Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Salome

Salome

(Salômè) [mety ho avy amin’ny fototeny heb. midika hoe “fiadanana”].

1. Toa i Salome no renin’ny zanak’i Zebedio, izany hoe renin’i Jakoba sy Jaona izay samy apostolin’i Jesosy Kristy. Ny fampitahana ny Matio 27:56 sy ny Marka 15:40 no ahalalana izany. Manonona vehivavy telo mantsy i Matio, rehefa mitantara ny namantsihana an’i Jesosy: Maria anankiroa (Maria Magdalena sy Maria renin’i Jakoba [kely] sy Josesy) ary ny renin’ny zanak’i Zebedio. I Marka kosa milaza mihitsy fa i Salome ilay vehivavy niaraka tamin’ireo Maria anankiroa ireo.

Nisy nampitaha an’ireo andininy roa ireo tamin’ny Jaona 19:25, ka nanombantombana hoe rahavavin’i Maria, renin’i Jesosy, koa i Salome. Manonona an’ireo Maria anankiroa ireo (Maria Magdalena sy Maria “vadin’i Klopa” [heverina fa renin’i Jakoba kely sy Josesy]) koa i Jaona sady milaza hoe: “Nitsangana teo akaikin’ny hazo fijalian’i Jesosy ny reniny, sy ny rahavavin-dreniny.” Raha mitovy ihany ireo vehivavy telo noresahin’i Matio sy Marka ary Jaona (tsy tafiditra amin’ireo ny renin’i Jesosy notononin’i Jaona), dia mety hidika izany fa rahavavin-drenin’i Jesosy tokoa i Salome. Izao anefa: Milaza ny Matio 27:55 sy Marka 15:40, 41 fa nisy vehivavy maro hafa nanaraka an’i Jesosy. Mety ho anisan’izy ireny fotsiny àry i Salome.

Mpianatr’i Jesosy Kristy Tompo i Salome, ary anisan’ireo vehivavy nanaraka azy sy nampiasa ny fananany hikarakarana azy, rehefa jerena ny fitantaran’i Matio sy Marka ary Lioka (8:3).

Raha i Salome tokoa no renin’ireo zanak’i Zebedio, dia izy izany ilay vehivavy nanatona an’i Jesosy ka niteny hoe: “Aoka re ireto zanako ireto mba hipetraka eo anilanao e, ka ny iray eo ankavananao, ary ny iray eo ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.” Hita eto fa ny renin’izy roa lahy no niangavy an’i Jesosy. I Marka kosa milaza fa i Jakoba sy Jaona no nangataka izany. Inona no marina? Azo inoana fa izy roa lahy no te hahazo an’ilay toerana, fa ny reniny no nampirisihiny hangataka izany. Milaza mantsy i Matio hoe tezitra tamin’izy roa lahy, fa tsy tamin’ny renin’izy ireo, ny mpianatra hafa rehefa nandre izany.​—Mt 20:20-24; Mr 10:35-41.

Vao maraina be, tamin’ny andro fahatelo taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia nankany amin’ny fasany i Salome sy ny vehivavy vitsivitsy, mba hanosotra zavamaniry mani-pofona tamin’ny fatiny. Efa voakodia anefa ny vato teo am-baravaram-pasana, rehefa tonga tany izy ireo. Nisy anjely iray tao am-pasana ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Efa natsangana izy, ka tsy ato. Jereo fa teo no nametrahana azy!”​—Mr 16:1-8.

2. Zanakavavin’i Heroda Filipo sy Herodiasy. Vavitokan’i Herodiasy i Salome. Tatỳ aoriana, dia nalain’i Heroda Antipasy ho vady ny renin’i Salome, nefa efa vadin’i Filipo rahalahiny hafa reny. Nankalaza ny andro nahaterahany i Antipasy, taloha kelin’ny Paska taona 32, ka nanao fanasana takariva tany Tiberiasy. Nasainy nandihy i Salome (zana-badiny sady anisan’ny ankohonan’ny mpanjaka) mba hampifaliana ny vahininy, ka anisan’izany ny “manam-pahefana ambony sy ny mpitari-tafika ary ireo lohandohany tany Galilia.” Tena faly i Heroda nahita an’i Salome nandihy, ka nampanantena fa hanome azy an’izay rehetra angatahiny, na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakany aza. Ny lohan’ny Jaona Mpanao Batisa no nangatahiny, araka ny fampirisihan’ilay reniny ratsy fanahy. Nalahelo i Heroda nefa “nandidy ny hanomezana an’izany ihany izy, noho ny fianianany sy noho ireo olona nandry ilika niara-nisakafo taminy. Ary naniraka olona hanapaka ny lohan’i Jaona tao am-ponja izy. Koa nentina teo am-bilia ny lohany ka nomena an-drazazavavy, ary razazavavy kosa nitondra izany tany amin-dreniny.”​—Mt 14:1-11; Mr 6:17-28.

Tsy hita ao amin’ny Soratra Masina ny anaran’io Salome io, fa voasoratra ao amin’ireo asa soratr’i Josèphe kosa. Tantarain’i Josèphe koa fa lasa vadin’i Filipo lehibem-paritra i Salome, nefa tsy niteraka izy ireo. Rahalahin’i Heroda Antipasy koa i Filipo, saingy hafa reny. Nanambady an’i Aristobolo, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, i Salome rehefa maty i Filipo. Niteraka telo lahy izy ireo.