Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Salmanesera

Salmanesera

[avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “I Shoulman [andriamanitra asyrianina] dia Ambony Kokoa”].

Anarana mpanjaka dimy tany Asyria. Ny roa ihany anefa no toa nifampikasoka tamin’ny Israely, dia i Salmanesera III sy Faha-5, fa i Salmanesera Faha-5 ihany no resahin’ny Baiboly.

1. Nandimby an’i Asoronasirpala II rainy teo amin’ny fitondrana i Salmanesera III. Nanoratra izy hoe izy no “mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjaka tsy manan-tsahala, ilay ‘Dragona Lehibe’, ilay (hany) manam-pahefana eran’ny (vazan-tany efatra).” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 276) Nanjaka 35 taona teo ho eo angamba izy, ka toa niady foana nandritra ny 31 taona mba hanitarana sy hanamafisana ny fanjakany. Imbetsaka izy no nanafika an’ireo fanjakana aramianina tany Syria, tany andrefana.

Toa niresaka momba an’i Ahaba. Mitantara momba ny ady iray tany Karkar (akaikin’i Hamata any amin’ny Lohasahan’i Oronte) tamin’ny taona fahenina nanjakan’i Salmanesera, ilay atao hoe Tsangambato Mirakitra ny Soratr’i Salmanesera III. Mpanjaka 12 no niray dina mba hiady taminy, ka Syrianina ny ankamaroany. Nisy anankiray anefa nantsoina hoe A-ha-ab-bo matSir-ʼi-la-a-a. Adika foana hoe “Ahaba Israelita” io anarana io, ao amin’ny boky maro. (Jereo Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 279.) Maro àry no mihevitra fa niady niaraka tamin’ny Syrianina i Ahaba. Tsy miresaka momba izany anefa ny Baiboly. Mampisalasala koa raha i Ahaba avy any Israely marina ilay A-ha-ab-bo matSir-ʼi-la-a-a, na dia mitovitovy aza ny anaran’izy ireo. Hoy mantsy ny Rakipahalalana Momba ny Baiboly (Londres, 1899, Boky I, tsang. 91): “Ny ankamaroan’ny manam-pahaizana ankehitriny no mihevitra fa i Ahaba avy any Israely (na avy any Jezirela, araka ny hevitr’i Hommel) ihany no ilay Ahabbo Sirʼlai.” (Izahay no manao sora-mandry.) Hita amin’izany àry fa tsy ny rehetra no nanaiky hoe Ahaba avy any Israely izy io. Misy koa misalasala raha tokony ho nadika hoe “Israelita” ilay hoe matSir-ʼi-la-a-a. Tsy hoe matSir-ʼi-la-a-a mantsy no nilazan’ny soratra asyrianina hafa ny fanjakan’ny Israely tany avaratra, fa hoe Sa-me-ri-na, izany hoe Samaria (ilay renivohiny), na hoe Bit Ho-om-ri-ia (tanin’i Omry), araka ny mbola niantsoana azy 100 taona taorian’ny nahafatesan’i Omry.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 284, 285.

Nanoratra i Salmanesera fa niady tamin’i Hazaela avy any Damaskosy izy tamin’ny taona faha-18 nanjakany, izany hoe 12 taona taorian’ilay ady tany Karkar. Hoy koa izy: “Nandoa hetra tamiko ireo mponin’i Tyro sy Sidona tamin’izay, ary nandoa hetra koa i Jeho zanak’i Omry.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 280) Tsy mifanaraka amin’ny daty omen’ny Baiboly àry ny filazana hoe i Ahaba Mpanjaka no A-ha-ab-bo. Asehon’ny Baiboly mantsy fa 14 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Ahaba i Jeho no nanjaka. Tao anatin’izay 14 taona izay koa no nanjakan’i Ahazia sy Jorama. (1Mp 22:51; 2Mp 3:1) Na milaza aza ny ankamaroan’ny mpivaofy teny hoe tamin’ny faramparan’ny fotoana nanjakany i Ahaba no niray dina tamin’ny Syrianina, dia mbola tsy mifanaraka amin’ny daty omen’ny Baiboly ihany izany. Nilaza indray àry ireo manam-pahaizana atao hoe Kamphausen sy Kittel fa nisy nampifangaro tamin’ny anaran’i Jorama ny anaran’i Ahaba, tao amin’ireo soratra asyrianina. (Diksioneran’ny Baiboly, nataon’i Hastings, 1904, Boky I, p. 53) Tsy milaza anefa ny Baiboly hoe niady tany Karkar i Jorama.

Sarotra inoana koa ny hoe niray dina tamin’ny Syrianina, izay fahavalon’ny Israely efa hatry ny ela, i Ahaba. Hoy àry Ny Rakipahalalana Amerikanina (1956, Boky I, p. 269): “Mpifahavalo [i Ahaba] sy Benihadada, ka mahagaga raha niray dina mba hiady tamin’i Salmanesera avy any Asyria. Azo inoana fa naleony aza resy i Benihadada, ary tsy natahorana hanafika azy avy hatrany koa i Asyria.” Vao avy niady indroa tamin’ny Syrianina i Ahaba, ary avy eo niato kely ilay ady. Niady farany tamin’izy ireo indray anefa i Ahaba telo taona teo ho eo taorian’izay, ka maty. (1Mp 22:1-4, 34-37) Tsy mitombina mihitsy àry ny fanazavana hoe niray tetika tamin’ny Syrianina izy, na an-tsitrapo izany na an-tery.

Farany, nilaza koa i Salmanesera fa nitondra “kalesy 2000” i A-ha-ab-bo, ary maro noho ny an’ireo mpanjaka hafa niaraka taminy izany. Be loatra anefa izany raha oharina amin’izay voalazan’ny Baiboly fa nananan’ny Israelita. Nitady hevitra hafa indray àry ny manam-pahaizana sasany, mba hanaporofoana fa i Ahaba Mpanjaka no A-ha-ab-bo. Nilaza izy ireo fa nanampy isa an’ireo kalesin’ny tafik’i Ahaba ny avy any Joda sy Tyro sy Edoma ary Moaba. Vao mainka sarotra inoana anefa izany. (Rakipahalalana Momba ny Baiboly, Boky I, tsang. 92; Ny Rakipahalalana Britannica, 1910, Boky I, p. 429) Tsara homarihina fa na i Solomona, mpanjaka nahery, aza tsy nanana afa-tsy kalesin’ady 1400.​—1Mp 10:26.

Toa tsy marina àry ny nandikana ny A-ha-ab-bo matSir-ʼi-la-a-a hoe “Ahaba Israelita.” Angamba maimaika hampifandray an’ilay anarana amin’ny olo-malaza teo amin’ny tantara fotsiny ireo nandika azy io. Tsara homarihina koa fa misy anarana hoe “Musri” ao amin’ilay soratra. Ilazana an’i Ejipta io anarana io ao amin’ny soratra hafa. Nihevitra anefa ireo mpandika teny fa tsy mitombina mihitsy ny hoe i Ejipta no “Musri.” “Mety ho tany iray tany amin’ny faritra atsimon’i Azia Minora” kosa, hono, izy io. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 279, f.a.p. 9) Toa tsy mitombina toy izany koa ny filazana fa midika hoe Israely ny hoe matSir-ʼi-la-a-a. Angamba hanaporofo izany ny fotoana.

Toa i Adad-idri mpanjakan’i Damaskosy sy Irholeni mpanjakan’i Hamata, no tena nitarika an’ilay tafika syrianina niady tamin’i Salmanesera III tany Karkar. Nilaza i Salmanesera fa nandresy. Tsy nandresy tanteraka anefa izy satria tsy afaka niankandrefana kokoa. Voalaza àry fa mbola niady imbetsaka tamin’i Adad-idri mpanjakan’i Damaskosy izy tatỳ aoriana.

Nanoratra momba an’i Hazaela sy Jeho. Tanteraka ny faminaniana nasain’i Jehovah nambaran’i Elisa momba an’i Hazaela, mpiandraikitra tao an-dapan’i Beni-hadada mpanjakan’i Damaskosy. Novonoin’izy io tokoa ilay mpanjaka tompony, ary izy indray no lasa mpanjaka, angamba tany amin’ny faramparan’ny fotoana nitondran’i Jorama Mpanjaka (t. 917-905 T.K.). (2Mp 8:7-15) Manaporofo an’izany izao teny nosoratan’i Salmanesera III izao: “Maty i Hadadezera [Adad-idri, na Beni-hadada II mpanjakan’i Damaskosy]. I Hazaela, izay olon-tsotra (a.b.t.: tsy zanak’iza na iza) indray no lasa mpanjaka.” Voalazany koa fa niady tamin’i Hazaela izy tamin’ny taona faha-18 sy faha-21 nanjakany, ka nandresy. Tsy nety azony mihitsy anefa i Damaskosy.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 280.

Hita koa eo amin’ny Vatolahy Maintin’i Salmanesera (Tranombakoka Britanika) ny anaran’i Jeho mpanjakan’ny Israely (t. 904-877 T.K.). Misy sary mivohitra izy io, izay toa sarin’ny ambasadaoron’i Jeho miankohoka eo anatrehan’ilay mpanjaka asyrianina, sady mitondra fanomezana ho azy. Izao no voalazan’ilay soratra eo: “Ny hetra naloan’i Jeho (Ia-o-a), zanak’i Omry (Ho-om-ri) [midika hoe nandimby an’i Omry]; ireto avy no voaraiko avy taminy: Volafotsy, volamena, ... vilia baolina volamena, vazy volamena izay matsokotsoko ny fanambaniny, kaopy volamena, siny volamena, firapotsy, tehina ho an’ny mpanjaka.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 281) Tsy resahin’ny Baiboly hoe nandoa izany hetra izany i Jeho. Marina fa mety ho nandoa hetra ihany izy, raha jerena ny fitantaran’ny 2 Mpanjaka 10:31-33 momba izay nitranga tany Israely. Tsara hotadidina anefa fa tsy nahamenatra an’ireo mpanjaka asyrianina nizahozaho ny nanitatra an’izay nosoratany sy izay sary mivohitra nampanaoviny.

Vatolahin’i Salmanesera, ahitana an’i Jeho (na azo inoana kokoa fa ny irany) mandoa hetra amin’ilay mpanjaka asyrianina

2. Salmanesera Faha-5 no nandimby an’i Tiglato-pilesera III. Tsy resahin’ny tantara firy ny amin’io mpanjaka io. Toa mpanjakan’i Babylona nandritra ny dimy taona izy, fa nitondra ny anarana hoe Ololaia. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 272, f.a.p. 4) Nanoratra koa i Josèphe fa noresahin’ilay mpahay tantara atao hoe Ménandre ny nanaovan’i Salmanesera Faha-5 fahirano an’i Tyro. (Rakitry ny Ela Jiosy, IX, 283-287 [xiv, 2]) Ankoatra izay, dia ny Baiboly ihany no tena miresaka momba an’io mpanjaka io.

Nifehy an’ireo Israelita. Nanafika an’i Palestina i Salmanesera Faha-5, tamin’ny fotoana nanjakan’i Hosea tany Israely (t. 758-740 T.K.). Lasa nofeheziny àry i Hosea, ka nandoa hetra taminy isan-taona. (2Mp 17:1-3) Tsy nandoa an’ilay izy intsony anefa i Hosea tatỳ aoriana, sady tratra niray tetika tamin’i So mpanjakan’i Ejipta. (Jereo SO.) Nogadrain’i Salmanesera àry i Hosea, ary avy eo nataony fahirano nandritra ny telo taona i Samaria. Resy ihany ilay tanàna voaro mafy, ary natao sesitany ny Israelita.​—2Mp 17:4-6; 18:9-12; ampit. Ho 7:11; Ezk 23:4-10.

Tsy resahin’ny Baiboly anefa ny anaran’ilay mpanjaka asyrianina nandresy an’i Samaria.​—Jereo SARGONA.

Resy tamin’ny 740 T.K. i Samaria, ka nifarana teo ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely izay naharitra 257 taona.