Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Saloma

Saloma

(Salôma).

[1-13: Avy amin’ny fototeny midika hoe “mihavana; manonitra; mamaly izay natao”]

1. Zanakalahin’i Naftaly, ary ny anarany no voatonona farany. (1Ta 7:13) Soratana hoe Silema koa ny anarany indraindray.​—Ge 46:24; No 26:49; jereo SILEMA.

2. Zanak’i Saoly, ary zafikelin’i Simeona, sady rain’i Mibsama.​—1Ta 4:24, 25.

3. Zanak’i Sismay sady rain’i Jekamia, tao amin’ny fizarana nisy an’ireo Jeramelita taranak’i Joda.​—1Ta 2:4, 5, 9, 25, 40, 41.

4. Lohany tamin’ireo mpiandry vavahadin’ny toerana masina. Teo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka teo atsinanana izy talohan’izay no niambina. Taranak’i Kora izy. Miseho imbetsaka ao amin’ny lisitr’ireo niverina avy tany Babylona sy nonina tao Jerosalema ny anarana hoe Saloma. (1Ta 9:2, 3, 17-19, 31, 34; Ezr 2:1, 42; Ne 7:45) Misy resaka momba an’i Saloma koa anefa tamin’ny andron’i Jeremia, ao amin’ilay filazana hoe “efitra fisakafoan’i Mahaseia zanak’i Saloma, mpiandry varavarana.” (Je 35:4) Mety hidika izany hoe velona efa taloha be io Saloma io, fa taranany kosa ilay fianakaviamben’ny mpiandry vavahady tatỳ aorian’ny sesitany. Vao mainka marina izany, raha izy ihany ilay Selemia sy Meselemia, mpiandry vavahady tany atsinanana, tamin’ny andro nanjakan’i Davida.​—1Ta 26:1, 2, 9, 14.

5. Mpanjaka faha-16 teo amin’ny fanjakan’ny foko folo. Zanak’i Jabesy izy. Nikomy tamin’i Zakaria, mpanjaka farany taranak’i Jeho, i Saloma, ka namono azy. Nanjaka tao Samaria iray volana monja anefa izy (t. 791 T.K.), satria novonoin’i Menahema.​—2Mp 15:8, 10-15.

6. Efraimita rain’i Jehizkia. Anisan’ny lohany teo amin’ny fokon’i Efraima io Jehizkia io, ary tsy navelany hatao babo ireo rahalahiny avy tany Joda.​—2Ta 28:12, 13.

7. Taranak’i Arona Mpisoronabe, ka mety ho mpisoronabe koa. I Hilkia zanany na taranany no mpisoronabe tamin’ny andro nanjakan’i Josia. (1Ta 6:12, 13; 2Ta 34:9) Taranany koa i Ezra. (Ezr 7:1, 2) Misy andininy miantso azy hoe Mesolama.​—1Ta 9:11; Ne 11:11; jereo MESOLAMA No. 4.

8. Vadin’ilay Holda mpaminanivavy izay notsidihin’ireo iraka nalefan’i Josia Mpanjaka. Zanak’i Tikva i Saloma, ary “mpikarakara ny fitafiana” (mety ho ny an’ny mpisorona na ny an’ny mpanjaka). (2Mp 22:14; 2Ta 34:22) Mety ho izy ihany ilay Saloma No. 10.

9. Zanakalahin’i Josia. Nanjaka tao Joda nandritra ny telo volana izy talohan’ny nanaovan’i Farao Neko azy sesitany. (1Ta 3:15; 2Mp 23:30-34; Je 22:11, 12) Misy andininy miantso azy hoe Joahaza.​—Jereo JOAHAZA No. 3.

10. Rahalahin-drain’i Jeremia. Tamin’i Hanamela zanany i Jeremia no nividy saha, tamin’ny 608 T.K. (Je 32:1, 7-9) Mety ho ity Saloma ity ilay No. 8, rehefa jerena ny fotoana nahavelomany.

11. Iray tamin’ireo mpiandry vavahady, izay nanaiky handroaka ny vadiny hafa firenena niaraka tamin’ny zanany, rehefa tonga tany Jerosalema i Ezra. (Ezr 10:24, 44) Azo inoana hoe mpihavana ity Saloma ity sy ilay No. 4.

12. Taranak’i Binoy. Nanaiky handroaka ny vadiny hafa firenena niaraka tamin’ny zanany koa izy.​—Ezr 10:38-42, 44.

13. Andrianan’ny antsasaky ny faritanin’i Jerosalema. Nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema koa izy sy ny zanany vavy. Zanak’i Halohesy izy na taranany.​—Ne 3:12.

14. [Tsy Manana Ahiahy; Tsy Mitebiteby; Tsy Miasa Saina]. Andrianan’ny faritanin’i Mizpa sady zanakalahin’i Kola-hoze. Nanampy an’i Nehemia nanamboatra ampahany tamin’ny mandan’i Jerosalema i Saloma, sady nanamboatra ny simba tamin’ny Vavahadin-doharano.​—Ne 3:15.