Samgara
(Samgàra).
Mpanafaka ny Israely, teo anelanelan’ny fotoana naha mpitsara an’i Ehoda sy Baraka. Zava-bita miavaka iray monja no voatantara momba azy: Namono Filistinina 600 tamin’ny fanindronan’omby izy. Na izany aza anefa dia nolazaina hoe “mpamonjy ny Israely” izy. (Mpts 3:31) Milaza i Josèphe fa maty tamin’ny taona voalohany naha mpitsara azy i Samgara. (Rakitry ny Ela Jiosy, V, 197 [iv, 3]) Voalaza fa “zanak’i Anata” i Samgara, ka mety ho i Beti-anata, tanàna any Naftaly, no tiana holazaina.—Mpts 1:33.