Samo
(Samô) [Haavo].
Nosy be tendrombohitra eo amin’ny Ranomasina Égée, akaikin’ny ilany andrefana amin’ny morontsirak’i Azia Minora. Toa nijanona kely tao Samo i Paoly rehefa niverina, tamin’ny dia misionera fahatelo nataony.—As 20:15.
Andilan-dranomasina, tokotokony ho 1,5 km ny halavany, no eo anelanelan’io nosy io sy i Samsun Dagi, ilay tendrontanin’i Azia izay mandroso any an-dranomasina. Teo atsimoandrefan’i Efesosy ary teo avaratrandrefan’i Mileto no nisy an’i Samo. Tokotokony ho 43 km ny lavany, ary 23 km ny sakany. Fanjakana nahaleo tena i Samo, tamin’i Paoly nanao dia misionera. Samo koa no anaran’ilay tanàna lehibe indrindra nisy seranana tao. Nampahalaza an’ilay nosy ny fivavahana tamin’i Hera (Romanina: Junon, andriamanibavin’ny fanambadiana sy ny fiterahana), sy ilay tempoliny tsara tarehy izay tsy mena-mitaha amin’ny tempolin’i Artemisy tany Efesosy.
Tantarain’ny Soratra Masina fa nijanona tandrifin’i Kio ny sambo nitondra an’i Paoly tamin’izy niverina ho any Jerosalema, ary nandeha 105 km teo ho eo nanaraka ny morontsirak’i Azia Minora, ka ‘nijanona vetivety tao Samo, ary tonga tao Mileto ny andro nanaraka.’ (As 20:15) Misy sora-tanana mahatonga ny mpandika Baiboly sasany hilaza fa nijanona tao Trogyllioma ilay sambo rehefa avy tao Samo, ary nankany Mileto ny andro nanaraka. (JB) Raha izany no izy, dia midika izany fa tsy nijanona tao amin’ny seranan’i Samo ilay sambo, fa niampita an’ilay andilan-dranomasina ary nitady fialofana teo am-pototr’ilay tendrontany, ka niantsona teo. Tsy miresaka momba an’i Trogyllioma anefa ny sora-tanana tranainy indrindra sy azo antoka indrindra. Samy tsy nampiasa an’io teny io àry i Westcott sy Hort ary i Nestle sy Aland rehefa nanomana ny soratra niaingany tamin’ny fandikana Baiboly. Ny azo antoka kokoa dia hoe nijanona kely tao Samo ilay sambo nitondra an’i Paoly ary avy eo nankany Mileto.