Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samaria

Samaria

(Samarìa) [An’ny Fokon’i Samera].

1. Tanàna naorin’i Omry Mpanjaka, tany antenatenan’ny taonjato fahafolo T.K. tany ho any, ary renivohitry ny fanjakan’ny Israely tany avaratra nandritra ny 200 taona mahery. Novidiny tamin’i Samera ilay tendrombohitra nanorenany an’io tanàna io, ka talenta volafotsy roa (13 212 dolara) no vidiny. (1Mp 16:23, 24) Mbola mitondra ny anaran’io tompony taloha io foana ilay tendrombohitra sy ilay tanàna teo an-tampony.​—Am 4:1; 6:1.

Toerana nisy azy. Maro no milaza an’i Samaria ho i Shomeron, tanàna efa rava, 55 km eo ho eo any avaratr’i Jerosalema, sy 11 km any avaratrandrefan’i Sekema, ary akaikin’ilay tanàna antsoin’ny Arabo hoe Sabastiya. Tao amin’ny faritanin’i Manase no nisy an’i Samaria. Nolazaina hoe “lohan’i” Efraima izy io, satria renivohitry ny fanjakan’ny foko folo, ka ny fokon’i Efraima no lehibe indrindra. (Is 7:9) Nisy tanàna nantsoina hoe “Samira, any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima”, ary io no tanàna niavian’i Tola Mpitsara. Mety ho tany akaikin’io Samira io na tao mihitsy no nisy an’i Samaria.​—Mpts 10:1, 2.

Mety tsara hanorenana tanàna ilay havoanan’i Samaria satria somary marin-tampona (2 km eo ho eo avy any atsinanana miankandrefana). Mora arovana ilay havoana satria mitsatoka be ny tehezany (90 m eo ho eo ny haavony miala avy eo amin’ilay lemaka eo ambaniny). Tena mahafinaritra ny zavatra tazana avy eny an-tampony: Tendrombohitra avo no eny avaratra sy atsinanana ary atsimo, fa ny ranomasina mangan’i Mediterane izay 34 km miala eo kosa no eny andrefana. Mirefy 463 m ny haavon’ilay toerana raha oharina amin’i Mediterane. Mitsontsorika moramora àry ny fidinana avy eo Samaria mankany Mediterane.

Ny tantaran’ireo mpanjaka 14 nivadika teo amin’ny Israely (Omry ka hatramin’i Hosea), no misongadina ao amin’ny tantaran’i Samaria.​—1Mp 16:28, 29; 22:51, 52; 2Mp 3:1, 2; 10:35, 36; 13:1, 10; 14:23; 15:8, 13, 14, 17, 23, 25, 27; 17:1.

Tamin’ny andron’i Ahaba. Rehefa maty i Omry, dia i Ahaba zanany no nanohy ny asa fanorenana, nandritra ireo 22 taona nanjakany. Nanorina tempoly sy alitara ho an’i Bala, ohatra, izy, ary nanangana “tsato-kazo masina” mba hivavahana. Manaporofo izany fa nanjaka tao amin’io tanàna vaovao io ny fivavahana kananita notohanan’i Jezebela, vehivavy fenisianina vadin’i Ahaba. (1Mp 16:28-33; 18:18, 19; 2Mp 13:6) Nohatsarain’i Ahaba koa i Samaria, satria nanorina “trano ivoara” tao izy, ary azo inoana fa nisy “farafara ivoara” tao, toy ilay noresahin’i Amosa mpaminany 100 taona tatỳ aoriana. (1Mp 22:39; Am 3:12, 15; 6:1, 4) Anisan’ny zavatra nofongarin’ny mpikaroka tao Samaria ny silaka ivoara 500 mahery, ary maro tamin’ireny no vita sokitra tsara tarehy.

Nanao fahirano an’i Samaria i Beni-hadada II mpanjakan’i Syria, nandritra ireo taona faramparany nanjakan’i Ahaba. Nianiana i Beni-hadada fa tsy hahazo na vovoka eran-tanan’ila aza ny miaramilany satria hataony tsy misy miangana i Samaria. Nataon’i Jehovah nandresy anefa ny Israelita mba ho fantatr’i Ahaba fa i Jehovah Andriamanitra no Mahery Indrindra. (1Mp 20:1-21) Niady tamin’i Ahaba indray i Beni-hadada, herintaona latsaka tatỳ aoriana, ary voatery nitolo-batana. Navelan’i Ahaba handeha izy rehefa nianiana fa haveriny amin’ny Israely ireo tanàna nalain’ny Syrianina ary havelany hifidy ‘arabe any Damaskosy’ i Ahaba, toy ny nifidianan’ny rain’i Beni-hadada arabe tany Samaria. (1Mp 20:26-34) Azo inoana fa nanorina tsena teny amin’ireny “arabe” ireny ny rain’i Beni-hadada mba hampandrosoana ny varotra nataony. Sosotra sy kivy anefa i Ahaba rehefa nody tany Samaria. Nilaza taminy mantsy i Jehovah fa hamoy ny ainy izy ho solon’ny ain’i Beni-hadada, izay tsy novonoiny.​—1Mp 20:35-43.

Tanteraka tokoa izany, telo taona tatỳ aoriana, rehefa nanasa an’i Josafata mpanjakan’ny Joda i Ahaba mba hiaraka aminy haka an’i Ramota-gileada teo an-tanan’i Syria. Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, teo amin’ny fidirana amin’ny vavahadin’i Samaria, ireo mpanjaka roa ireo, nefa tsy ny mpaminanin’i Jehovah no nohenoiny fa ireo mpaminany sandoka. Nandeha niady tamin’i Syria àry izy ireo. (1Mp 22:1-28; 2Ta 18:2, 9) Mody nanao olon-kafa i Ahaba, kanjo voan’ny zana-tsipìka nalefan’ny fahavalo anjoanjo fotsiny. Tsy nety nijanona ny rany ka maty tao anaty kalesiny izy. Nalevina tao Samaria renivohiny izy, ary nosasana teo amin’ny dobon’i Samaria ny kalesiny. (1Mp 22:29-38) Mety ho io dobo io ilay dobo miendrika mahitsizoro, izay somary marivo, hitan’ny mpikaroka.

Natao ampamoaka farany ny ankohonan’i Ahaba, ka i Jeho no voahosotr’i Jehovah handringana azy ireo. (2Mp 9:6-10) I Jorama zanak’i Ahaba, sy Ahazia zafikeliny ary Jezebela vady navelany no novonoin’i Jeho voalohany. (2Mp 9:22-37) Nanoratra taratasy i Jeho avy eo ka nampirisika an’ireo andriana sy anti-panahin’i Samaria mba hanapaka ny lohan’ireo 70 lahy zanak’i Ahaba sisa tavela. Hoy i Jeho: “Fantaro àry fa tsy hisy ho raraka an-tany ny tenin’i Jehovah izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba, fa i Jehovah mihitsy no efa nanatanteraka izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.”​—2Mp 10:1-12, 17.

Nitranga tany Samaria sy ny manodidina koa ny zavatra sasany nataon’i Elia sy Elisa na nasain’i Jehovah nolazain’izy ireo. Ahitana izany, ohatra, ny fitantarana momba ny nianjeran’i Ahazia zanak’i Ahaba teo amin’ny makarakaran’ny efitranony tany an-tampon’ny lapany tao Samaria (2Mp 1:2-17); sy ilay nahatongavan’i Namàna syrianina tany Samaria mba hositranina tamin’ny habokana (2Mp 5:1-14); ary ilay tamin’ny tafika syrianina nirahina hisambotra an’i Elisa ka natao jamba ny sain’izy ireo, dia nentina tany Samaria izy ireo ary nomena sakafo sy nalefa nody. (2Mp 6:13-23) Rehefa nanao fahirano an’i Samaria ny Syrianina, dia nisy mosary mafy tamin’ny andro nanjakan’i Jorama zanak’i Ahaba, ka nihinana ny zanany mihitsy aza ny olona sasany. Tanteraka anefa ny faminaniana nolazain’i Elisa, satria nifarana ilay mosary tao anatin’ny iray alina monja. Nataon’i Jehovah raiki-tahotra mantsy ny Syrianina ka nandositra, ary navelan’izy ireo teo ny vatsiny.​—2Mp 6:24-29; 7:1-20.

Nifandrafy tamin’i Jerosalema. Lasa ady indraindray ny fifankahalana sy ny fifaninanana teo amin’i Samaria renivohitry ny fanjakana tany avaratra sy i Jerosalema renivohitry ny fanjakana tany atsimo. Rehefa hanafika an’i Edoma, ohatra, ny mpanjakan’ny Joda dia nalefany nody ny mpikarama an’ady 100 000 avy any Israely, noho ny baikon’i Jehovah. Tezitra be izy ireo na dia efa naloa aza ny karamany talenta volafotsy 100 (660 600 dolara). Notafihin’izy ireo àry ny tanànan’i Joda “hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona.” (2Ta 25:5-13) Nandresy an’i Edoma ny mpanjakan’ny Joda ka nirehareha, ary nanangana ady tamin’ny mpanjakan’i Samaria. Tsy nilamina mihitsy io ady io raha tsy nentina tany Samaria daholo ny volamena sy volafotsy tao an-tranon’i Jehovah sy ny zava-tsarobidy notehirizina tao an-tranon’ny mpanjaka tany Jerosalema. (2Mp 14:8-14; 2Ta 25:17-24) Rehefa resy i Ahaza mpanjakan’ny Joda, taona maro tatỳ aoriana, dia naverin’ny Israely ny babo sy ny zavatra norobaina sasany izay nentiny tany Samaria. Tsy te hiharan’ny fahatezeran’i Jehovah mantsy izy ireo.​—2Ta 28:5-15.

Noravana ny tanànan’i Samaria tatỳ aoriana, satria nanompo sampy, naloto fitondran-tena, ary tsy niraharaha intsony ny lalàn’Andriamanitra sy ny toro lalany. (2Mp 17:7-18) Nampitandrina imbetsaka an’ireo mpitondra sy vahoaka tao i Jehovah, ka naniraka mpaminany toa an’i Isaia (8:4; 9:9), Hosea (7:1; 8:5, 6; 10:5, 7; 13:16), Amosa (3:9; 8:14), Mika (1:1, 5, 6), sy ny hafa (1Mp 20:13, 28, 35-42; 22:8) ary koa i Elia sy Elisa. Taorian’ny nandravana an’i Samaria, dia notononin’ny mpaminany hafa izy io mba hampitandremana an’ireo tsy manaiky ny toromarik’i Jehovah.​—2Mp 21:10-13; Je 23:13; Ezk 16:46, 51, 53, 55; 23:4, 33.

Tantara tatỳ aoriana. Tamin’ny 742 T.K., dia nanao fahirano an’i Samaria i Salmanesera Faha-5 mpanjakan’i Asyria. Nahatohitra nandritra ny telo taona latsaka i Samaria vao resy tamin’ny 740 T.K. Maro ny olona ambony nentina ho babo, ka natao sesitany tany Mezopotamia sy tany Media. Mbola iadian-kevitra hoe i Salmanesera Faha-5 sa i Sargona II, izay nandimby azy, no tena nandresy an’i Samaria.​—2Mp 17:1-6, 22, 23; 18:9-12; jereo SARGONA.

Teo amin’ny nandresen’ny Asyrianina an’i Samaria no mifarana ny fitantaran’ny Baiboly momba an’io tanàna io. Matetika ny Baiboly no mampitandrina an’ireo mikomy amin’i Jehovah rehefa mbola miresaka momba an’i Samaria (2Mp 18:34; 21:13; Is 10:9-11; 36:19), nefa tsy voatery ho izany foana. (2Mp 23:18; As 8:5) Mitantara ny Baiboly fa taorian’ny naharavan’i Jerosalema sy ny namonoana an’i Gedalia, dia nisy 80 lahy avy any Sekema sy Silo ary Samaria, nidina nankany Mizpa ary nifanehatra tamin’i Ismaela mpamono olona. Novonoin’i Ismaela ny ankamaroan’ireo lehilahy ireo, afa-tsy ireo nampanantena fa hanoro azy ny toerana nanafenan’izy ireo varimbazaha sy vary orza sy menaka ary tantely.​—Je 41:1-9.

Miresaka an’i Samaria tamin’ny andron’i Aleksandra Lehibe sy taorian’izay, ny tantara tsy ara-pivavahana. Kanto erỳ io tanàna io tamin’ny andron’ny Romanina, noho ireo zavatra naorin’i Heroda Lehibe tao. Nomen’i Heroda anarana grika hoe Sebasta (endriny milaza vavy amin’ilay anarana latinina hoe Aogosto) izy io ho fanomezam-boninahitra an’i Aogosto, mpanjaka romanina voalohany. Mbola hita ao amin’ilay anarany ankehitriny amin’ny teny arabo hoe Sabastiya ilay anarana nomen’i Heroda azy io. Tsy mahagaga raha zavatra nisy tamin’ny fotoana samihafa teo amin’ny tantara no nofongarina tao. Tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Israely mihitsy aza ny sasany tamin’ireny.

Sisa tavela tamin’ny tanàna romanina tao Samaria fahiny

2. Ny faritanin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely tany avaratra. Niantsoana an’ilay faritra manontolo indraindray ny anaran’i Samaria renivohitra. Rehefa nantsoina hoe “mpanjakan’i Samaria”, ohatra, i Ahaba dia tsy ny tanànan’i Samaria fotsiny no nanjakany, fa ireo foko folo manontolo. (1Mp 21:1) Tsy ireo tanàna nanodidina ny renivohitra ihany no nantsoina hoe “tanànan’i Samaria”, fa ny tanàna rehetra niely tany amin’ireo foko folo koa. (2Mp 23:19; miresaka momba ny “tanànan’i Samaria” koa ny 1Mp 13:32 saingy toa nosoratana talohan’ny nanorenana an’i Samaria izy io. Raha tsy faminaniana izy io dia mety ho ilay olona nanangona ny tantara ao amin’ny bokin’ny Mpanjaka no nanatsofoka azy tao.) Ilay mosary “tany Samaria” tamin’ny andron’i Ahaba dia nitatra nanerana ny fanjakan’i Samaria, ary tonga hatrany Fenisia, ary fara fahakeliny tonga tany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kerita, any atsinanan’i Jordana, ka hatrany Zarefata tany amoron’i Mediterane. (1Mp 17:1-12; 18:2, 5, 6) Nihatra tamin’ny faritanin’i Samaria iray manontolo koa ilay fampanantenana hoe haverina amin’ny laoniny “ireo tendrombohitr’i Samaria.”​—Je 31:5.

Toa i Tiglato-pilesera III no voalohany nanala ny Israelita tany Samaria. Anisan’ireo nafindrany tany Asyria, ny olona ambony sasany teo amin’ireo Robenita, Gadita ary Manasita tany atsinanan’i Jordana. (1Ta 5:6, 26) Rehefa rava ny fanjakana tany avaratra, dia maro kokoa no natao sesitany. (2Mp 17:6) Nitondra olona avy any amin’ny faritra hafa tao amin’ny fanjakany anefa ny mpanjakan’i Asyria tamin’izay, ary napetrany hisolo ny zanak’Israely tany Samaria ireny. Mbola nanao izany koa i Esara-hadona sy Asnapara (Asorobanipala).​—2Mp 17:24; Ezr 4:2, 10.

Lasa be liona ilay tany, angamba noho izy io, na ny faritra sasany taminy, tsy nisy mponina nandritra ny fotoana kelikely. (Ampit. Ek 23:29.) Ninonino foana ireo mpiavy tao, ka nihevitra fa noho izy ireo tsy nahalala ny fomba fivavahana amin’ny andriamanitr’ilay tany no nahatonga izany. Nampodin’ny mpanjakan’i Asyria avy tany an-tsesitany àry ny Israelita iray mpisoron’ny fivavahana tamin’ny zanak’omby. Nampianatra an’ireo mponina ireo momba an’i Jehovah ilay mpisorona, kanefa ny fampianarana araka ny fomban’i Jeroboama no natorony azy ireo. Nianatra momba an’i Jehovah izy ireo kanefa mbola nivavaka tamin’ny andriamani-diso foana.​—2Mp 17:24-41.

3. Faritany romanina nandehanan’i Jesosy tsindraindray. Nitory momba ny Fivavahana Kristianina tany ny apostoly tatỳ aoriana. Tsy fantatra ny tena sisin-tanin’io Samaria io. Azo inoana anefa hoe i Galilia no tany avaratra, i Jodia no tany atsimo, ary avy any Jordana ka hatrany amin’ny morontsirak’i Mediterane any andrefana izy io, izany hoe saika ny faritanin’ny fokon’i Efraima sy ny an’ny antsasaky ny fokon’i Manase (any andrefan’i Jordana) fahiny.

Namakivaky an’i Samaria i Jesosy indraindray, rehefa nivezivezy tany Jerosalema. Teo anelanelan’ny faritanin’i Jodia sy Galilia mantsy no nisy an’i Samaria. (Lk 17:11; Jn 4:3-6) Tsy dia fanaon’i Jesosy ny nitory tao Samaria. Norarany mihitsy aza ny apostoly 12 mba tsy hankany amin’ny tanàna samaritanina. Nilaza kosa izy hoe: “Any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha”, izany hoe any amin’ny Jiosy.​—Mt 10:5, 6.

Nandritra ny fotoana voafetra ihany anefa io fandrarana io. Nilaza tamin’ny mpianany mantsy i Jesosy, taloha kelin’ny hiakarany tany an-danitra, fa tokony hitory ny vaovao tsara any Samaria sy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany koa izy ireo. (As 1:8, 9) Rehefa nisy fanenjehana àry tao Jerosalema, dia nanohy ny fanompoany tany Samaria ny mpianatra, indrindra fa i Filipo. Nirahina nankany i Petera sy Jaona tatỳ aoriana, ka vao mainka niroborobo ny Fivavahana Kristianina.​—As 8:1-17, 25; 9:31; 15:3.