Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambofiara

Sambofiara

SAMBOFIARA

Ny sambofiaran’i Noa no niaro ny razamben’ny olombelona tsy ho fatin’ny Safodrano naneran-tany (2370-2369 T.K.). (Jereo NOA No. 1; SAFODRANO.) Efa natoron’i Jehovah an’i Noa ny tokony ho haben’ilay sambofiara, ny bikany, ny fidiran’ny hazavana sy rivotra ao, ary ny akora hampiasaina.—Ge 6:14-16.

Bikany sy habeny. Hoatran’ny vata be mahitsizoro ny sambofiara (heb.: tevah; gr.: kibôtôs). Fisaka fa tsy boribory ny fanambaniny ary tsy natao matsoko loha ilay sambofiara, satria tsy nokendrena mba ho haingam-pandeha. Tsy nila familiana koa ilay izy, fa tokony hitsingevana sy tsy ho tantera-drano fotsiny. Tsy mora nivadika ilay izy satria mahitsizoro, ary nahazaka entana bebe kokoa (nanan-tombo ampahatelony) noho ny sambo mahazatra. Nisy varavarana fampidirana sy famoahana entana koa ny lafiny iray.

Telonjato hakiho ny lavan’ny sambofiara, 50 hakiho ny sakany, ary 30 hakiho ny haavony, izany hoe 133,5 m x 22,3 m x 13,4 m raha 44,5 sm ny 1 hakiho (misy milaza fa 56 na 61 sm teo ho eo ny hakiho taloha). Hita eo fa inenin’ny sakany ny lavany. Mbola mampiasa refy toy izany ny mpanao sambo ankehitriny. Tokotokony ho 40 000 m3 àry ny hadirin’ilay sambofiara. Tsy nisy mihitsy sambo fahiny fantatra hoe ngezabe toa an’io. Nasiana rihana roa tao anatiny, ka 8 900 m2 teo ho eo ny velarany manontolo.

Nodidiana i Noa hoe: “Asio varavarankely [na tafo; heb.: tsôhar] ilay sambofiara.” (Ge 6:16, f.a.p.) Tsy fantatra marina hoe inona ilay tsôhar ary ahoana no nanaovana azy. Misy ifandraisany amin’ny hazavana io teny io, hoy ny manam-pahaizana sasany, ka nadikany hoe “varavarankely” (JM) na “fidiran’ny mazava” (Prot.). Ny hafa indray mampifandray azy io amin’ny fototeny arabo midika hoe “vohon-tanana”, “lamosim-biby”, “tokotanin-tsambo”, izany hoe faritra tsy mikasika amin’ny tany na rano, ka nandika azy io hoe “tafo.” (DIEM, DPV) Nodidiana koa i Noa hoe: “Vitao hatreny amin’ny iray hakiho tsy hipaka amin’ny tafo” ilay tsôhar.Ge 6:16.

Mety ho fidiran’ny hazavana sy rivotra àry ilay tsôhar, fa tsy lavaka kely iray efamira izay mirefy iray hakiho monja ny lafiny iray. Mety ho iray hakiho ny elanelan’izy io sy ny tafo, ary nasiana azy io daholo ny lafiny efatra tamin’ny sambofiara, ka efa ho 140 m2 ny velarany manontolo. Ampy tsara àry ny fidiran’ny rivotra teo ambany tafo na teo amin’ny toerana hafa, na dia mety ho nisolampy kely aza ilay tafo. Hoy i James Armstrong: “Tsy mazava ilay hoe ‘amin’ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony’ raha adika hoe ‘hazavana (= varavarankely)’ na ‘tafo (marin-tampona)’ ny hoe sôhar. Raha nisolampy kely anefa ilay tafo, dia mety ho ny elanelan’ny tampon’ny [vatan’ny sambofiara] sy ny tendron’ny tafo ilay hoe ‘hakiho iray hatreo ambony.’ Ny haavon’ny tapenaka ipetrahan’ny vovonana ilay ‘iray hakiho’, raha araka ny filazan’ny mpanao trano ankehitriny. ... Voaporofo àry fa nitongilana efatra isan-jato ny tafon’ny sambofiaran’i Noa (satria 1 hakiho ilay haavo, ary 25 hakiho ny avy eo amin’ny ilan’ny sambofiara hatreo amin’ny tendron’ny tafo), ka nikoriana tsara ny ranonorana.”—Testamenta Taloha (latinina), Leyde, 1960, p. 333.

Inona no nanaovana an’io sambofiara ngezabe io? Hoy i Jehovah: ‘Manaova sambofiara ho anao amin’ny hazo misy ditiny [a.b.t.: hazo gofera].’ (Ge 6:14) Hazo siprey na mitovitovy aminy, hono, io hazo io. Betsaka tokoa ilay hazo antsointsika hoe siprey tany amin’ny faritra nisy an-dry Noa. Tsy tantera-drano sy tsy mora lo izy ireny, ka tena tian’ireo nanao sambo, na ny taloha toa an’ireo Fenisianina sy Aleksandra Lehibe, na ny ankehitriny. Nisy varavarana sy tolàna vita tamin’ny siprey, hono, naharitra 1 100 taona. Nasaina nanentsina ny loaka sy ‘nanosotra godorao ny atin’ilay sambofiara sy ny ivelany’ koa i Noa.—Jereo GODORAO.

Nahazaka be. Nakana “roa avy ny karazan-javamananaina rehetra”, ary nampidirina tao anatin’ilay sambofiara niaraka tamin-dry Noa mivady sy ny zanany telo lahy ary ny vadin’izy ireo. Hoy ny Baiboly: “Lahy sy vavy no halainao. Ary amin’ny biby manidina araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, ary ny biby mandady rehetra amin’ny tany araka ny karazany avy, dia roa avy no hiditra hankao aminao mba hitsimbinana ny ainy.” Nakana fito avy kosa ny biby madio sy ny vorona. Tsy maintsy nisy sakafo maro be isan-karazany (tokony haharitra herintaona mahery) koa nangonina ho an’ireo rehetra ireo.—Ge 6:18-21; 7:2, 3.

Araka ny “karazany” nanasokajian’ilay Mpamorona azy no nifidianana an’ireo biby. Tsy miova mihitsy ireo sokajy miavaka tsara ireo, ary samy afaka miteraka “araka ny karazany avy” ny sokajy tsirairay. Misy milaza fa azo sokajina ho fianakaviana na “karazany” vitsivitsy monja, toy ny hoe omby na soavaly, ohatra, ireo biby ana hetsiny ankehitriny. Izay iray “karazany” ao anaty sokajy napetrak’i Jehovah ihany no nampivadina sy azo nampivadina. Misy mpikaroka àry milaza fa efa ampy mba hampisy an’ireo biby samy hafa fantatra ankehitriny ny biby tao anaty sambofiara, raha nisy ‘karazana’ biby mampinono 43 monja, ‘karazana’ vorona 74, ary ‘karazana’ biby mandady 10. Ny hafa indray milaza fa efa ampy na dia 72 monja aza ny ‘karazana’ biby manan-tongotra efatra ary latsaka ny 200 ny ‘karazana’ vorona. Mety ho avy amin’ny “karazana” biby vitsivitsy velona taorian’ny Safodrano tokoa ireo biby samy hafa fantatra ankehitriny, rehefa dinihina ny karazana olona misy. Ao ny fohy, lava, matavy, mahia, ary samy hafa ny volon-kodiny sy ny lokon’ny volony sy masony, nefa samy avy amin’ny fianakavian’i Noa izy rehetra.

Misy kosa mihevitra fa vitsy loatra ireo isa ireo, satria milaza ny boky sasany fa 1 300 000 mahery ny karazam-biby. (Rakipahalalana Amerikanina, 1977, Boky 1, p. 859-873) Maherin’ny 60 isan-jaton’ireo anefa no bibikely. Raha 24 000 no karazana biby mivelona anaty rano sy an-tanety sy biby mandady sy vorona ary biby mampinono, dia 10 000 ny vorona, 9 000 ny biby mandady sy biby mivelona anaty rano sy an-tanety (maro taminy angamba no tsy maty na dia tany ivelan’ny sambofiara aza), ary 5 000 monja ny biby mampinono (anisan’izany ny trozona sy feso izay mety ho tany ivelany koa). Misy mpikaroka indray milaza fa 290 eo ho eo monja ny karazana biby mampinono lehibe noho ny ondry, ary 1 360 eo ho eo no kely noho ny voalavo. (Ny Tantaran’ny Safodrano Hita Soritra ao Anaty Vato, nataon’i B. Nelson, 1949, p. 156; Ny Voalazan’ny Baiboly sy ny Jeolojia ary ny Arkeolojia Momba ny Safodrano, nataon’i A. Rehwinkel, 1957, p. 69) Na raha ireo isa ireo aza no iaingana, dia mbola zakan’ny sambofiara tsara raha nakana roa avy ireo biby rehetra ireo.

“Tafapetraka teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ilay sambofiara”, dimy volana taorian’ny nanombohan’ny Safodrano. Tsy teo an-tampony (efa ho 5 165 m) anefa izy io, fa teo amin’ny toerana tsy dia nanahirana an’izay rehetra tao anatiny nandritra ny volana vitsivitsy. Nisokatra indray ny varavarana ka nivoaka ny rehetra, herintaona sy folo andro taorian’ny nanombohan’ny Safodrano.—Ge 7:11; 8:4, 14.

Tsy voaporofo hoe ny sisa tavela tamin’ny sambofiara tokoa ilay nisy nahita.