Sambo
Karazana lakana lehibe natao hamakivakiana ranomasina. Tsy miresaka firy momba ny sambo, ny dia an-tsambo, ary ny fitaovan’ny sambo ny Baiboly. Ahafantarana momba ny sambo fahiny ihany anefa izy io sy ny tantaran’ireo firenena, ny sarin’ny sambon’ny mpivarotra, ny sarin’ny ady teny an-dranomasina, ary ny toy izany.
Ejipsianina. Zozoro niara-norarina sy nafatotra no nanaovana sambo sy lakana isan-karazany tany Ejipta. Nisy lakana kely nisosa teny amin’i Neily, ary mpihaza na mpanjono iray na vitsy monja no zakan’izy ireny. Nisy kosa sambolay lehibe sady mafy afaka namakivaky ranomasina, ary nifaingoka niakatra ny lohany. Sambo zozoro koa ny an’ny Etiopianina sy Babylonianina. Nanana andian-tsambo mpiady novoizina koa i Babylona.
Asehon’ny sary mivohitra iray any Médinet Habou ny sambolay ejipsianina misy andry nasiana toerana ambony fitazanana. Misy fivoy koa izy ireny, ary fivoy lehibe iray eo amin’ny vodisambo no familiana azy. Miendrika lohana liom-bavy ny lohan’ireo sambo, ary misy olona aziatika ao anaty vavan’ilay liona.
Nanao dia lavitra namakivaky ny Ranomasina Mediterane ny sambo lehibe nisy lay mahitsizoro sy fivoy 20 mahery, ary toy ny hoe nisy vombony ny fanambaniny. Efa nisy sambo nivezivezy teny an-dranomasina tamin’ny andron’i Mosesy, matoa i Jehovah nampitandrina ny Israelita teo amin’ny Lemak’i Moaba hoe raha tsy mankatò izy ireo, dia hoentina “an-tsambo hiverina any Ejipta” ka hamidy ho andevo any.—De 28:68.
Fenisianina. Toy ny sambo tsara tarehy ny tanànan’i Tyro, hoy i Ezekiela mpaminany (27:3-7). Mombamomba ny sambo fenisianina ny tsipiriany nolazainy. Hazo zenevrie mafy no nanaovana ny hazo fisaka, sedera avy any Libanona ny andry tokana, ary “hazo goavam-be” avy any Basana (angamba hazo oaka) ireo fivoy. Hazo siprey voaravaka ivoara no nanaovana ny lohany, izay azo inoana fa avo sy nifaingoka. Lamba rongony maro loko avy any Ejipta ny lainy, ary volonondry nolokoana (angamba niendrika tafo nanome aloka) no nandrakofana ny tokotaniny. Notsentsenana izay loaka tamin’ilay sambo. (Ezk 27:27) Tantsambo nahay ny Fenisianina, ary nanao raharaham-barotra eran’ny faritr’i Mediterane hatrany Tarsisy (angamba i Espaina). Misy mihevitra fa sambo nahavita dia lavitra an-dranomasina, toy ireo nentin’ny Fenisianina nanao raharaham-barotra tany, no dikan’ilay hoe “sambon’i Tarsisy” tatỳ aoriana. (1Mp 22:48; Sl 48:7; Is 2:16; Ezk 27:25) Toa sambo toy izany no nandehanan’i Jona. Nisy tokotany ilay izy, ary azo nasiana entana sy mpandeha tao ambanin’izy io.—Jo 1:3, 5.
Misy sambo fenisianina ny sary sokitra iray nataon’i Sankeriba. Sambolay mpiady misy fivoy roa laharana izy io, ary lava matsoko ny lohany. Misy hoatran’ny fefy manodidina ny tokotany ambony, ary nanantonana ampinga teo amin’ilay izy.
Hebreo. Voalaza hoe nijanona tao an-tsambo elaela i Dana rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina (Mpts 5:17), satria angamba teo amin’ny morontsirak’i Filistia ny faritany azony. (Js 19:40, 41, 46) Amoron-tsiraka koa ny faritanin’i Asera, izay nisy ny tanànan’i Tyro sy Sidona (na dia tsy misy porofo aza hoe nalain’i Asera izy ireo). Nanamorona an’i Mediterane ny an’i Manase sy Efraima ary Joda, ka fandalovan’ny sambo. (Js 15:1, 4; 16:8; 17:7, 10) Nisy nanamorona ny Ranomasin’i Galilia na teny akaikiny kosa ny an’i Manase sy Isakara ary Naftaly.
Toa nampiasa sambo hatry ny ela ny Israely. I Solomona anefa no mpanjaka voalohany nampiasa sambo rehefa nanao raharaham-barotra. Nampian’i Hirama izy rehefa nanao andian-tsambo mpitondra entana izay niala tao Eziona-gebera ho any Ofira. (1Mp 9:26-28; 10:22; 2Ta 8:17, 18; 9:21) Israelita sy tantsambo nahay avy any Tyro no nitondra an’ireo sambo izay nitatitra volamena, volafotsy, ivoara, rajako ary vorombola isaky ny telo taona.—1Mp 9:27; 10:22.
Niombon-draharaha tamin’i Ahazia mpanjakan’ny Israely ratsy fanahy i Josafata mpanjakan’ny Joda, rehefa nanao sambo tao Eziona-gebera mba haka volamena tany Ofira. Nilaza anefa i Jehovah fa tsy nankasitrahany izany. Rendrika tao Eziona-gebera àry ireo sambo, ary toa tsy nety niara-niasa tamin’i Ahazia intsony i Josafata.—1Mp 22:48, 49; 2Ta 20:36, 37.
Sambo mpiady. Lavalava, ivaiva, teritery ny sambo toy izany, ary nisy laharana iray na maromaro ny olona nivoy azy.
Nisolo tena ny mponin’i Jerosalema i Isaia, rehefa nilaza hoe: “Ao i Jehovah, Ilay Heni-kaja, no hiaro antsika, eny, hiaro toy ny renirano sy ny lakandrano lehibe izy. Tsy hisy handeha eny amin’Is 33:21, 22) Tsy nanana renirano na lakandrano lehibe nisakana ny fanafihan’ny fahavalo i Jerosalema. Hiaro azy io anefa i Jehovah, toy ny niarovan’ny renirano sy lakandrano an’i Babylona sy No-amona. (Na 3:8) Toy ny “renirano” na ‘rano’ mahery haharendrika sambo lehibe na andian-tsambon’ny mpanafika ny fiarovan’Andriamanitra. Nanome toky an’i Jerosalema àry i Jehovah Mpanjakany hoe hiaro sy hamonjy azy, ka tsy tokony hanana ahiahy izy.
ireny ny andian-tsambon’ny [a.b.t.: andian-tsambo voizin’ny] fahavalo, ary tsy hisy sambo lehibe handalo eny. Fa i Jehovah no Mpitsara antsika, Jehovah no Mpanome lalàna antsika, Jehovah no Mpanjakantsika, ary izy no hamonjy antsika.” (Tamin’ny taonjato voalohany. Nisy isan-karazany ny sambon’ny mpivarotra nivezivezy teo amin’i Mediterane tamin’izany. Nanaraka ny morontsiraka ny sasany, toy ilay avy tany Adramytena, izay nitondrana an’i Paoly voafonja avy tao Kaisaria nankany Myra. (As 21:1-6; 27:2-5) Lehibe ilay sambo niondranany tao Myra. Nitondra varimbazaha izy io, ary nisy tantsambo sy mpandeha 276 tamin’ny fitambarany. (As 27:37, 38) Nahazaka olona 600, hoy i Josèphe, ny sambo iray nandehanany.—Ny Fiainana, 15 (3).
Imbetsaka nandeha sambo i Paoly, ary efa intelo vaky sambo talohan’ilay diany avy tao Myra. (2Ko 11:25) Nisy lay lehibe sy lay anoloana ilay sambo nandehanany, ary fivoy lehibe roa teo amin’ny vodisambo no namiliana azy. Matetika no nisy marika ahitana sarina andriamanitra na andriamanibavy ny lohan’ny sambo toy ireny. (Nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy” ny sambo nandehanan’i Paoly tatỳ aoriana.) (As 28:11) Notarihin’ny sambo ny lakana kely iray fandehanana nankeny amoron-dranomasina rehefa niantsona ilay sambo. Nakarina tao an-tsambo ilay izy sao feno rano na potika, rehefa nisy tafio-drivotra. Nahery be ny tafio-drivotra tamin’ilay dian’i Paoly, ka nofehezin’ny tantsambo ny vatan’ny sambo (angamba nasiana tady na rojo vy ny nanodidina ny tapany ambany sao niparitaka), nampidininy ireo tady nihazona ny lay, nariany tany an-dranomasina ny varimbazaha sy ny fitaovan’ilay sambo, ary nofatorany ireo fivoy ka nampiakariny sao potika.—As 27:6-19, 40.
Teo amin’ny Ranomasin’i Galilia. Resahin’ny Filazantsara fa nisy sambokely nifamoivoy teo amin’ilay ranomasina. Mpanjono nampiasa harato (Mt 4:18-22; Lk 5:2; Jn 21:2-6) na lelam-pintana (Mt 17:27) no tena nitondra azy ireny. Indraindray i Jesosy niakatra tao an-tsambokely rehefa nitory tamin’ny vahoaka teo amoron-dranomasina (Mt 13:2; Lk 5:3), ary nandeha sambokely izy sy ny apostoliny rehefa niampita. (Mt 9:1; 15:39; Mr 5:21) Fivoy na lay kely no nampandehanana azy ireny. (Mr 6:48; Lk 8:22; mety ho azo adika hoe “Dia namelatra lay izy ireo” ilay hoe “Dia lasa izy ireo.”) Nisy nahazaka olona 13 na mihoatra izy ireny, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza ny bikabikany.—Mr 8:10; Jn 21:2, 3; jereo TANTSAMBO.
Vatofantsika. Vita tamin’ny vato ny vatofantsika voalohany fantatra ankehitriny, ary natsipy avy teo amin’ny lohan-tsambo. Vatofantsika hazo nisy lohany nifaingoka ary novesarana vato na metaly, no nampiasaina tao amin’ny faritr’i Mediterane tatỳ aoriana. Nisy rantsany firamainty ny sasany. Nilanja 545 kg teo ho eo ny vatofantsika iray hita tany akaikin’i Kyrena. Vita tamin’ny metaly ny vatofantsika tatỳ aoriana, ary toy ny efa mahazatra ny bikabikan’ny sasany fa nisy kosa roa ny tendrony. Nandatsaka vatofantsika efatra avy teo amin’ny vodisambo ireo tantsambo tamin’ilay dian’i Paoly (izany no fanao indraindray rehefa nahery ny rivotra). (As 27:29, 30, 40) Firamainty lavalava no nandrefesana ny halalin’ny rano.—As 27:28.
Niresaka “vatofantsika” an’ohatra ny apostoly Paoly, rehefa nilaza fa ny fanantenana nananan’ireo rahalahiny ao amin’i Kristy no ‘vatofantsiky ny ain’izy ireo.’—He 6:19; ampit. Ef 4:13, 14; Jk 1:6-8.