Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Salbima

Salbima

(Salbìma).

Tanànan’ireo Amorita noteren’ny taranak’i Josefa hanao asa an-terivozona. (Mpts 1:35) Tatỳ aoriana, dia anisan’ny namatsy sakafo ny tao an-dapan’i Solomona isan-taona ny faritra nisy an’i Salbima. (1Mp 4:7-9) Voalaza fa i Salbima ihany no Salabima, tanàna iray teo amin’ny sisin-tanin’i Dana. (Js 19:40-42) Ny renisoratra hebreo any amin’ny faran’ireo anarana ireo fotsiny no tsy itoviany. Anarana hafa iantsoana an’i Salbima koa ny hoe Salbona.​—2Sa 23:32; 1Ta 11:33.

Maro no milaza an’i Salbima ho ny tanàna aolon’i Selbit (Tel Shaʽalvim), izay toa mbola ahitana an’ilay anarany hoe Salbima. Tokotokony ho 25 km any andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema no misy an’i Selbit, ary toa tany akaikikaiky tany no nisy an’ireo toerana hafa resahin’ny Baiboly miaraka amin’i Salbima.