Samsona
(Samsôna) [avy amin’ny fototeny midika hoe “masoandro”].
Anisan’ny mpitsara niavaka teo amin’ny Israely, ary zanakalahin’i Manoa, izay Danita avy any Zora. Tamin’ny mbola tsy teraka i Samsona, dia nisy anjely nilaza tamin-dreniny fa hitoe-jaza izy, ka hiteraka lahikely, izay ho Nazirita hatramin’ny hahaterahany. “Izy no hanomboka hamonjy ny Israely eo an-tanan’ny Filistinina.” (Mpts 13:1-5, 24; 16:17) Hitarika ny ady hatao amin’ny Filistinina izy, ka tsy maintsy hanakaiky ny fatin’ireo maty an’ady. Rehefa jerena àry ny iraka nampanaovina azy, dia tsy nihatra taminy ilay lalàna hoe tsy nahazo nikasika faty ny Nazirita. (No 6:2-9) Tsara homarihina koa fa nihatra tamin’ny olona nivoady an-tsitrapo ho Nazirita io lalàna io. Ny hany notakina tamin’i Samsona kosa dia izay nolazain’ilay anjelin’i Jehovah mazava tsara tamin-dreniny.
Rehefa ampy taona hanambady i Samsona, dia niangaviany ny ray aman-dreniny mba haka vehivavy iray tany Timna ho vadiny. Nifanaraka tamin’ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra izany, satria amin’izay i Samsona dia hahita hirika hiadiana amin’ny Filistinina. (Mpts 13:25–14:4) Nifanehatra tamin’ny liona tanora izy avy eo, tany akaikin’i Timna. Nanome hery azy ny fanahin’Andriamanitra, ka nosamahiny roa ilay biby, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nanohy ny diany nankany Timna izy ary niresaka tamin’ilay vehivavy filistinina, izay tiany halaina ho vady.—Mpts 14:5-7.
Nankany Timna indray i Samsona sy ny ray aman-dreniny, taoriana kelin’izay, mba haka an’ilay vehivavy ho any an-tranony amin’izay. Nivily anefa izy teny an-dalana mba hijery ny fatin’ilay liona efa novonoiny. Nahita renitantely maro be tao izy, ary efa nisy tantely koa tao. Nihinanany ilay tantely ary nanomezany koa ny ray aman-dreniny. Io zava-nitranga io no nanaovan’i Samsona Mpts 14:8-19.
ankamantatra tamin’ny Filistinina mpanotrona 30 lahy, nandritra ilay fampakaram-bady. Lasa afaka namono Filistinina 30 lahy tany Askelona izy, noho ireo zava-nitranga vokatr’iny ankamantatra iny.—Nomen’ny rain-drazazavavy ho an’ny lehilahy hafa ilay tokony ho vadin’i Samsona, sady tsy navelany hahita azy intsony izy. Nahita hirika hamelezana ny Filistinina àry i Samsona noho izany. Nampiasa amboadia 300 izy, ka nodorany ny tanimboly sy tanimboaloboka, ary sahan’olivan’ny Filistinina. Tezitra be ny Filistinina ka nodorany razazavavy sy ny rainy, satria ny nataony tamin’i Samsona no nahatonga ny loza nanjo azy ireo. Hirika nahafahan’i Samsona namely ny Filistinina indray àry iny. Nandripaka Filistinina maro izy ka “nisavovona ny ranjo sy ny fen’ireo maty.”—Mpts 14:20–15:8.
Te hamaly faty an’i Samsona ny Filistinina ka nankany Lehy. Nisy lehilahy 3000 avy tany Joda natahotra, ka nandresy lahatra an’i Samsona tany amin’ilay harambato tany Etama mba hitolo-batana sy hofatorana tady roa vaovao ary hoentina any amin’ny Filistinina. Faly erỳ izy ireo niomana ny handray an’i Samsona, saingy ‘niasa taminy ny fanahin’i Jehovah, ka lasa toy ny kofehy rongony main’ny afo ny tady teny amin’ny sandriny, hany ka nitsonika niala tamin’ny tanany ny tady namatorana azy.’ Naka valanoranon’ampondralahy izy ka nampiasa an’ilay taolana mbola mando mba hamonoana 1000 lahy. Nilaza izy avy eo fa avy tamin’i Jehovah ilay famonjena. Nanao fahagagana i Jehovah mba hanomezana rano azy, satria nangetaheta izy ka nangataka rano hosotroina.—Mpts 15:9-19.
Nankao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray i Samsona, indray mandeha, tany Gaza, tanànan’ny Filistinina. Ren’ny Filistinina izany, ka niafina izy ireo satria te hamono azy ny ampitso maraina. Nifoha anefa i Samsona rehefa nisasaka ny alina, ary nongotany ny vavahady teo amin’ny mandan’ny tanànan’i Gaza, ka nongotany hatramin’ny andry roa teo amin’ny sisiny sy ny bara hidiny. Nobatainy izany ary nentiny “niakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra tandrifin’i Hebrona.” (Mpts 16:1-3; jereo GAZA No. 1.) Lasa mora notafihina sy tsy nanana fiarovana intsony àry i Gaza, ka tena afa-baraka ny Filistinina. Mbola nanana ny fanahin’Andriamanitra i Samsona, matoa nahavita an’io zavatra niavaka io. Porofo izany fa tsy ny hijangajanga no anton-diany tao amin’ilay mpivaro-tena. Hoy i Paulus Cassel: “Tsy ho any amin’ny mpivaro-tena no anton-dian’i Samsona tany Gaza: Voalaza mantsy fa ‘nankany izy, ary nahita [vehivavy mpivaro-tena].’ Te hijanona tao [Gaza] anefa izy ny alina, ka ny hany toerana azony iantranoana tany amin’ilay firenena fahavalo dia tany amin’ilay [mpivaro-tena]. ... Mitovy ihany ny fomba nilazana ny fijanonany tao sy ny an’ireo mpitsikilo tao an-tranon’i Rahaba. Ilay hoe ‘nahita [vehivavy mpivaro-tena]’ dia midika fotsiny hoe rehefa nahita vehivavy iray toy izany izy, dia fantany hoe aiza izy no hahita toerana azony atoriana amin’ny alina.” (Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange; Mpts 16:1, p. 212; nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976) Tsara homarihina koa fa milaza ilay fitantarana hoe: “Natory i Samsona mandra-pisasaky ny alina”, fa tsy hoe: ‘Natory niaraka tamin’ilay vehivavy i Samsona mandra-pisasaky ny alina.’
Tsy lehilahy kanosa i Samsona, matoa sahy nankany amin’ny tanin’ny fahavalo. Nankany Gaza izy satria angamba “nitady hirika hamelezana ny Filistinina”, toy ny tamin’izy naka vady filistinina ihany. (Mpts 14:4) Raha izany no izy, dia nitady ny hirika rehetra izy mba hamadihana izay tetika natao hamelezana azy, ho lasa antony ahafahany mamely ny Filistinina.
Namadika azy i Delila. Taorian’izay i Samsona vao raiki-pitia tamin’i Delila. (Jereo DELILA.) Te hahazo vola be i Delila ka nitady ny fomba rehetra hamantarana izay nahatonga an’i Samsona hatanjaka be. Namitaka azy intelo i Samsona. Nisisika foana anefa i Delila, ka tsy namelany izy. Farany, dia nolazainy hoe Nazirita hatramin’ny nahaterahany izy ka izay no mahatonga azy hatanjaka be. Nampilaza ny Filistinina àry i Delila mba hahazoany ny vola be nampanantenaina azy, ho tambin’ny hanolorany an’i Samsona eo an-tanan’izy ireo. Raha mbola natory teo am-pofoan’i Delila i Samsona, dia niantso olona hanapaka ny volony i Delila. Tsy nanana ny fanahin’i Jehovah intsony i Samsona, rehefa nifoha, satria lasa tsy Nazirita intsony. Tsy ilay volo akory no inona fa ny dikan’izy io, dia hoe nanana fifandraisana manokana tamin’i Jehovah izy satria Nazirita, ka izay no nahatonga azy hatanjaka be. Tapaka ilay fifandraisana, ka tsy nisy nampiavaka azy tamin’ny lehilahy hafa intsony. Lasa vitan’ny Filistinina àry ny nanajamba azy, namatotra azy tamin’ny gadra varahina, ary nampiasa azy ho mpanodina vato lehibe fikosoham-bary tao am-ponja.—Mpts 16:4-21.
Nanomana sorona lehibe ho an’i Dagona andriamanitr’izy ireo ny Filistinina, raha mbola nogiazana tao am-ponja i Samsona. Nino mantsy izy ireo fa i Dagona no nahatonga azy ireo hahazo an’i Samsona. Vahoaka be tokoa no tafangona tao amin’ny trano fivavahana tamin’i Dagona. Tonga tao koa ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina. Teny amin’ny tafo fotsiny, dia efa nisy lehilahy sy vehivavy 3000. Falifaly erỳ ny Filistinina ka nasainy navoaka ny fonja i Samsona, mba hampiala voly azy ireo. Efa nanomboka naniry tsara indray anefa Mpts 16:22-28) Nahoana i Samsona no nivavaka mba hamaly faty noho ny anankiray tamin’ny masony? Niaiky angamba izy fa nisy fahadisoany matoa nopotsirina ny masony roa, na angamba izy nihevitra fa tsy afaka ny hamaly faty tanteraka satria solontenan’i Jehovah.
ny volony. Rehefa tonga izy, dia niangaviany ilay zazalahy nitantana azy mba hamela azy hitsapa an’ireo andry nanohana an’ilay trano. Nivavaka tamin’i Jehovah izy avy eo hoe: “Mba tsarovy re aho ka hatanjaho azafady indrindra e, amin’ity indray mandeha ity monja, ry ilay tena Andriamanitra ô! Ary aoka aho hamaly faty ny Filistinina noho ny anankiray amin’ny masoko roa.” (Nitehina tamin’ireo andry roa i Samsona, ary “nanezaka mafy niondrika”, ka nianjera ilay trano. Maty izy, nefa ny Filistinina matiny tamin’io dia be lavitra noho izay novonoiny tamin’ny fahavelony. Nalain’ny fianakaviany ny fatiny, ary nalevina “teo anelanelan’i Zora sy Estaola, tao amin’ny fasan’i Manoa rainy.” Tsy nivadika tamin’i Jehovah i Samsona nandritra ireo 20 taona nitsarany ny Israely. Rariny àry izy raha tanisaina ho anisan’ireo lehilahy nanam-pinoana, izay lasa mahery.—Mpts 15:20; 16:29-31; He 11:32-34.