Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sanbala

Sanbala

(Sanbàla) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “I Sîn [andriamanitra volana] dia Namonjy”].

Horonita (izany hoe nonina tao Beti-horona na Horonaima) nanohitra an’i Nehemia, izay nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema. (Ne 2:10) Toa izy ihany ilay Sanbala governoran’i Samaria sy rain’i Delaia sy Selemia, resahin’ny taratasy papyrus iray hita tany Éléphantine, any Ejipta.

Naneso an’ireo Jiosy sy niampanga azy ho nikomy tamin’ny mpanjakan’i Persa i Sanbala sy Tobia ary Gasema. (Ne 2:19; 4:1) Nitetika ny hiady tamin’i Jerosalema i Sanbala sy ny mpanohitra hafa, rehefa nandroso ny fanamboarana ny manda. Tsy nahomby anefa izay tetika nataon’izy ireo, satria niantehitra tamin’i Jehovah ny Jiosy ary nanisy mpiambina. (Ne 4:7-9) Nitaona imbetsaka an’i Nehemia hiala tao an-tanàna ry Sanbala, rehefa voatampina ny banga tamin’ny manda. Nisy Jiosy koa nokaramain’i Sanbala sy Tobia hampitahotra an’i Nehemia sy hitaona azy hiafina tao an-tempoly ka hanota. Tsy nisy nahomby daholo anefa izany.​—Ne 6:1-14.

Rehefa tafaverina tao Jerosalema indray i Nehemia, dia hitany fa lasa vinantolahin’i Sanbala ny zafikelin’i Eliasiba Mpisoronabe ka noroahiny.​—Ne 13:6, 7, 28.