Sama
(Sàma).
1. Lehibem-poko edomita ary zafikelin’i Esao satria zanak’i Regoela.—Ge 36:10, 13, 17; 1Ta 1:37.
2. Zokilahin’i Davida Mpanjaka ary nantsoina koa hoe Simea na Simey. (1Ta 2:13; 2Sa 13:3; 21:21) Izy no fahatelo tamin’ireo zanakalahin’i Jese. Izy àry no olona fahatelo azo nofidina sy nohosorana ho mpanjaka, nefa nolavin’i Samoela. (1Sa 16:6-9) Anisan’ny tafik’i Saoly izy, rehefa nihantsy ady tamin’ny Israely i Goliata ary nanatitra sakafo tany an’ady i Davida. (1Sa 17:13, 14, 20, 23) Iray tamin’ireo zanakalahin’i Sama i Jonatana, izay namono Filistinina goavam-be iray. (2Sa 21:20, 21; 1Ta 20:6, 7) Misy mihevitra fa nantsoina koa hoe Jonadaba i Jonatana, ary izy ilay nanome sain-dratsy an’i Amnona.—2Sa 13:3, 32.
3. Mpitarika tao amin’ny fokon’i Asera. Zanakalahin’i Zofa na taranany i Sama.—1Ta 7:36, 37, 40.
4. Anisan’ireo telo lahy mahery indrindra tao amin’ny tafik’i Davida, ary zanakalahin’i Age Hararita. Niaro saha iray mba tsy ho azon’ny Filistinina izy, indray mandeha, ary maro be tamin’izy ireo no matiny. (2Sa 23:11, 12) Niditra an-keriny nankany amin’ilay lavaka fanangonan-drano tao Betlehema (izay nisy toby mpitilin’ny Filistinina) izy sy ireo lehilahy mahery roa hafa, mba haka rano hosotroin’i Davida, nefa tsy nety nisotro izy. (2Sa 23:13-17) Misy lisitra roa mitovy ao amin’ny 1 Tantara 11:33, 34 sy 2 Samoela 23:32, 33 (maro no mihevitra fa “Jonatana, zanak’i Sama Hararita” no tokony ho voasoratra ao amin’io andininy farany io). Raha ampitahaina ireo lisitra roa ireo, dia hita fa anarana hafa niantsoana an’i Sama ny hoe Sage, ary nanan-janakalahy nantsoina hoe Jonatana, izay lasa lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida, koa i Sama.
5. Anisan’ireo lehilahy mahery 30 tao amin’ny tafik’i Davida. Harodita i Sama. (2Sa 23:8, 25) Toa samy hafa ny fanoratana ny anarany ao amin’ny 1 Tantara 11:27 (Samota) sy 1 Tantara 27:8 (Samihota). Voalazan’io andininy farany io fa lehiben’ny antoko-miaramila, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ny volana fahadimy, izy.
6. [Mety ho fanafohezana ny hoe Semaia, izay midika hoe “Nandre (Nihaino) i Jehovah”]. Iray amin’ireo lehilahy maherin’i Davida. Rahalahin’i Jeiela izy ary zanakalahin’i Hotama Aroerita.—1Ta 11:26, 44.