Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sampy, Hena Atolotra ho An’ny

Sampy, Hena Atolotra ho An’ny

Fanaon’ny mpanompo sampy tamin’ny taonjato voalohany ny nanolotra hena ho an’ny sampy. Natao teo ambony alitara ny ampahany tamin’ilay biby natao sorona, nisy ampahany nomena ny mpisorona, ary nisy nomena an’ireo nanolotra ka nohaniny nandritra ny fety natao tao an-tempoly na tany an-trano. Matetika anefa no nalefa tany amin’ny makellôn, na tsena fivarotan-kena, ny hena sasany natolotra ho an’ny sampy.

Olona maro no zatra nihinana hena natolotra ho an’ny sampy sy nanaja sampy, tamin’izy ireo mbola tsy Kristianina. (1Ko 8:7) Azo lazaina hoe ‘nanan-javatra iombonana tamin’ny demonia’ àry ireo mpanompo sampy fahiny ireo. (1Ko 10:20) Tsy mahagaga raha nanoratra ny filan-kevi-pitantanana notarihin’ny fanahy masina fa tsy tokony hihinana hena natolotra ho an’ny sampy ny Kristianina, sao ho lasa mpanompo sampy.​—As 15:19-23, 28, 29.

Nanontany tena àry ny Kristianina, anisan’izany ireo nipetraka tany Korinto, hoe: ‘Azon’izy ireo atao ve ny mihinan-kena ao amin’ny tempolin’ny sampy, raha tsy mieritreritra ny hanompo sampy izy ireo? Tsy maninona ve ny mividy hena eny amin’ny makellôn, raha efa natolotra ho an’ny sampy ilay hena? Ahoana indray raha asain’ny olona hisakafo izy ireo, nefa hena toy izany no aroson’ilay olona?’

Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Korinto i Paoly, mba hanampiana azy ireo hanao fanapahan-kevitra tsara. ‘Tsinontsinona ny sampy’, nefa tsy tokony hihinan-kena ao amin’ny tempolin’ny sampy ny Kristianina (na dia tsy misy fombafomba ara-pivavahana aza amin’izay). Mety hanafintohina an’ireo malemy finoana mantsy izy, satria heverin’izy ireo fa manompo sampy. Hanjary ho sahy hihinana hena natao sorona ho an’ny sampy mihitsy aza ireo malemy finoana, rehefa misy fombafomba ara-pivavahana, ka handika an’ilay didy navoakan’ny filan-kevi-pitantanana. Mety ho simba koa ny feon’ny fieritreretan’ilay Kristianina mihinan-kena, ary mety hanompo sampy izy.​—1Ko 8:1-13.

Tsy miova akory ilay hena natolotra ho an’ny sampy. Tsy enjehin’ny eritreriny àry ny Kristianina raha mividy hena eny an-tsena, na dia avy any amin’ny tempolin’ny sampy aza ilay izy. Efa tsy “masina” intsony mantsy ilay hena, fa mitovy amin’ny hena rehetra. Tsy voatery hanontany àry ny Kristianina hoe avy aiza ilay izy.​—1Ko 10:25, 26.

Tsy voatery hanontany koa izy hoe avy aiza ny hena aroson’ny olona manasa azy hisakafo. Tsy tokony henjehin’ny eritreriny àry izy raha mihinana. Raha misy milaza anefa amin’izay hoe “natolotra ho sorona” ilay hena, dia tsy hihinana ilay Kristianina sao hanafintohina ny hafa.​—1Ko 10:27-29.

Nilaza tamin’i Jaona i Jesosy Kristy be voninahitra fa tsy nanaraka ny didin’ny apostoly ny Kristianina sasany tany Pergamosy sy Tyatira, satria nihinana zavatra natao sorona ho an’ny sampy.​—Ap 2:12, 14, 18, 20.