Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samira

Samira

(Samìra).

1. Levita zanakalahin’i Mika.​—1Ta 24:20, 24.

2. Tanàna tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48) Mbola ahitana an’ilay anarana fahiny ao amin’ny hoe Kirbet Somerah, kanefa i el-Bireh eo akaiky eo no toerana heverina fa nisy an’i Samira. Tokotokony ho 20 km any atsimoandrefan’i Hebrona no misy an’i el-Bireh.

3. Toerana tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, izay nonenan’i Tola Mpitsara sy nandevenana azy. (Mpts 10:1, 2) Mety ho tany amin’ilay toerana nisy an’i Samaria tatỳ aoriana na tany akaiky tany no nisy an’i Samira. Manamarina izany ny Kôdeksa Alexandrinus (LXX), izay ahitana hoe Samareiai (Samaria) ao amin’ny Mpitsara 10:1.