Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Samoela

Samoela

(Samoèla) [Anaran’Andriamanitra].

Mpaminany niavaka (As 3:24; 13:20), izay nolazaina hatramin’ny ela fa mpanoratra ny bokin’ny Mpitsara sy Rota ary ny ampahany tamin’ny Samoela Voalohany. (Ampit. 1Sa 10:25; 1Ta 29:29.) Levita Kehatita i Elkana rainy, izany hoe tsy mpisorona. (1Ta 6:27, 28, 33-38) Lasa nanana rahalahy telo sy anabavy roa iray tam-po taminy i Samoela tatỳ aoriana.​—1Sa 2:21.

Mbola tsy nisy i Samoela, dia efa nampanantena i Hana reniny fa homeny ho Nazirita hanompo an’i Jehovah izy. (1Sa 1:11) Nentina tany amin’ny tranolay masina tany Silo àry izy rehefa nisara-nono (angamba tamin’izy telo taona, fara fahakeliny; ampit. 2Ta 31:16), ary najanona tany ka i Ely Mpisoronabe no nikarakara azy. (1Sa 1:24-28) “Nanompo teo anatrehan’i Jehovah” i Samoela zaza, ary nanao efoda rongony. Nitsidika azy tany ny reniny isan-taona, ka nitondra akanjo kely vaovao tsy nisy tanany. (1Sa 2:18, 19) Rehefa nihalehibe izy, dia “vao mainka nahatehotia teo imason’i Jehovah sy teo imason’ny olona.”​—1Sa 2:26.

Mbola kely dia efa mpaminany. Tao amin’ny “tempolin’i Jehovah, izay nisy ny Vata masin’Andriamanitra” i Samoela no natory rehefa alina, ka andraikiny ny namoha “ny varavaran’ny tranon’i Jehovah” isa-maraina. (1Sa 3:3, 15) Azo inoana hoe tsy tao amin’ny Masina Indrindra ilay toerana “nisy ny Vata masin’Andriamanitra”, izay voalaza hoe natorian’i Samoela, fa tao amin’ny faritra nisy ny tranolay masina. Levita Kehatita mantsy izy, izany hoe tsy anisan’ny mpisorona, ka tsy mahazo mahita ny Vata masina na izay fanaka masina tao amin’ny toerana masina. (No 4:17-20) Tao an-tokotanin’ny tranolay masina ihany no azony naleha. Azo antoka àry fa ireo varavarana nankao an-tokotany no nosokafany. Azo inoana fa nisy efitra maromaro naorina tao Silo, rehefa nijanona maharitra tao ny tranolay masina, ka mety ho tao amin’ny iray tamin’ireny i Samoela no natory.

Indray alina, raha teo am-pandriana i Samoela, dia nandre feo niantso ny anarany. Nihevitra izy fa i Ely Mpisoronabe no niantso azy ka nihazakazaka nankany izy. Intelo izany no nitranga, ka fantatr’i Ely fa i Jehovah no niantso an’i Samoela. Natorony azy àry izay tokony hatao. Nolazain’i Jehovah tamin’i Samoela ny fanamelohana ny ankohonan’i Ely. Natahotra izy ka tsy nety nitantara an’izay nolazain’i Jehovah taminy, raha tsy niangavy azy i Ely. Nanomboka teo dia lasa mpaminanin’i Jehovah i Samoela, ary fantatry ny Israely rehetra izany.​—1Sa 3:2-21.

Nitarika ny Israely hanaraka ny fivavahana marina. Roapolo taona mahery tatỳ aoriana, dia tsy nanompo sampy intsony ny Israelita, fa lasa nivavaka tamin’i Jehovah irery ihany, noho ny fampirisihan’i Samoela. Nasain’i Samoela novorina tao Mizpa àry ny Israelita. Nanararaotra izany ny Filistinina ka tonga nanafika. Natahotra ny zanak’Israely ka niangavy an’i Samoela mba hiantso vonjy tamin’i Jehovah. Nanao izany tokoa izy sady nanao sorona zanak’ondry mbola minono. (1Sa 7:2-9) Levita Kehatita i Samoela, izany hoe tsy mpisorona, ka tsy nanan-jo hanao sorona teo amin’ny alitaran’ny toerana masina (No 18:2, 3, 6, 7), ary tsy misy mihitsy fitantarana milaza hoe nanao izany izy. Solontenan’i Jehovah anefa izy sady mpaminaniny, ka afaka nanao sorona tany an-toeran-kafa, fa nila nanaraka ny toromarik’Andriamanitra fotsiny, toy ny nataon’i Gideona (Mpts 6:25-28) sy Elia. (1Mp 18:36-38) Namaly ny vavak’i Samoela i Jehovah: Nataony nisahotaka ny Filistinina, ka resin’ny Israelita tanteraka. Ho fahatsiarovana an’iny zava-nitranga iny, dia nanangana vato teo anelanelan’i Mizpa sy Jesana i Samoela, ka nantsoiny hoe Ebenezera (midika hoe “Vato Manampy”). (1Sa 7:10-12) Azo antoka fa nakany ireo zavatra azo babo tamin’io sy tamin’ny ady hafa, ary nohamasininy mba hikojakojana ny tranolay masina.​—1Ta 26:27, 28.

Tamin’ny andron’i Samoela, dia resy imbetsaka ny Filistinina (1Sa 7:13, 14), ary nisy fankalazana Paska niezinezina. (2Ta 35:18) Toa i Samoela koa no nandamina an’ireo Levita mpiandry vavahady, ary mety ho io zavatra nataony io no nampiasain’i Davida tatỳ aoriana rehefa nandamina ny Levita izy. (1Ta 9:22) Niainga avy tao an-tranony tao Rama tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima i Samoela, ary nitety an’i Betela, Gilgala, ary Mizpa isan-taona, ka nitsara ny Israely tany amin’ireny toerana ireny. (1Sa 7:15-17) Tsy nanararaotra fahefana mihitsy izy, ary tsy nisy afaka nanome tsiny azy. (1Sa 12:2-5) Nanao fitsarana miangatra anefa i Joela sy Abia zanany lahy.​—1Sa 8:2, 3.

Nohosorany ho mpanjaka i Saoly. Nivadika tamin’i Jehovah ny zanak’i Samoela, ary nandrahona ny hiady ny Amonita, ka nangataka mpanjaka ny anti-panahin’ny Israely. (1Sa 8:4, 5; 12:12) Ho valin’ny vavaka nataon’i Samoela, dia nilazan’i Jehovah izy fa tokony hekeny ilay fangatahana, na dia hita amin’izy io aza fa tsy nino an’i Jehovah ho mpanjakany ilay vahoaka. Tokony holazain’i Samoela amin’izy ireo koa ny zo ara-dalàna ananan’ny mpanjaka. Efa nolazainy fa misy fahafahana sasany hafoy, raha manana mpanjaka izy ireo, nefa mbola nisisika nangataka ihany ny vahoaka. Nampodin’i Samoela ny lehilahy teo amin’ny Israely, ary notarihin’i Jehovah izy mba hanosotra an’i Saoly Benjamita ho mpanjaka. (1Sa 8:6–10:1) Novoriny tany Mizpa ny Israelita, ary natao ny antsapaka ka i Saoly no voatendry ho mpanjaka. (1Sa 10:17-24) Naverin’i Samoela nolazaina tamin’ny vahoaka ny zo ara-dalàna ananan’ny mpanjaka, ary nataony an-tsoratra izany.​—1Sa 10:25.

Rehefa avy nandresy an’ireo Amonita i Saoly, dia novorin’i Samoela tao Gilgala ny Israelita mba hanamafisana indray fa mpanjaka i Saoly. Naverin’i Samoela indray ny tantaram-piainany, sy ny tantaran’ny Israely fahiny. Nolazainy koa fa tena tokony hankatò an’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah foana. Tian’i Samoela ho hitan’ny Israelita tsara hoe tena tsy nety ny nataon’izy ireo, satria nanda an’i Jehovah tsy ho Mpanjaka izy ireo. Nivavaka àry izy mba hisy oram-baratra, nefa tsy fotoanan’ny orana tamin’izay. Novalian’i Jehovah ilay vavaka, ka niaiky ny vahoaka fa lehibe ny fahotan’izy ireo.​—1Sa 11:14–12:25.

Tatỳ aoriana, dia indroa i Samoela no niteny mafy an’i Saoly noho izy tsy nankatò ny toromarik’Andriamanitra. Tamin’ny voalohany, dia nilaza tamin’i Saoly izy fa tsy haharitra ny fanjakany satria sahisahy ratsy izy, ka nanao sorona na dia efa nasaina niandry aza. (1Sa 13:10-14) Tamin’ny faharoa, dia nilaza taminy izy fa nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka intsony izy satria tsy nankatò, fa nitsimbina ny ain’i Agaga Mpanjaka sy izay tsara indrindra tamin’ny omby aman’ondrin’ny Amalekita. Efa niangavingavy i Saoly vao nety niaraka taminy i Samoela, mba hiseho teo anatrehan’ny anti-panahin’ny Israely sy ny vahoaka. Nasain’i Samoela nentina teo aminy i Agaga, avy eo, ary ‘notetitetehiny teo anatrehan’i Jehovah tao Gilgala.’​—1Sa 15:10-33.

Nanosotra an’i Davida. Nisaraka teo i Samoela sy Saoly, ary tsy nifanerasera intsony. Nalahelo an’i Saoly anefa i Samoela. Raha mbola iny izy nalahelo iny, dia nirahin’i Jehovah Andriamanitra ho any Betlehema izy hanosotra ny iray tamin’ireo zanakalahin’i Jese mba ho mpanjakan’ny Israely amin’ny hoavy. Mba tsy hampiahiahy an’i Saoly ka tsy hamonoany an’i Samoela, dia nampirisihin’i Jehovah i Samoela mba hitondra ombivavy hatao sorona. Nihorohoro ireo anti-panahy tao Betlehema sao nisy ratsy nataony ka tonga hananatra na hanasazy azy ireo i Samoela. Nanome toky azy ireo anefa i Samoela fa fihavanana no anton-diany, ary nanasa an’i Jese sy ny zanany lahy hiara-misakafo aminy amin’ny sorona hataony izy. Nanaitra azy ny bika aman’endrik’i Eliaba lahimatoan’i Jese, ka nihevitra izy fa tena io no nofidin’i Jehovah ho mpanjaka. Tsy nisy tamin’ireo zanakalahin’i Jese nanatrika teo anefa nofidin’i Jehovah, na i Eliaba izany, na izy enin-dahy hafa. Tsy nety i Samoela raha tsy nantsoina avy tany am-piandrasana ondry i Davida, faralahy. Izy no nasain’i Jehovah nohosoran’i Samoela teo anivon’ireo rahalahiny.​—1Sa 15:34–16:13.

Nandositra tany amin’i Samoela tany Rama i Davida, satria imbetsaka izy no efa saika matin’i Saoly Mpanjaka. Nankany Naiota àry i Samoela sy Davida. Nijanona tany i Davida mandra-pahatongan’i Saoly hitady azy tany. (1Sa 19:18–20:1) Raha mbola tsy maintsy nandositra an’i Saoly izy, dia “maty i Samoela.” “Nivory ny Israely rehetra ka nitomany azy sy nandevina azy tany amin’izay nisy ny tranony, tao Rama.” (1Sa 25:1) Nankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra àry i Samoela mpanompony, izay tsy nivadika mandra-pahafatiny. (Sl 99:6; Je 15:1; He 11:32) Be fikirizana izy rehefa namita ny iraka nampanaovina azy (1Sa 16:6, 11), nahafoy tena tamin’ny fampandrosoana ny fivavahana marina (1Sa 7:3-6), nanao ny marina foana (1Sa 12:3), ary be herim-po sy hentitra rehefa nanambara ny fanamelohan’i Jehovah sy ny didim-pitsarany (1Sa 10:24; 13:13; 15:32, 33).

Nandeha tany amin’ny mpamoha angatra tany En-dora i Saoly mba hampakatra an’i Samoela. Miresaka momba izany ny lahatsoratra SAOLY No. 1.