara. (18:25, 26; 26:4, 5) Toroana hevitra koa ny olona mba tsy hitsiriritra ny fananan’ny ratsy fanahy na ny fahombiazany, satria ho ringana izy ireny.​—37:1, 2, 7-11.

Asehon’ny Salamo fa afaka mivavaka ny mpanompon’Andriamanitra mba hangatahana famonjena na fanafahana (Sl 3:7, 8; 6:4; 35:1-8; 71:1-6), sitraka (4:1; 9:13), tari-dalana (5:8; 19:12-14; 25:4, 5; 27:11; 43:3), fiarovana (17:8), famelan-keloka (25:7, 11, 18; 32:5, 6; 41:4; 51:1-9), fo madio, toe-tsaina vaovao tsy miovaova (51:10), ary fanamasinana ny anaran’Andriamanitra (115:1). Afaka mivavaka koa izy ireo mba hodinihin’Andriamanitra, hodioviny (26:2), hotsarainy (35:24; 43:1), ary mba hampianarina hatsaran-toetra, fahendrena, fahalalana, mbamin’ny fitsipik’Andriamanitra.​—119:66, 68, 73, 124, 125, 135.

Manasongadina ny asan’Andriamanitra sy ny toetrany. Mampitombo ny fankasitrahana an’i Jehovah Andriamanitra ny bokin’ny Salamo. Ny adala ihany no mandà hoe tsy misy Izy. (Sl 14:1; 19:7-11; 53:1) Voalaza fa “tia ny rariny sy ny hitsiny” i Jehovah (33:5), “fialofana sy hery”, sady “mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana.” (46:1) Mpitsara manao ny rariny Izy (7:11; 9:4, 8), Mpamorona (8:3; 19:1; 33:6), Mpanjaka (10:16; 24:8-10), Mpiandry (23:1-6), Mpampianatra (25:9, 12), Mpanome sakafo ho an’ny olona sy ny biby (34:10; 147:9), Mpamonjy na Mpanafaka (35:10; 37:39, 40; 40:17; 54:7), Loharanon’aina (36:9), Mpanome fampiononana sy fitahiana ary hery.​—86:17; 29:11.

Tsy manadino “ny fitarainan’ny ory” i Jehovah (Sl 9:12; 10:14) fa mamaly ny vavaky ny mpanompony (3:4; 30:1, 2; 34:4, 6, 17, 18), ka mamaly soa sy miaro azy ireo. (3:3, 5, 6; 4:3, 8; 9:9, 10; 10:17, 18; 18:2, 20-24; 33:18-20; 34:22. Jereo Sl 34:7 momba ny fiarovan’ny anjely.) Halany ny faharatsiana ary horinganiny ny mpanao ratsy.​—5:4-6, 9, 10; 9:5, 6, 17, 18; 21:8-12; 99:8.

Mendrika hatahorana (Sl 76:7) sy lehibe i Jehovah (77:13) nefa manetry tena (18:35); masina (99:5) sy tena tsara toetra (31:19) ary tena mahery Izy. (147:5) “Mamindra fo sy tsara fanahy” Izy, “tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.” (86:15) Mahira-tsaina tsy misy hoatr’izany Izy (147:5), ary mampiseho ny fahendreny ny zavatra noforoniny. (104:24) Isainy ny kintana ary antsoiny amin’ny anarany avy izy rehetra. (147:4) Hitany na dia ny zaza vao miforona ao an-kibo aza. (139:16) Afaka manasitrana ny aretina rehetra Izy. (103:3) Azony atsahatra ny ady satria hopotehiny ny fitaovam-piadian’ny fahavalo. (46:9) Nisalovana tamin’ny zava-nitranga ara-tantara maro Izy mba hahatanteraka ny fikasany ara-drariny. (44:1-3; 78:1-72; 81:5-7; 105:8-45; 106:7-46; 114:1-8; 135:8-12; 136:4-26) Tena mendrika ny hoderaina sy hisaorana ny Andriamanitra toy izany. (92:1; 96:1-4; 146–150) Hadalana ny mitoky amin’ny olombelona (60:11; 62:9), ny harena (49:6-12, 17), na ny sampy (115:4-8; 135:15-18).

Miresaka momba ny hatsaran’ny tenin’Andriamanitra. Mampianatra ny olona hankasitraka ny tenin’Andriamanitra koa ny bokin’ny Salamo. Voalaza fa madio sy voadio ny tenin’i Jehovah. (Sl 12:6; 18:30) Sarobidy ny lalàny (119:72) sady marina. (119:142) Tonga lafatra ny lalàny, azo itokisana ny fampahatsiahivany, mahitsy ny fitsipiny, madio ny didiny, ary ara-drariny ny didim-pitsarany, ka mandray soa mandrakizay izay mankatò an’ireo. (19:7-11) Natao hanazava ny lalana ny tenin’Andriamanitra (119:105), ary mahatonga ny olona ho hendry sy ho lalin-tsaina ary hahira-tsaina ny didiny.​—119:98-100, 104.

Manazava bebe kokoa momba ny andinin-teny hafa. Manjary mazava kokoa ny andinin-teny hafa noho ny bokin’ny Salamo. Voalaza, ohatra, fa fifadian-kanina (Sl 35:13) ilay ‘fampahorian-tena’ nataon’ny Israelita tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Le 16:29; 23:27; No 29:7) Ny mpanao salamo irery no nilaza ny fampahoriana nozakain’i Josefa tany Ejipta, angamba tamin’izy vao natao am-ponja: “Nogejaina ny tongony, ary nasiana gadra vy izy.” (105:18) Ny bokin’ny Salamo no ahalalantsika fa ‘anjely maro no nirahina’ hitondra loza tany Ejipta (78:44-51), ary “lasa renirano namakivaky faritra karakaina” ilay rano nomena tamin’ny fomba mahagaga tany an-tany efitra (105:41), ka nanana rano ampy tsara ny firenen’Israely sy ireo biby fiompiny maro be. Porofoin’ny Salamo fa maty tao amin’ny Ranomasina Mena i Farao.​—136:15.

Resahin’ny Salamo fa nandia fahoriana sy fotoan-tsarotra ny Israelita talohan’ny nandreseny ny Edomita teo amin’ny Lohasahan-tsira. (Sl 60:t.m., 1, 3, 9) Toa midika izany fa nanafika an’i Joda ny Edomita, raha mbola niady tamin’ny tafik’i Arama-naharaima sy Arama-zoba tany avaratra ny Israelita.

Lazain’ny Salamo 101 ny fomba nitantanan’i Davida ny raharaham-pirenena. Izay mendri-pitokisana ihany no nofidiny ho mpanompony. Tsy zakany ny mpirehareha, ary tsy nandefitra tamin’ny mpanendrikendrika izy. Nataony izay hitsarana ny ratsy fanahy, isan’andro.

[Efajoro, pejy 799]

HEVITRA MISONGADINA: SALAMO

Hira masina 150; mifototra amin’ny zavatra niainan’i Davida sy ny mpanompon’i Jehovah hafa ny ankamaroany

Nosoratana nandritra ny 1 000 taona teo ho eo: Nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy ary vita taorian’ny nodiana avy tany an-sesitany tany Babylona

Antony isaorana sy iderana an’i Jehovah

Be voninahitra ny anarany (99:3; 113; 148:13, 14)

Mahatalanjona ireo zavaboariny (33:1-9; 148:1-12)

Izy no Mpiandry Lehibe (23)

Mamaly vavaka izy (21:1-7; 28; 116; 118:21)

Izy no tena Andriamanitra (50; 95:1-7; 96:4-13; 97; 150)

Manafaka amin’ny fahavalo sy fahoriana izy (18; 30; 107; 140; 149)

Mitsara ara-drariny (67:3, 4; 98)

Noho ny toetrany (57:9-11; 92; 100; 108:1-4; 117; 138:1, 2)

Noho ny zavatra maro be omeny (37:25; 67:5-7; 145:15, 16)

Noho izay nataony tamin’ny olony fahiny (66; 81; 105; 106; 126; 136:10-24; 147)

Fiangaviana an’i Jehovah mba hamindra fo sy hanampy

Mba hamonjy amin’ny fahavalo (3-5; 7; 12; 13; 17; 31; 59)

Mba hamela heloka (19:12, 13; 25:7, 11; 32; 51:1, 2, 7-15; 130)

Mba hanoro izay tokony hatao (119:124, 125; 143:8, 10)

Mba hanohana an’izay marary sy ory (41:1-4)

Mba hiantra an’izay ampahorina (6:2, 9; 9:13, 14; 123)

Faminaniana tanteraka tamin’ny Mesia

Taranak’i Davida Mpanjaka izy (89:3, 4, 29, 36, 37; 132:11)

Nandany ny heriny ny hafanam-po ho an’ny tranon’i Jehovah (69:9)

Nilaza fanoharana izy (78:2)

Namany akaiky no namadika azy (41:9; 55:12-14)

Ny fomba namonoana azy (22:16)

Nolatsaina sy nalam-baraka izy (22:6-8; 69:9)

Natao antsapaka ny akanjony (22:18)

Nampisotroina vinaingitra izy (69:21)

Tsy nisy tapaka ny taolany (34:20)

Natsangana avy tao amin’ny Fasana izy (16:10)

Ny vato nolavin’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro (118:22)

Niakatra tany amin’ny avo izy, nanome lehilahy ho fanomezana (68:18)

Nomem-boninahitra ary nasaina nifehy ny zava-drehetra (8:5-8)

Lasa mpanjaka (2:6; 110)

Handringana an’ireo firenena manohitra azy (2:8, 9; 45:3-5)

Hanambady zanakavavin’ny mpanjaka; hanendry andriana etỳ an-tany (45:2, 6-17)

Hampanjaka ny rariny etỳ an-tany, hangoraka (72)

Fampianarana fototra

Ilay tena Andriamanitra sy ny toetrany (78:38, 39; 83:18; 86:15; 90:1-4; 102:24-27; 103; 139)

Manan-jo hitondra i Jehovah (11:4-7; 24:1; 29; 44; 47; 48; 76; 93)

Hamasinina ny anarany (79; 83)

Mpanota ny olona rehetra (14:1-3; 51:5; 53:1-3)

Hadalana ny manompo sampy (115:4-8; 135:15-18)

Ny momba ny maty (6:5; 88:10-12; 115:17; 146:4)

Honenan’ny olo-marina mandrakizay ny tany (37:9-11, 29; 104:5; 115:16)

Fomba ahazoana sitraka amin’i Jehovah

Matahora an’i Jehovah ary ankatoavy ny didiny (112:1-4; 128)

Aoka ho sarobidy aminao ny teniny sy ny lalàny (1:2; 19:7-11; 119)

Matokia an’i Jehovah (9:10; 115:9-11; 125; 146:5-7)

Miandrasa azy (42; 43)

Tandrovy ny fihavanana ary miezaha ho olo-marina (34:14, 15)

Ankafizo ny fiarahana amin’ny vahoakan’i Jehovah ao an-tranony (84; 122; 133)

Halaviro ny naman-dratsy (1:1; 26:4, 5; 101:3-8)

Ampahafantaro ny zanakao izay nataon’i Jehovah (78:3-8)

Milazà ny marina; aza manendrikendrika na mianiana lainga (15:2, 3; 24:3-5; 34:13)

Aoka ianao hitana ny teninao, na dia hahavoa anao aza izany (15:4)

Aza tia vola (15:5)

Hotahina izay malala-tanana (112:5-10)

Miderà an’i Jehovah ampahibemaso (26:7, 12; 40:9)