Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sandry

Sandry

Rantsambatana manomboka eo amin’ny foto-tsoroka ka hatreo amin’ny hatotanana. Zerôha‘ no teny hebreo ary brakiôn no teny grika nadika hoe sandry. Matetika ireo teny ireo no manana heviny an’ohatra ao amin’ny Baiboly, ka midika hoe fahaizana mampiasa ny tanjaka sy ny fahefana. (Jb 22:8; ampit. Lk 1:51.) Tena faran’izay mahery ny ‘sandrin’i’ Jehovah, ary mahavita mamorona zava-mahagaga maro. (Je 27:5; 32:17) Voalaza koa fa mampiasa ny sandriny Izy mba hanjakany (Is 40:10; Ezk 20:33), hamonjeny ny ory (Sl 44:3; Is 52:10), hanafahany ny olony (Ek 6:6; Is 63:12; As 13:17, f.a.p.), hanampiany sy hikarakarany azy ireny (De 33:27; Is 40:11; Ho 11:3), hitsarany (Is 51:5), ary hampielezany ny fahavalony (Sl 89:10; Lk 1:51). Midika hoe manamontsana hery ny hoe manapaka sandry. (Jb 38:15; Sl 10:15; Je 48:25) Hampiasa an’i Jesosy Kristy i Jehovah mba hampiharihariana ny heriny izay oharina amin’ny “sandriny.” Nomeny hery sy fahefana mantsy i Jesosy Kristy mba ho Mpitsara sy Mpanatanteraka didim-pitsarana.​—Is 53:1; Jn 12:37, 38.

Ny herin’olombelona no atao hoe sandry nofo, ary lazain’ny Baiboly fa tsy azo ianteherana sady mandiso fanantenana izy io, ka hahita loza izay matoky azy io. Efa nampitandrina momba izany i Jehovah. (2Ta 32:8; Je 17:5) Voalaza fa mampahory an’izay azony ny sandrin’ny ratsy fanahy, ka hotapahin’i Jehovah.​—Jb 35:9; 38:15; Sl 10:15.

Nanonofy i Nebokadnezara Mpanjaka ka nahita sarivongana nanana tratra sy sandry volafotsy, izay tsy inona fa ny fanjakana Media-Persa, ilay firenena natanjaka nandimby an’i Babylona, izay loha volamena.​—Da 2:32, 39