Samoela, Bokin’i
Boky roa ao amin’ny Soratra Hebreo. Toa boky iray ihany izy ireo taloha. Misy fanamarihana mantsy ao amin’ny Masora hoe teo afovoan’ilay boky ny 1 Samoela toko faha-28 (toko faramparany ao amin’ny Samoela Voalohany).
Mpanoratra sy fotoana voaresaka. I Samoela no nanoratra ny ampahany voalohany, ary i Gada sy Natana no nanoratra ny ambiny, hoy ny lovantsofina jiosy fahiny. Hamafisin’ny 1 Tantara 29:29 fa ireo mpaminany telo ireo no mpanoratra. Hoy koa ny 1 Samoela 10:25: “Nolazain’i Samoela tamin’ny vahoaka ny zo ara-dalàna ananan’ny mpanjaka, ka nosoratany tao amin’ny boky ary napetrany teo anatrehan’i Jehovah.” Miresaka ny amin’ny hoe “mpanjakan’ny Joda” ny 1 Samoela 27:6. Midika izany, hoy ny manam-pahaizana maromaro, fa efa nisy kelikely ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely vao natambatra ireo bokin’i Samoela. Raha mpanjakan’ny Joda tao amin’ny fanjakan’ny foko roa ilay hoe “mpanjakan’ny Joda”, dia olon-kafa fa tsy i Samoela sy Natana ary Gada no nanambatra ny asa soratr’izy telo ireo. Raha avy amin’ny fokon’i Joda kosa ilay hoe “mpanjakan’ny Joda”, dia mety ho i Natana no nanoratra an’ireo teny ireo, satria niara-belona tamin’i Davida sy Solomona, mpanjaka roa tany Joda, izy.—1Mp 1:32-34; 2Ta 9:29.
Misy koa milaza fa tsy tamin’ny fotoana mbola tsy nisian’ny mpanjaka teo amin’ny Israely, fa tatỳ aoriana kokoa vao nosoratana ilay toko misy ny tenin’i Hana sy ilay “lehilahin’Andriamanitra” tsy fantatra anarana momba ny hoe ‘mpanjaka’ sy ‘voahosotra.’ (1Sa 2:10, 35) Efa fantatry ny Hebreo anefa fa hanana mpanjaka izy ireo. Nampanantena an’i Saraha razamben’izy ireo, ohatra, i Jehovah fa hisy “mpanjakan’ny firenena maro” hipoitra avy aminy. (Ge 17:16) Naminany i Jakoba tamin’izy efa ho faty fa hanana mpanjaka ny Israelita amin’ny hoavy. (Ge 49:10) Nilaza toy izany koa i Balama (No 24:17) sy ny Lalàn’i Mosesy.—De 17:14-18.
Izay nitranga tamin’ny andron’i Ely Mpisoronabe ka hatramin’ny andron’i Davida Mpanjaka no tantarain’ireo boky ireo. Naharitra 140 taona teo ho eo (t. 1180-t. 1040 T.K.) àry ilay tantara. Vita tamin’ny 1040 T.K. teo ho eo angamba ny fanoratana azy io (afa-tsy ny tantara fanampiny), matoa tsy resahiny ny nahafatesan’i Davida.
Anisan’ny Soratra Masina. I Kristy Jesosy mihitsy no naka teny tao amin’ny 1 Samoela 21:3-6, rehefa namaly ny Fariseo izy. Noresahiny ilay hoe nanome an’i Davida mofo aseho i Ahimeleka mpisorona. (Mt 12:1-4) Naka teny tao amin’ny 1 Samoela 13:14 koa ny apostoly Paoly rehefa namintina ny tantaran’ny Israely, tao amin’ny synagogan’i Antiokia any Pisidia. (As 13:20-22) Namerina ny tenin’i Davida (2Sa 22:50; Sl 18:49) koa izy ao amin’ny taratasiny ho an’ny Romanina. Noporofoiny fa tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra rehefa nitory tamin’ny Jiosy i Kristy, ary afaka ‘nankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony’ ny tsy Jiosy. (Ro 15:8, 9) Naveriny koa ny tenin’i Jehovah tamin’i Davida (2Sa 7:14), ary nampihariny tamin’i Kristy Jesosy.—He 1:5.
Feno fahatsorana koa ilay fitantarana, satria naharihariny hoe nanota ny ankohonan’i Ely mpisorona (1Sa 2:12-17, 22-25), tia kolikoly ny zanak’i Samoela (1Sa 8:1-3), nanao fahotana lehibe i Davida Mpanjaka ary nahita olana be dia be ny fianakaviany (2Sa 11:2-15; 13:1-22; 15:13, 14; 24:10).
Tanteraka koa ny faminaniana momba ny hoe nangataka mpanjaka ny Israely (De 17:14; 1Sa 8:5), nolavin’i Jehovah ny ankohonan’i Ely (1Sa 2:31; 3:12-14; 1Mp 2:27), ary nisy mpanjaka taranak’i Davida foana (2Sa 7:16; Je 33:17; Ezk 21:25-27; Mt 1:1; Lk 1:32, 33).
Mifanaraka tanteraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Soratra Masina ny Samoela. Manampy antsika hahazo ny hevitry ny salamo maro, ohatra, ny fitantarana ao. Nanoratra ny Salamo i Davida, satria naniraka olona hanao andry maso ny tranony sy hamono azy ho faty i Saoly Mpanjaka. ( faha-591Sa 19:11) Ny Salamo faha-34 sy 56 kosa nataon’i Davida tamin’izy nody adala mba tsy ho faty tany Gata. (1Sa 21:10-15; anaram-boninahitr’i Akisy Mpanjaka ilay hoe Abimeleka eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-34.) Mety ho izay tao an-tsainy tamin’izy niafina an’i Saoly tao an-dava-bato no resahin’ny Salamo faha-142, ary angamba koa ny faha-57. Mety ho tao Adolama (1Sa 22:1) ilay lava-bato na tany an-tany efitr’i En-jedy. (1Sa 24:1, 3) Toa ilay tany an-tany efitr’i En-jedy anefa ilay izy, satria tao i Saoly no azo lazaina hoe latsaka tao amin’ilay lavaka nohadiny ho an’i Davida. (Ampitahao Sl 57:6 sy 1Sa 24:2-4.) Ny Salamo faha-52 indray natao rehefa nilaza tamin’i Saoly i Doega hoe tany amin’i Ahimeleka i Davida. (1Sa 22:9, 10) Ny nampahafantaran’ ny Zifita an’i Saoly hoe taiza i Davida no antony nanoratana ny Salamo faha-54. (1Sa 23:19) Rehefa azon’i Davida i Ziona, ilay tanàna voaro mafy, dia nitady hanongana azy tsy ho mpanjaka ny Filistinina. Toa izany no resahin’ny Salamo faha-2. (2Sa 5:17-25) Ny ady tamin’i Hadadezera sy ny Edomita no antony nanoratana ny Salamo faha-60. (2Sa 8:3, 13, 14) Ny Salamo faha-51 kosa vavaka nitalahoan’i Davida famelana noho izy sy Batseba nanota. (2Sa 11:2-15; 12:1-14) Nataon’i Davida tamin’izy nandositra an’i Absaloma ny Salamo faha-3. (2Sa 15:12-17, 30) Mety ho tamin’i Simey nanozona an’i Davida no nosoratana ny Salamo faha-7. (2Sa 16:5-8) Toa mifandray amin’ny nanorenan’i Davida alitara teo amin’ny famoloan’i Araona ny zavatra resahin’ny Salamo faha-30. (2Sa 24:15-25) Mitovy ny voalazan’ny 2 Samoela toko faha-22 sy ny Salamo faha-18 hoe nafahan’i Jehovah teo an-tanan’i Saoly sy ny fahavalo hafa i Davida.
Ampahany tsy ao amin’ny “Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo.” Tsy hita ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Sora-tanana Vaticanus No. 1209, ny 1 Samoela 17:12-31, 55–18:6a. Milaza àry ny manam-pahaizana maromaro hoe nasisika tatỳ aoriana ireo andininy ireo. Hoy anefa i C. Keil sy F. Delitzsch: “Misy milaza hoe teny nasisika ireo ampahany ireo satria tsy ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tsy mitombina anefa izany. Fantatry ny rehetra mantsy fa nanala na nanampy teny araka izay tiany ireo nanao an’io dikan-teny io.”—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky II, 1 Samoela, p. 177, f.a.p.
1 Samoela 17:12-31, 55–18:6a, raha voaporofo hoe tsy mifanaraka amin’ny bokin’i Samoela ireo andininy ireo. Toa mifanohitra amin’ny voalazan’ny 1 Samoela 16:18-23 ny 1 Samoela 17:55-58, izay mitantara fa nanontany i Saoly hoe iza i Davida, nefa izy io mpitendry mozika tao an-dapany sy mpitondra fiadiany. Mety ho noho i Davida nahafaty irery liona sy orsa naka ny ondrin-drainy anefa no nilazana talohan’izay hoe “lehilahy matanjaka sy mahery fo izy sady lehilahy mpiady.” (1Sa 16:18; 17:34-36) Tsy resahin’ny Baiboly koa hoe mpitondra fiadian’i Saoly tany an’ady izy talohan’ny namonoany an’i Goliata. Hoy mantsy i Saoly tamin’i Jese: “Mba avelao i Davida hanompo ahy atỳ ihany, fa efa nankasitrahako izy.” (1Sa 16:22) Mety ho navelan’i Saoly niverina tany Betlehema àry i Davida tatỳ aoriana, ka niandry ny andian’ondrin-drainy izy tamin’ny Israely niady tamin’ny Filistinina.
Mety hampisalasala nyHoy koa ny Fanazavana ny Testamenta Taloha (p. 178, f.a.p.) momba ilay fanontanian’i Saoly hoe “Zanak’iza iny zazalahy iny, ry Abnera?”: “Na dia tsy zava-dehibe tamin’i Abnera aza ny tetirazan’ilay mpitendry harpan’i Saoly, dia tsy hadinon’i Saoly akory hoe zanak’i Jese Betlehemita i Davida. Tsy ny anaran’ny rain’i Davida fotsiny anefa no tian’i Saoly ho fantatra. Tiany ho fantatra koa hoe lehilahy nanao ahoana marina ilay niteraka an’ilay zazalahy be herim-po izay nahavita zavatra nikoizana. Tsy hoe te hamaly soa an-dralehilahy fotsiny izy ka tsy hampandoa hetra azy mianakavy intsony, araka ny nampanantenainy an’izay handresy an’i Goliata (and. 25). Mety ho tiany koa ny hampiantso an-dralehilahy hanompo tao an-dapany. Nihevitra mantsy izy fa be herim-po sy sahisahy ralehilahy matoa toy izany koa ny zanany. Marina fa namaly fotsiny i Davida hoe: ‘Zanak’i Jese Betlehemita mpanomponao’, nefa niresaka tamin’i Saoly zavatra maro kokoa momba ny fianakaviany izy, matoa milaza ny [1Sa] 18:1 hoe ‘raha vao avy niresaka tamin’i Saoly i Davida.’ Asehon’io andininy io fa niresaka elaela izy ireo.” (Jereo koa ny Ek 5:2; 1Sa 25:10 izay ahitana hoe tsy voatery ho fanontaniana anaran’olona ny hoe “iza.”)
Azo antoka àry fa tsy ampahany nasisika tatỳ aoriana ny 1 Samoela 17:12-31, 55–18:6a.
[Efajoro, pejy 818]
HEVITRA MISONGADINA: SAMOELA VOALOHANY
Tantaran’ny niandohan’ny fanjakan’ny Israely, manasongadina fa ilaina ny mankatò an’i Jehovah
Nosoratan’i Samoela, Natana, ary Gada; manomboka amin’ny nahaterahan’i Samoela ka hatramin’ny nahafatesan’i Saoly mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely
Notendrena ho mpaminany teo amin’ny Israely i Samoela (1:1–7:17)
Niteraka an’i Samoela i Hana ho valin’ny vavaka nataony; nanefa ny voadiny ka nanatitra azy hanompo tao amin’ny toerana masina rehefa nosarahiny nono
Nolazain’i Jehovah tamin’i Samoela ny fanamelohany ny ankohonan’i Ely, satria nanao ratsy i Hofinia sy Finehasa zanak’i Ely nefa tsy noteneniny mafy
Nekena ho mpaminanin’i Jehovah i Samoela rehefa nihalehibe
Tanteraka ny fanamelohan’i Jehovah an’i Ely: Lasan’ny Filistinina ny Vata ary novonoiny ny zanak’i Ely; maty i Ely raha vao nahare izany
Nampirisihin’i Samoela hanary ny sampiny sy hanompo an’i Jehovah irery ny Israelita; nampian’i Jehovah izy ireo handresy ny Filistinina
I Saoly no mpanjaka voalohany (8:1–15:35)
Rehefa antitra i Samoela, dia nangatahin’ny anti-panahin’ny Israely mpanjaka olombelona; nasain’i Jehovah nanaiky
Nasain’i Jehovah nanosotra an’i Saoly Benjaminita ho mpanjaka
Naseho vahoaka tao Mizpa i Saoly; nisy tsy nanaiky azy
Resin’i Saoly ny Amonita; nohamafisina tao Gilgala ny fanjakany; nampirisihin’i Samoela hankatò an’i Jehovah foana ny vahoaka
Tsy nankatò an’i Jehovah sy tsy nahandry an’i Samoela i Saoly fa nanolotra sorona, rehefa hotafihin’ny Filistinina; nilazan’i Samoela hoe tsy haharitra ny fanjakany
Resin’i Saoly ny Amalekita, saingy notsimbininy i Agaga Mpanjaka sy ny biby fiompy tsara indrindra; nilaza i Samoela fa nolavin’i Jehovah tsy ho mpanjaka izy, ary zava-dehibe noho ny manao sorona ny mankatò
Nihanalaza i Davida ka tezitra i Saoly (16:1–20:42)
Nohosoran’i Samoela i Davida, fa i Saoly kosa nialan’ny fanahin’i Jehovah; nitendry harpa i Davida mba hampitonena azy rehefa nikorontan-tsaina izy
Namono an’i Goliata solontenan’ny Filistinina i Davida, ka lasa mpinamana be izy sy Jonatana zanak’i Saoly
Nifehy ny tafik’i Saoly i Davida ary nandresy foana, ka noderaina mihoatra noho i Saoly; nialona i Saoly
Tsy nahomby ny tetik’i Saoly hamono an’i Davida indroa, sy ilay tetika hoe hovonoin’ny Filistinina i Davida rehefa nitady vodiondry mba hahazoana an’i Mikala zanany
Tsy nitana ny teniny i Saoly fa saika hamono an’i Davida fanintelony; nankany amin’i Samoela tany Rama i Davida
Niangavy i Jonatana mba tsy hovonoina i Davida fa tsy nahoan-drainy; nampitandremany i Davida, nanao fifanekena izy roa lahy
Tamin’i Davida nandositra (21:1–27:12)
Nomen’i Ahimeleka Mpisoronabe mofo sy sabatra (an’i Goliata) i Davida tao Noba; nandositra tany Gata izy, nody adala mba tsy ho faty
Niafina tao amin’ny lava-bato tao Adolama, avy eo tany amin’ny alan’i Hareta; nampamono an’i Ahimeleka sy izay rehetra tao Noba i Saoly; tsy maty i Abiatara zanak’i Ahimeleka ka nankany amin’i Davida
Namonjy an’ireo mponin’i Keila i Davida, nefa nandositra mba tsy hatolotr’izy ireo teo an-tanan’i Saoly
Natoron’ny lehilahy tao Zifa hoe taiza no nisy an’i Davida; saika tratra izy
Afaka namono an’i Saoly i Davida nefa tsy namono
Maty i Samoela
Nosakanan’i Abigaila tsy handatsa-dra i Davida rehefa tezitra mafy
Nitsimbina ny ain’i Saoly fanindroany i Davida; nialokaloka tany Filistia
Ny niafaran’ny fanjakan’i Saoly (28:1–31:13)
Namory tafika hiady tamin’ny Filistinina i Saoly
Tsy novalian’i Jehovah izy satria tsy nankatò, ka nitady vehivavy mpamoha angatra tao En-dora
Naratra mafy izy rehefa niady tamin’ny Filistinina, ka namono tena; maty koa i Jonatana, Abinadaba, ary Malkisoa zanany lahy
[Efajoro, pejy 819]
HEVITRA MISONGADINA: SAMOELA FAHAROA
Tantaran’ny fanjakan’i Davida, ny fitahiana azony ary ny famaizana azy rehefa nanota izy
Horonam-boky iray izy io sy ny Samoela Voalohany taloha; novitain’i Gada sy Natana tamin’ny 1040 T.K. tany ho any, talohan’ny nahafatesan’i Davida
Lasa mpanjaka tao Hebrona i Davida (1:1–4:12)
Nalahelo i Davida fa maty i Saoly sy Jonatana; nipetraka tao Hebrona izy, nohosoran’ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda ho mpanjaka
Nataon’i Abnera ho mpanjakan’ny foko hafa i Isboseta zanak’i Saoly; niady ireo fanjakana roa nifandrafy
Lasa niandany tamin’i Davida i Abnera saingy novonoin’i Joaba
Nisy namono i Isboseta; nasain’i Davida novonoina ireo namono azy
Mpanjakan’ny foko rehetran’ny Israely i Davida (5:1–10:19)
Voahosotra ho mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida; azony i Ziona, tanàna voaro mafy, ary nataony renivohiny i Jerosalema
Nanafika indroa ny Filistinina nefa resy foana
Saika hoentina tany Jerosalema ny Vata; tsy nentina indray satria maty i Oza rehefa nihazona an’ilay izy tsy hianjera
Tonga ihany ilay Vata rehefa nentina fanindroany araka ny tokony ho izy
Nilaza tamin’i Natana i Davida hoe te hanorina tempoly ho an’i Jehovah; nanao fifanekena taminy momba ny fanjakana iray i Jehovah
Nijangajanga tamin’i Batseba i Davida; nitondra loza ho azy ny ankohonany (11:1–20:26)
Niady tamin’ny Amonita ny Israelita; nijangajanga tamin’i Batseba vadin’i Oria i Davida; tsy azony nafenina ilay izy ka nataony izay hahafatesan’i Oria tany an’ady, ary nalainy ho vady i Batseba
Nanao fanoharana i Natana rehefa nananatra an’i Davida, ary nilaza izao fanamelohan’i Jehovah izao: Hitondra loza ho an’i Davida ny ankohonany, hisy hametaveta ireo vadiny, ho faty ny zanak’izy sy Batseba
Maty ilay zaza; bevohoka indray i Batseba, niteraka an’i Solomona
Nametaveta an’i Tamara anabaviny i Amnona zanak’i Davida; namaly faty i Absaloma anadahin’i Tamara ka namono an’i Amnona; nandositra nankany Gesora
Navelan’i Davida tanteraka ny fahadisoan’i Absaloma; nitetika ny hikomy tamin-drainy i Absaloma; nolazaina hoe lasa mpanjaka tao Hebrona
Nandositra an-dry Absaloma i Davida sy ny mpomba azy; nanaovan’i Absaloma firaisana ireo vadikely folon’i Davida tao Jerosalema; nanenjika an’i Davida ny tafik’i Absaloma nefa resy; novonoina i Absaloma nefa tsy izay ny baikon’i Davida
Lasa mpanjaka indray i Davida; nikomy i Sheba Benjaminita, notendren’i Davida hitari-tafika hamely an’ireo mpikomy i Amasa; novonoin’i Joaba i Amasa ka izy indray no nitarika; novonoina i Sheba
Taona faramparany nanjakan’i Davida (21:1–24:25)
Natolotr’i Davida hovonoin’ny Gibeonita ny zanakalahin’i Saoly fito, noho i Saoly meloka ho namono Gibeonita
Nanao hira fiderana an’i Jehovah i Davida, niaiky fa niasan’ny fanahin’i Jehovah
Nanota izy rehefa nandidy ny hanisana ny vahoaka: 70 000 no matin’ny areti-mandringana
Novidiny ny famoloan’i Araona Jebosita mba hanorenana alitara ho an’i Jehovah