Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samoa

Samoa

(Samòa) [fanafohezana ny hoe Semaia, izay midika hoe “Nandre (Nihaino) i Jehovah”].

1. Zanakalahin’i Zakora, ary mpiadidy nisolo tena ny fokon’i Robena nirahin’i Mosesy hijery taratra ny Tany Nampanantenaina. Nokivin’i Samoa sy ny mpitsikilo sivy hafa ny Israelita, ka lasa tsy natoky hoe hesorin’i Jehovah tao Kanana ny fahavalony.​—No 13:2-4, 28, 29.

2. Zanakalahin’i Davida anisan’ny naterak’i Batseba. Iray tam-po amin’i Solomona Mpanjaka àry izy. (2Sa 5:13, 14; 1Ta 14:3, 4) Nantsoina indray mandeha hoe Simea izy.​—1Ta 3:5.

3. Levita taranak’i Jedotona. Nonina tao Jerosalema i Abda zanany na taranany, taorian’ny sesitany tany Babylona. (Ne 11:17) Antsoina koa hoe Semaia izy ao amin’ny 1 Tantara 9:16.

4. Mpisorona lohan’ny fianakaviamben’i Bilga, tamin’ny andron’i Joiakima mpandimby an’i Jesoa.​—Ne 12:12, 18.