Salmona
(Salmôna).
1. Zanakalahin’i Nasona mpiadidy teo amin’ny fokon’i Joda. Azo inoana fa teraka nandritra ny 40 taona nandehandehanan’ny Israelita tany an-tany efitra i Salmona. Nanambady an’i Rahaba avy tany Jeriko izy, ary niteraka an’i Boaza. Anisan’ireo razamben’i Davida sy Jesosy àry izy. (No 2:3; Rt 4:20-22; Mt 1:4, 5; Lk 3:32) Nantsoina hoe Salma izy ao amin’ny 1 Tantara 2:11. Taranak’i Rama i Salmona, ary nonina tao Betlehema ny taranany. Tsy tokony hafangaro aminy anefa ilay Salma “rain’i Betlehema” (na nanorina an’i Betlehema), resahin’ny 1 Tantara 2:51, 54. Ity Salma farany ity mantsy taranak’i Kaleba rahalahin’i Rama.—Ampit. 1Ta 2:9, 18.
2. Havoana iray tao amin’ny nosy Kreta, nahatazanana ny ranomasina. Maro no mihevitra azy io ho ny Tanjona Sidero, any amin’ny tendrony atsinanana amin’ilay nosy. Tamin’ny taona 58 tany ho any, dia nandalo tao Salmona ny sambo nitondra an’i Paoly hotsaraina tany Roma. Niala tao Kinido ilay sambo, saingy nifofofofo ny rivotra ka toa tsy afaka nandalo tany avaratr’i Kreta sy tany amin’ny tendrony atsimo tamin’i Gresy ilay izy, mba ho any Roma. Voatery nianatsimo sy nandalo tao Salmona àry ilay sambo, ary nanaraka ny morony atsimo tamin’i Kreta avy eo mba tsy ho azon-drivotra.—As 27:7.