Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sampy, Fanompoan-tsampy

Sampy, Fanompoan-tsampy

Sary na zavatra na famantarana ifikiran’ny fo sy ivavahana ny hoe sampy. Mety ho tena misy ilay izy na foronin’ny saina. Ny fanompoan-tsampy àry dia fanajana lalina sy fitiavana sy fivavahana ary firaiketam-po amin’ny sampy. Hery ambony kokoa, izay tena misy na heverina fa misy, matetika ilay tompoina. Mety ho fikambanana ilay izy, na zavaboary mananaina (olona, biby) na tsy mananaina, na herin’ny natiora. Matetika no misy fombafomba ataon’ny mpanompo sampy.

Teny fanamavoana ireo teny hebreo nadika hoe sampy, na teny manasongadina ny niandohan’izy ireny sy ny maha zava-poana azy. Nisy tamin’ireo teny hebreo ireo nadika hoe “sary sokitra” (a.b.t.: zavatra natao sokitra); “sarivongana metaly” (a.b.t.: zavatra narendrika); “sampy mahatsiravina”; “sampy tsy misy ilana azy” (a.b.t.: zava-poana); ary “sampy maharikoriko.” Eidôlôn kosa ny teny grika nadika hoe “sampy.”

Tsy voatery ho sampy ny sary. Marina fa noraran’Andriamanitra ny fanaovana sary sokitra (Ek 20:4, 5), kanefa nisy sary sy sarivongana azo natao ihany. Nasain’i Jehovah nasiana kerobima volamena roa, ohatra, teo ambonin’ny saron’ny Vata masina, ary noravahana kerobima natao peta-kofehy ireo lamba folo nanaovana ny tranolay masina, sy ny ridao nanasaraka ny Masina sy ny Masina Indrindra. (Ek 25:18; 26:1, 31, 33) Nisy kerobima sy hazo palmie ary felam-boninkazo natao sokitra sy voakaly tsara koa ny rindrina anatiny tamin’ny tempolin’i Solomona, araka ny planina nomen’Andriamanitra an’i Davida. (1Ta 28:11, 12) Nisy kerobima roa vita tamin’ny hazo mitera-menaka sy nopetahana takela-bolamena koa tao amin’ny Masina Indrindra. (1Mp 6:23, 28, 29) Natao teo ambonin’ny omby varahina 12 ny fitoeran-drano lehibe (ranomasina varahina), ary ny takela-barahin’ireo kalesy kosa noravahana sarina liona sy omby ary kerobima. (1Mp 7:25, 28, 29) Nisy sarina liona 12 koa teo amin’ireo zanatohatra nankeo amin’ny seza fiandrianan’i Solomona.​—2Ta 9:17-19.

Tsy sampy natao hivavahana anefa ireo rehetra ireo. Ny mpisorona ihany no nahita an’ireo sary tao amin’ny tranolay masina sy ny tempoly. Ny mpisoronabe irery koa no niditra tao amin’ny Masina Indrindra, ary isaky ny Andro Fandrakofam-pahotana ihany. (He 9:7) Tsy natahorana hivavaka tamin’ireo kerobima volamena tao amin’ny toerana masina àry ny Israelita. Nentina hampisehoana an’ireo kerobima any an-danitra fotsiny izy ireny. (Ampit. He 9:23, 24.) Tsy natao hivavahana izy ireny satria na ny anjely aza tsy tokony hiankohofana.​—Kl 2:18; Ap 19:10; 22:8, 9.

Nisy ihany anefa sary lasa nivavahana tatỳ aoriana. Anisan’izany ilay bibilava varahina namboarin’i Mosesy tany an-tany efitra, ka notorotoroin’i Hezekia, mpanjaka tsy nivadika, ilay izy. (No 21:9; 2Mp 18:1, 4) Lasa “fandrika” ho an’i Gideona Mpitsara sy ny ankohonany koa ilay efoda nataony.​—Mpts 8:27.

Sary ampiasaina amin’ny fivavahana. Tsy eken’Andriamanitra ny fampiasana sary rehefa mivavaka aminy. Tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana mantsy ireo te hanompo azy. (Jn 4:24; 2Ko 4:18; 5:6, 7) Tsy ekeny koa ny fampifangaroana ny fanompoan-tsampy amin’ny fivavahana marina. Tsy nankasitrahany, ohatra, ny fivavahana tamin’ny zanak’omby, na dia nantsoin’ny Israelita hoe Jehovah aza izy io. (Ek 32:3-10) Tsy zarain’i Jehovah amin’ny sary sokitra ny voninahiny.​—Is 42:8.

Tsy misy mihitsy andinin-teny milaza fa nampiasa zavatra hita maso ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika rehefa nivavaka taminy. Mety hisy hanonona anefa ny Hebreo 11:21 ao amin’ny Baiboly katolika Dikan-tenin’i Douay, manao hoe: “Finoana no nitsofan’i Jakoba rano ny zanakalahin’i Josefa tsirairay, rehefa ho faty izy, sy nivavahany tamin’ny lohan’ny tehiny.” Hazavain’ny fanamarihana ambany pejin’ilay andininy fa nanome voninahitra sy nivavaka tamin’ny lohan’ny tehin’i Josefa i Jakoba. Hoy koa izy io: “Misy mpandika teny tsy mankasitraka an’io fanomezam-boninahitra io, ka novany toy izao ilay andininy: nivavaka izy, raha mbola niankina tamin’ny lohan’ny tehiny.” Tsy novan’ireo mpandika teny anefa ilay andininy, raha ny marina, satria mifanaraka amin’ny hevitry ny teny hebreo ao amin’ny Genesisy 47:31 ny nandikan’izy ireo azy io, ka narahin’ny Baiboly katolika maro, anisan’izany ny Fandikan-teny Katolika malagasy.

Karazana fanompoan-tsampy. Nanao fombafomba maro maharikoriko ny mpanompo sampy. Nivaro-tena tao amin’ny tempoly, ohatra, izy ireo, nanao sorona ankizy, nimamo, ary nandidididy vatana mandra-pikorianan’ny rany. (1Mp 14:24; 18:28; Je 19:3-5; Ho 4:13, 14; Am 2:8) Nanao fety nisy fiarahana misakafo sy misotro ho fanomezam-boninahitra an’ireo andriamaniny izy ireo (Ek 32:6; 1Ko 8:10), niankohoka teo anatrehan’izy ireny sy nanao sorona ho azy, nihira sy nandihy teo anatrehany, ary nanoroka azy ireny mihitsy aza. (Ek 32:8, 18, 19; 1Mp 19:18; Ho 13:2) Nanomana latabatra nisy sakafo sy zava-pisotro ho azy ireny koa izy ireo (Is 65:11), nandraraka fanatitra zava-pisotro, nanao mofo atao fanatitra, nanolotra setroka ho sorona (Je 7:18; 44:17), ary nitomany an’ireo andriamaniny (Ezk 8:14). Noraran’ny Lalàna ny manisy tombokavatsa amin’ny tena, mandidididy vatana, manaratra volomaso, manety ny volo avy eo amin’ny fihirifana iray mihodidina mankany amin’ny fihirifana iray, ary manala ny sisin’ny volombava, satria fanaon’ny mpanompo sampy teo amin’ireo firenena nanodidina izany.​—Le 19:26-28; De 14:1.

Tsy tonga dia miharihary kosa ny fanompoan-tsampy sasany, toy ny fitsiriritana. (Kl 3:5) Tsy ny Mpamorona intsony mantsy no iantefan’ny fitiavan’ilay olona fa ilay zavatra na olona iriny mafy ho azo, ka lasa sampy ilay izy. Mety hanao ny kibony ho andriamaniny koa ny olona andevozin’ny fanirian’ny nofony na ny hatendan-kaniny, ka hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra. (Ro 16:18; Fi 3:18, 19) Mankatò an’ilay Mpamorona kosa ny olona tena tia azy. (1Jn 5:3) Toy ny hoe manompo sampy àry izay mikomy sy minia miana-kendry.​—1Sa 15:22, 23.

Talohan’ny Safodrano. Tany an-danitra no niandohan’ny fanompoan-tsampy. Nisy anjely iray be voninahitra mantsy naniry mafy ny hitovy amin’ilay Avo Indrindra. Lasa nihena àry ny fitiavany an’i Jehovah Andriamaniny, fa io faniriany io indray no nibahana tao am-pony, ka nikomy izy.​—Jb 1:6-11; 1Ti 3:6; ampit. Is 14:12-14; Ezk 28:13-15, 17.

I Eva no olona voalohany nanompo sampy, satria nahatonga azy handika ny didin’Andriamanitra ny fitsiriritany an’ilay voankazo voarara. Lasa mpanompo sampy koa i Adama rehefa lasa zava-dehibe kokoa noho ny fitiavany an’i Jehovah ny faniriany, ka tsy nankatò azy intsony izy.​—Ge 3:6, 17.

Nanompo sampy ny ankamaroan’ny olona taorian’ny fikomiana tany Edena. Anisan’izany ny olona tamin’ny andron’i Enosa, zafikelin’i Adama. Hoy ny Genesisy 4:26: “Tamin’izany fotoana izany no nanomboka nantsoina ny anaran’i Jehovah.” Tsy noho ny finoany anefa no niantsoan’ireo olona ireo an’i Jehovah, satria izy ireo tsy mba toa an’i Abela olo-marina, izay velona taona maro talohan’izay ary maty novonoin’i Kaina rahalahiny. (Ge 4:4, 5, 8) Toa nisy ifandraisany tamin’ny fivavahan-diso kosa ilay fiantsoana ny anaran’i Jehovah, satria nampiasaina tamin’ny fomba ratsy ilay anarana. Nantsoin’izy ireo hoe Jehovah ny tenany na olon-kafa (mpanelanelana azy tamin’Andriamanitra, hono), na ny sampiny (zavatra hita maso sy azo tsapain-tanana noheveriny fa nanampy azy hanatona an’ilay Andriamanitra tsy hita maso).

Tsy resahin’ny Baiboly raha niely be ny fanompoan-tsampy nanomboka tamin’ny andron’i Enosa ka hatramin’ny Safodrano. Tsy maintsy ho nitombo be anefa ilay izy tamin’ny andron’i Noa, matoa “hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona teto an-tany, ary zava-dratsy foana koa no nalehan’ny sainy.” Efa nanana fanirian-dratsy ny olona, nefa mbola nitaona azy ireo hanao ratsy koa ireo anjely nitafy nofo nanao firaisana tamin’ny zanakavavin’ny olona, sy ireo Nefilima na safiotra naterak’izy ireo.​—Ge 6:4, 5.

Tamin’ny andron’i Abrahama sy Jakoba. Nanompo sampy indray ny olona tamin’ny andron’i Nimroda, “mpihaza mahery nanohitra an’i Jehovah”, na dia ringana tamin’ny Safodrano aza ny olona rehetra nanompo sampy. (Ge 10:9) Notaominy hanorina an’i Babela sy ny tilikambony (tempoly miendrika piramida nampiasaina hanompoan-tsampy) mantsy ny olona. Nandamòka anefa ny teti-dratsin’izy ireo rehefa nasafotofoton’i Jehovah ny fiteniny. Tsy nifankahazo resaka intsony izy ireo, ka nitsahatra tsikelikely ilay fanorenana ary niparitaka izy ireo. Niely niaraka tamin’izy ireo koa anefa ny hevi-diso ninoany.​—Ge 11:1-9; jereo ANDRIAMANITRA SY ANDRIAMANIBAVY.

Tsy nanompo an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, koa ny mponina tany Oran’ny Kaldeanina, tanàna manaraka resahin’ny Baiboly. Hitan’ny mpikaroka fa i Sîn, andriamanitra volana, no mpiaro an’ilay tanàna. Tany Ora i Tera rain’i Abrama (Abrahama) no nipetraka. (Ge 11:27, 28) Nanompo sampy toy ny mpiara-monina taminy angamba izy, matoa nilaza toy izao tamin’ny Israelita i Josoa, taona maro tatỳ aoriana: “Tany ampitan’ny Renirano [Eofrata] no nonenan’ny razanareo taloha ela be, dia i Tera, rain’i Abrahama sy Nahora. Ary nanompo andriamani-kafa izy ireo.” (Js 24:2) I Abrahama kosa nino an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.

Nisy mpanompo sampy ny toerana rehetra nalehan’i Abrahama sy ny taranany, vokatry ny fivadiham-pinoana tany Babela. Nety ho voataona hanompo sampy koa àry izy ireo. Na ny havan’i Abrahama aza nanana sampy. Nanana terafima (andriamanitry ny fianakaviana), ohatra, i Labana, rafozandahin’i Jakoba, zafikelin’i Abrahama. (Ge 31:19, 31, 32) Nasain’i Jakoba narian’ny ankohonany kosa ny andriamani-kafa rehetra tany amin’izy ireo. Nomen’izy ireo an’i Jakoba izy ireny ka naleviny (Ge 35:2-4), sao hoheverin’izy ireo ho sarobidy ny metaly nanaovana azy ireny ka hampiasainy indray. Tsy fantatra anefa raha nempoiny na nopotehiny aloha ireo sampy vao naleviny.

Teo amin’ilay vahoaka nanaovan’Andriamanitra fifanekena. Vahiny nonina sy nampahorina tany amin’ny tany tsy azy (Ejipta) ny Israelita taranak’i Abrahama, araka ny efa nolazain’i Jehovah tamin’i Abrahama. (Ge 15:13) Nanjaka tany Ejipta ny fanompoan-tsampy satria maro be ny mpanamboatra sampy. Nanana loham-biby ny ankamaroan’ireo andriamanitry ny Ejipsianina: Lohan-tsaka ny an’i Basta, lohan’ombivavy ny an’i Hathor, lohana hitsikitsika ny an’i Horus, lohan’alikadia ny an’i Anubis (SARY, Boky 1, p. 946), ary lohana voronosy ny an’i Thoth. Nankamasinina ny hazandrano sy ny vorona ary ny zavamananaina an-tanety, ary notehirizina tsy ho lo ny fatin’ireo biby noheverina fa masina.

Voararan’ny Lalàna nomen’i Jehovah an’ilay vahoaka nafahany avy tany Ejipta ny fanompoan-tsampy, izay niely patrana tamin’izany. Noraran’ny didy faharoa amin’ny Didy Folo, ohatra, ny fanaovana sary sokitra na sarin-javatra mitovy amin’izay eny amin’ny lanitra, na izay etỳ an-tany, na izay any anaty rano, ary ny fivavahana amin’ireny. (Ek 20:4, 5; De 5:8, 9) Nanafatrafatra an’ireo Israelita i Mosesy hoe tsy azo atao ny manao ny sarin’ilay tena Andriamanitra, ary nampitandrina azy ireo izy mba tsy hanompo sampy. (De 4:15-19) Nodidiana koa izy ireo mba handringana an’ireo mpanompo sampy nonina tao amin’ilay tany hidirany, fa tsy hanao fifanekena aminy na hanambady azy. Tokony hopotehin’izy ireo ny alitaran’ny mpanompo sampy, ny tsangambatony masina, ny tsato-kazony masina, ary ny sary sokitra nivavahany.​—De 7:2-5.

Novorin’i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, tao Sekema ny foko rehetran’ny Israely, ary nodidiany hanary an’ireo andriamani-diso ka hanompo an’i Jehovah. Nihaino ny teniny ilay vahoaka ka nanompo an’i Jehovah foana nandritra ny androm-piainan’i Josoa sy ireo anti-panahy, izay mbola velona taorian’i Josoa. (Js 24:14-16, 31) Nivadi-pinoana anefa izy ireo taorian’izay, ka nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Kananita, toa an’i Bala sy Astarta ary ny tsato-kazo masina na Aseraha. Nafoin’i Jehovah teo an-tanan’ny fahavalony àry izy ireo. Namindra fo anefa izy rehefa nibebaka izy ireo, ka nanendry mpitsara hamonjy azy.​—Mpts 2:11-19; 3:7; jereo ASTARTA, I; BALA No. 7; TSANGAMBATO MASINA; TSATO-KAZO MASINA.

Tamin’ny andron’ny mpanjaka. Tsy dia nanompo sampy ny Israelita tamin’ny andron’i Saoly mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, sy tamin’ny andron’i Isboseta zanany sy Davida Mpanjaka. Nisy nanompo sampy ihany anefa tao amin’ilay fanjakana. Nanana terafima, ohatra, i Mikala zanakavavin’i Saoly. (1Sa 19:13; jereo TERAFIMA.) Tamin’ireo taona faramparany nanjakan’i Solomona, zanak’i Davida, vao nahazo vahana ny fanompoan-tsampy. Ilay mpanjaka mihitsy mantsy no voataonan’ireo vadiny maro hafa firenena hanao izany. Nisy toerana avo naorina ho an’i Astarta, Kemosy, Milkoma, ary Moleka. Lasa nanaraka fivavahan-diso ny vahoaka, ka niankohoka teo anatrehan’ireny sampy ireny.​—1Mp 11:3-8, 33; 2Mp 23:13; jereo KEMOSY; MOLEKA.

Nesorin’i Jehovah teo an-tanan’i Rehoboama zanak’i Solomona àry ny foko folo, ary nomeny an’i Jeroboama. (1Mp 11:31-35; 12:19-24) Nanao zanak’omby ivavahana anefa i Jeroboama rehefa lasa mpanjaka, na dia nomen’i Jehovah toky aza fa haharitra ny fanjakany raha tsy mivadika aminy izy. Natahotra mantsy i Jeroboama sao hikomy ny vahoaka, raha niakatra tsy tapaka tany Jerosalema mba hivavaka. (1Mp 11:38; 12:26-33) Nivavaka tamin’ny zanak’omby foana ny fanjakan’ny foko folo, ary lasa nivavaka tamin’i Balan’i Tyro koa izy ireo tamin’ny andron’i Ahaba Mpanjaka. (1Mp 16:30-33) Tsy ny rehetra anefa no nivadi-pinoana. Nisy 7000 ireo tsy nandohalika tamin’i Bala sy tsy nanoroka azy, tamin’ny andron’i Ahaba, na dia nasain’i Jezebela vadiny novonoina tamin’ny sabatra aza ireo mpaminanin’i Jehovah.​—1Mp 19:1, 2, 14, 18; Ro 11:4; jereo ZANAK’OMBY (Fivavahana tamin’ny zanak’omby).

I Jeho irery tamin’ireo mpanjakan’ny fanjakan’ny foko folo no niezaka namongotra ny fivavahana tamin’i Bala. (2Mp 10:20-28) Nirahin’i Jehovah foana ny mpaminaniny mba hampitandrina ny vahoaka sy ny mpitondra tany avaratra, saingy tsy noraharahain’izy ireo. Nafoin’ilay Mahery Indrindra teo an-tanan’ny Asyrianina àry ireo mpanompo sampy ireo.​—2Mp 17:7-23.

Nanjaka tany Joda koa ny fanompoan-tsampy, na dia nisy mpanjaka niezaka nanafoana azy io ihany aza. Ny fanompoan-tsampy no nahatonga an’ilay fanjakana hizara roa, nefa tsy nandray am-po ny famaizan’i Jehovah i Rehoboama zanak’i Solomona fa mbola nanompo sampy ihany. Nivadi-pinoana izy sy ny Joda rehetra raha vao mafy orina ny fanjakany. (2Ta 12:1) Nanorina toerana avo nasiana tsangambato masina sy tsato-kazo masina ny vahoaka, ary nivaro-tena tao amin’ny tempoly. (1Mp 14:23, 24) Nanao ratsy hoatran’i Rehoboama rainy i Abiama (Abia) Mpanjaka, na dia naneho finoana an’i Jehovah aza tamin’izy niady tamin’i Jeroboama ka nandresy azy.​—1Mp 15:1, 3; 2Ta 13:3-18.

Nanompo an’i Jehovah sy niezaka namongotra ny fanompoan-tsampy tany Joda kosa i Asa mpanjaka nandimby an’i Abiama, sy Josafata zanany. Efa niroborobo anefa ny fanompoan-tsampy teny amin’ny toerana avo, ka toa tsy foana tanteraka ireny toerana ireny na nisy nanorina indray.​—1Mp 15:11-14; 22:42, 43; 2Ta 14:2-5; 17:5, 6; 20:31-33.

Namono olona i Jorama mpanjaka nandimby an’i Josafata, raha vao nahazo fahefana. Nihanahazo vahana indray koa ny fanompoan-tsampy, satria nanambady an’i Atalia, zanakavavin’i Ahaba, mpanompo sampy izy. (2Ta 21:1-4, 6, 11) Nandimby an’i Jorama rainy i Ahazia, ary i Atalia reniny no mpanolo-tsaina azy. Nankasitrahan’i Ahazia sy Atalia, mpandrombaka fahefana, àry ny fanompoan-tsampy nandritra ny fotoana nanjakan’izy ireo.​—2Ta 22:1-3, 12.

Naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana marina raha vao nanjaka i Joasy, taorian’ny namonoana an’i Atalia. Nanompo sampy indray anefa ny Joda noho ny fampirisihan’ireo andriana, rehefa maty i Joiada Mpisoronabe. (2Mp 12:2, 3; 2Ta 24:17, 18) Natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Syrianina àry ny miaramila jodianina, ary novonoin’ny mpanompony i Joasy.​—2Ta 24:23-25.

Nisy vokany lalina tamin’i Amazia ny nampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany tamin’ny Joda sy ny namonoana an’i Joasy rainy, ka nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah izy tamin’ny voalohany. (2Ta 25:1-4) Lasa nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Edomita anefa izy, rehefa resiny izy ireo ary nalainy ny sampiny. (2Ta 25:14) Nivaly ny ratsy nataony rehefa resin’ny fanjakan’ny foko folo ny Joda ary nisy namono izy. (2Ta 25:20-24, 27) I Azaria (Ozia) zanany sy Jotama zafikeliny kosa nanao izay mahitsy teo imason’i Jehovah. Mbola nanompo sampy teny amin’ny toerana avo ihany anefa ny vahoaka.​—2Mp 15:1-4, 32-35; 2Ta 26:3, 4, 16-18; 27:1, 2.

Nanompo sampy mihoatra noho izay rehetra talohany i Ahaza zanak’i Jotama, rehefa lasa mpanjaka. Izy no mpanjakan’ny Joda voalohany nanao sorona ny zanany tao anaty afo. (2Mp 16:1-4; 2Ta 28:1-4) Nofaizin’i Jehovah àry ny Joda ka nataony resin’ny fahavalony. Tsy nibebaka anefa i Ahaza fa nanapa-kevitra ny hanao sorona ho an’ireo andriamanitr’i Syria, satria nanampy ny mpanjaka syrianina handresy an’i Joda, hono, ireny ka nety ho afaka hanampy azy koa. (2Ta 28:5, 23) Nohidiany koa ny varavaran’ny tempolin’i Jehovah ary nopotipotehiny ny fitaovana tao.​—2Ta 28:24.

Nandray soa tamin’ny famaizan’i Jehovah an’ilay firenena kosa i Hezekia, zanak’i Ahaza. (2Ta 29:1, 5-11) Naveriny tamin’ny laoniny ny fivavahana marina, ny taona voalohany nanjakany. (2Ta 29:3) Nopotehiny ny fitaovana rehetra nampiasaina tamin’ny fivavahan-diso tany Joda sy Benjamina, ary tany Efraima sy Manase.​—2Ta 31:1.

Nampiroborobo ny fanompoan-tsampy indray anefa i Manase, zanak’i Hezekia. (2Mp 21:1-7; 2Ta 33:1-7) Tsy resahin’ny Baiboly ny anton’izany. Vao 12 taona izy dia efa lasa mpanjaka, nefa toa tsy tena tia an’i Jehovah ireo mpanolo-tsaina sy andriana nanoro hevitra azy. Tsy nanao toa an’i Ahaza anefa izy fa nibebaka, rehefa nofaizin’i Jehovah ka lasa babo tany Babylona. Naveriny tamin’ny laoniny àry ny fivavahana marina rehefa tafaverina tany Jerosalema izy. (2Ta 33:10-16) I Amona zanany kosa nanao sorona ho an’ny sary sokitra.​—2Ta 33:21-24.

I Josia Mpanjaka no nandimby an’i Amona ary nofoanany tanteraka ny fanompoan-tsampy tany Joda. Nozimbazimbainy ireo toerana nanaovana fanompoan-tsampy, na dia hatrany Samaria aza. Nesoriny tamin’ny asany ireo mpisoron’ny andriamani-kafa sy ireo nanolotra setroka ho sorona ho an’i Bala sy ny masoandro sy volana sy antokon-kintana fijerena tononandro, ary ho an’izay rehetra eny amin’ny lanitra. (2Mp 23:4-27; 2Ta 34:1-5) Tsy naharitra anefa ilay fanovana, satria nanompo sampy indray ireo mpanjakan’ny Joda efatra farany, dia i Joahaza, Joiakima, Joiakina, ary Zedekia.​—2Mp 23:31, 32, 36, 37; 24:8, 9, 18, 19; jereo ANTOKON-KINTANA FIJERENA TONONANDRO; MPANANDRO; TOERANA AVO.

Nilaza ireo mpaminany fa mbola nisy foana ny toerana fanompoan-tsampy sy ny fivarotan-tena tao amin’ny tempoly ary ny sorona ankizy tany Joda, talohan’ny nandravana azy. (Je 3:6; 17:1-3; 19:2-5; 32:29, 35; Ezk 6:3, 4) Na ny Levita aza nanompo sampy. (Ezk 44:10, 12, 13) Ireto avy, ohatra, no hitan’i Ezekiela tamin’izy nahazo fahitana momba ny tempolin’i Jerosalema: Sampy maharikoriko “mahatonga an’Andriamanitra ho saro-piaro”, olona nivavaka tamin’ny sarina biby mandady sy biby maharikoriko, ary olona niankohoka teo anatrehan’i Tamoza (andriamani-diso) sy ny masoandro.​—Ezk 8:3, 7-16.

Nanompo sampy sy nanao sorona ny zanany ny Israelita sady mody nanompo an’i Jehovah ihany, ka nihevitra fa tsy hisy loza hanjo azy. (Je 7:4, 8-12; Ezk 23:36-39) Tonga tokoa anefa ny loza nambaran’i Jehovah mialoha, rehefa noravan’ny Babylonianina i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Tsy nisaina intsony ilay vahoaka mpanompo sampy, ka nihevitra fa noho izy ireo tsy nanolotra setroka ho sorona sy tsy nandraraka zava-pisotro ho an’ny “mpanjakavavin’ny lanitra” no nahatonga izany.​—Je 44:15-18; jereo MPANJAKAVAVIN’NY LANITRA.

Antony nahatonga ny Israely hanompo sampy. Maro ny antony nahatonga ny ankamaroan’ny Israelita hiala matetika tamin’ny fivavahana marina. Anisan’ny asan’ny nofo ny fanompoan-tsampy ka manintona. (Ga 5:19-21) Tsy noroahin’ny Israelita daholo koa ireo mpanompo sampy tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Hitany àry fa nahavokatra be ny sahan’izy ireo noho izy ireo efa zatra niasa an’ilay tany, ka nangatahiny torohevitra izy ireo hoe inona no tokony hatao mba hampifaliana an’i Bala, na ny “tompon’ny” tany tsirairay. Narahiny avy eo ilay torohevitra.​—Sl 106:34-39.

Nitaona an’ireo Israelita hivadi-pinoana koa ny vadiny mpanompo sampy. (Mpts 3:5, 6) Nahasarika ny maro ny fanaranam-po tamin’ny firaisana fanaon’ny mpanompo sampy. An’arivony, ohatra, ny Israelita nijangajanga sy nanompo sampy tao Sitima, teny amin’ny Lemak’i Moaba. (No 22:1; 25:1-3) Mety ho nahasarika ny sasany koa ny fisotroana be tao an-tranon’ireo andriamani-diso.​—Am 2:8.

Teo koa ny faniriana hahalala ny hoavy mba hahazoana antoka hoe handeha tsara ny zava-drehetra. Izany, ohatra, no nahatonga an’i Saoly hanatona mpamoha angatra, sy nahatonga an’i Ahazia haniraka olona hanontany an’i Bala-zeboba andriamanitr’i Ekrona.​—1Sa 28:6-11; 2Mp 1:2, 3.

Hadalana. Imbetsaka ny Baiboly no manasongadina fa hadalana ny miantehitra amin’andriamanitra vita amin’ny hazo sy vato ary metaly. Noresahin’i Isaia, ohatra, ny momba ny fanamboarana sampy sy ny hadalan’ny olona iray nampiasa ny antsasaky ny hazo iray mba handrahoana sakafo sy hamindroana, nefa ny ambiny nanamboarany andriamanitra noheveriny fa hamonjy azy. (Is 44:9-20) Naminany koa izy fa harian’ny mpanompo sampy any amin’ny voalavo tsokotsoko vava sy ny ramanavy ireo sampy tsy misy fotony, amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah. (Is 2:19-21) Hoy ny Habakoka 2:19: “Lozan’ilay miteny amin’ny hazo hoe: ‘Mifohaza!’, ary amin’ny vato moana hoe: ‘Mifohaza!’” Ho sahala amin’ny sampy tsy mahay miteny ny mpanamboatra azy, izany hoe ho lasa tsy mananaina koa.​—Sl 115:4-8; 135:15-18; jereo Ap 9:20.

Fomba fihevitra mety. Maharikoriko an’ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ny sampy. Lazain’ny Baiboly fa tsy misy dikany (1Ta 16:26; Sl 96:5; 97:7), mahatsiravina (1Mp 15:13; 2Ta 15:16), mahamenatra (Je 11:13; Ho 9:10), ary maharikoriko (Ezk 16:36, 37; 37:23) ny andriamani-diso sy ny sampy. Miverina matetika ao ilay hoe “sampy maharikoriko” nadika avy amin’ny teny hebreo hoe gillolim, izay misy ifandraisany amin’ny teny midika hoe “diky.” (1Mp 14:10; Ze 1:17) Ao amin’ny Levitikosy 26:30 no ahitana voalohany an’io teny fanamavoana io, ary miverina efa ho in-40 izy io ao amin’ny Ezekiela fotsiny, manomboka eo amin’ny toko faha-6 andininy faha-4.

Niaiky i Joba, lehilahy tsy nivadika, fa ho nanda an’Andriamanitra na nanompo sampy izy, raha voafitaka mangingina ny fony tamin’izy nahatazana zavatra teny amin’ny lanitra, toy ny volana, ka ‘nanoroka ny tanany ny vavany ho fanajana an’ireny’ (angamba nandefa oroka tamin’ny tanana ho fanompoana an’ireny). (Jb 31:26-28; ampit. De 4:15, 19.) Hoy i Jehovah momba ny olo-marina: ‘Tsy niandrandra an’ireo sampy maharikoriko notompoin’ny taranak’Israely izy’, izany hoe tsy nitalaho tamin’izy ireo na niandry ny fanampiany.​—Ezk 18:5, 6.

Ohatra tsara koa ireo Hebreo telo lahy, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Tsy nety niankohoka teo anatrehan’ilay sarivongana volamena natsangan’i Nebokadnezara Mpanjaka teo amin’ny Lemak’i Dora izy ireo, na dia norahonana ho faty aza.​—Da 3.

‘Nandositra ny fanompoan-tsampy’ ny Kristianina voalohany (1Ko 10:14), ka nanahy ny mpanamboatra sampy sao hitondra fatiantoka ho an’ny asan’izy ireo ny Fivavahana Kristianina. (As 19:23-27) Nilaza ny mpahay tantara fa matetika no norahonana ho faty toa an’ireo Hebreo telo lahy ny Kristianina tao amin’ny Fanjakana Romanina, noho izy ireo tsy nety nanompo sampy. Tsy novonoina ho faty izay Kristianina nanaiky fa andriamanitra ny mpanjaka romanina sady nanolotra emboka manitra iray tsongo. Tsy nanaiky lembenana anefa ny ankamaroany. Takatr’izy ireo tsara mantsy fa tsy ho anisan’ilay Jerosalema Vaovao izy ireo ary tsy hahazo ny lokan’ny fiainana (Ap 21:8; 22:14, 15), raha manompo sampy indray nefa efa nanompo an’ilay tena Andriamanitra.​—1Te 1:9.

Tsy maintsy mitandrina amin’ny sampy (1Jn 5:21) koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Voalaza mantsy fa hoterena hivavaka amin’ilay “bibidia” an’ohatra sy ny “sariny” ny mponina eran-tany. Tsy homen’Andriamanitra fiainana mandrakizay anefa izay mbola manompo an’ireo sampy ireo. “Eto no mila fiaretana ny olona masina.”​—Ap 13:15-17; 14:9-12; jereo ZAVA-MAHARIKORIKO, No. 2.