Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sankeriba

Sankeriba

(Sankerìba) [avy amin’ny teny akadianina, ary midika hoe “I Sîn [andriamanitra volana] dia Namerina An’ireo Rahalahy Tamiko”].

Zanakalahin’i Sargona II, ary mpanjakan’i Asyria. Nahery ny Fanjakana Asyrianina tamin’izy lasa mpanjaka, kanefa nisy firenena nikomy taminy foana. Voatery nampitsahatra an’ireny fikomiana ireny àry izy, indrindra fa tany Babylona.

Toa governora na jeneraly tany amin’ny faritra avaratr’i Asyria i Sankeriba, tamin’ny fotoana nanjakan’ny rainy. Tsy dia nahitany olana àry iny faritra iny rehefa lasa mpanjaka izy, fa ny tany atsimo sy andrefana no tena nanahirana azy. Nialokaloka tany Elama ilay Kaldeanina atao hoe Merodaka-baladana (Is 39:1), tamin’ny andron’i Sargona rain’i Sankeriba. Nody anefa izy izao ka nihambo ho mpanjakan’i Babylona. Nanohana azy koa ireo Elamita. Tonga hiady tamin’izy ireo àry i Sankeriba, ka nandresy azy ireo tao Kisy. Nandositra anefa i Merodaka-baladana, ary niafina nandritra ny telo taona. I Sankeriba kosa nanafika ka nandresy an’i Babylona, ary nanendry an’i Bel-ibni ho governora. Nanasazy an’ireo firenena teny amin’ireo tany be havoana nanodidina an’i Asyria koa i Sankeriba tatỳ aoriana, mba tsy hikomian’izy ireo intsony.

Lasa nanafika an’i “Hatti” i Sankeriba avy eo, tamin’ilay nantsoiny hoe “fanafihana fahatelo.” I Fenisia sy Palestina io “Hatti” io tamin’izany. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 287) Saika io faritra io manontolo no nikomy tamin’i Asyria. Anisan’ireo nikomy koa i Hezekia mpanjakan’ny Joda (2Mp 18:7), na dia tsy misy porofo aza hoe niray dina tamin’ny mpanjaka hafa izy.

Niankandrefana ny tafik’i Sankeriba, tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia (732 T.K.). Nobaboiny i Sidona, Akziba, Ako, ary ny tanàna hafa teny amin’ny morontsirak’i Fenisia. Nianatsimo indray ilay tafika avy eo. Raiki-tahotra ireo firenena toa an’i Moaba sy Edoma ary Asdoda, ka nandoa hetra tamin’i Asyria ho mariky ny fanekena ny fahefany. I Askelona kosa mbola tsy nety nanaiky ihany, ka nobaboina niaraka tamin’ireo tanànan’i Jopa sy Beti-dagona teny akaikiny. Misy soratra asyrianina milaza fa tsy mety ny nataon’ny vahoaka sy andriana tao Ekrona, tanàna tany Filistia, satria natolony an’i Hezekia i Padi mpanjakan’i Ekrona. ‘Naiditr’i Hezekia am-ponja izy, nefa tsy ara-dalàna izany’, hoy i Sankeriba. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 287; ampit. 2Mp 18:8.) Voalaza fa nangataka fanampiana tamin’i Ejipta sy Etiopia ireo mponin’i Ekrona, mba hisakanana ny fanafihan’ny Asyrianina.

Resahin’ny Baiboly fa tokotokony ho tamin’izay i Sankeriba no nanafika an’i Joda. Tanàna voaro mafy maromaro no nataony fahirano sy nobaboiny. Nandefa iraka tany amin’i Sankeriba tao Lakisy àry i Hezekia, mba hilaza fa vonona handoa izay hetra takiny izy. (2Mp 18:13, 14) Hita eo amin’ny sary iray ny namaboan’i Sankeriba an’i Lakisy. Mipetraka eo ambony seza fiandrianana izy, ary eo anoloany ilay tanàna resiny. Entina eo aminy ireo zavatra azo babo sady ampijalijalina ny olona babo sasany.

Tsy resahin’ny Baiboly raha nafahan’i Hezekia ihany i Padi Mpanjaka na tsia, raha marina tokoa ny hoe nogadrainy izy. Resahiny kosa fa naloan’i Hezekia ireo talenta volafotsy 300 (1 982 000 dolara eo ho eo), sy ireo talenta volamena 30 (11 560 000 dolara eo ho eo) notakin’i Sankeriba. (2Mp 18:14-16) Mbola tsy afa-po ihany anefa i Sankeriba fa naniraka manamboninahitra telo indray, hilaza tamin’i Hezekia Mpanjaka sy ny vahoakan’i Jerosalema mba hitolo-batana ka hanaiky hatao sesitany. Nohamavoin’ireo iraka ny fianteheran’i Hezekia tamin’i Jehovah. Nolazain’izy ireo koa ny fireharehan’i Sankeriba hoe tsy hahavonjy i Jehovah, toa an’ireo andriamanitry ny firenena maro efa resin’ny Asyrianina ihany.​—2Mp 18:17-35.

Niady tamin’ny tanànan’i Libna i Sankeriba, rehefa niverina tany aminy ireo iraka. Tao ilay mpanjaka no nahare fa “nivoaka hiady aminy i Tiraka mpanjakan’i Etiopia.” (2Mp 19:8, 9) Nanoratra i Sankeriba fa niady tany Elteke (15 km eo ho eo avaratra avaratrandrefan’i Ekrona) izy, ka resiny ny tafika ejipsianina sy ireo miaramilan’ny “mpanjakan’i Etiopia.” Noresahiny koa fa azony i Ekrona ary naveriny teo amin’ny fitondrana i Padi, rehefa nafahany.​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 287, 288.

Resin’i Jehovah ny tafik’i Sankeriba. Nandefa taratasy fandrahonana an’i Hezekia i Sankeriba, ka nilaza fa mbola tapa-kevitra ihany izy ny haka an’i Jerosalema, renivohitr’i Joda. (Is 37:9-20) Resahin’ny Baiboly anefa fa tsy afaka ‘nandefa zana-tsipìka tao, na nanangana tovon-tany nanaovana fahirano azy’ ny Asyrianina. Naniraka anjely iray mantsy i Jehovah, ho setrin’ny fihantsian’i Sankeriba. Nandripaka “dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ny Asyrianina” ilay anjely, tao anatin’ny indray alina monja. Nody “tamin-kenatra tany amin’ny taniny” àry i Sankeriba.​—Is 37:33-37; 2Ta 32:21.

Tsy noresahin’i Sankeriba mihitsy ny amin’ilay loza nanjo an’ireo miaramilany. Tsy mahagaga izany, satria hoy i Jack Finegan, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Tsy hanoratra momba ilay fahareseny mihitsy i Sankeriba, ... satria fanaon’ireo mpanjaka asyrianina ny mirehareha rehefa manoratra ny tantarany.” (Fanazavan’ny Tantara Fahiny, 1959, p. 213) Mahaliana kosa ny fitantaran’i Sankeriba an’ilay zava-nitranga, araka ny hita eo amin’ilay Iraizotongotr’i Sankeriba (SARY, Boky 1, p. 957) voatahiry ao amin’ny Sampam-pianaran’ny Oniversiten’i Chicago Momba An’i Israely sy ny Manodidina. Hoy izy: “Tsy nanaiky hofeheziko i Hezekia Jiosy. Nataoko fahirano àry ny 46 tamin’ireo tanànany voaro mafy sy toby mimanda, mbamin’ireo tanàna kely maro be teny amin’ny manodidina. (Tovon-tany) mafy tsara, sy lohondry vy nampanakekezina (an’ireo manda), (ary) miaramila nandeha an-tongotra no nandreseko (an’ireny). Nanao lalana ambanin’ny tany koa aho, nanagorobaka manda, ary nandavaka ny fototry ny manda. Olona 200 150 no nentiko (avy tao amin’izy ireny), ka misy kely sy lehibe, ary lahy sy vavy. Nalaiko ho babo koa ireo soavaly, ramole, ampondra, rameva, ary omby sy ondry tsy voatanisa. Izy [Hezekia] kosa nogadraiko tao Jerosalema tanànany, toy ny vorona voahidy anaty tranony. ... Ireo tanànany norobaiko dia nomeko an’i Mitinti, mpanjakan’i Asdoda, sy Padi, mpanjakan’i Ekrona, ary Sillibel, mpanjakan’i Gaza. ... I Hezekia kosa ... tatỳ aoriana nandefa tany amiko tany Ninive, tanànako malaza, talenta volamena 30 sy talenta volafotsy 800, vatosoa, antimoanina [metaly fotsy manopy manga], vato mena ngezabe, farafara (nasiana haingony) ivoara, ... seza (nasiana haingony) ivoara, hoditra elefanta, hazomainty, sy karazan-kazo mandokalahy, (ary) harena sarobidy isan-karazany. Nalefany koa ireo zanany vavy, vadikeliny, ary mpihira lahy sy vavy. Ny irany (manokana) mihitsy no nalefany handoa ilay hetra, ho mariky ny fanekeny ahy, toy ny ataon’ny andevo.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 288.

Fieboeboana fotsiny izany! Nanitatra i Sankeriba rehefa nilaza fa talenta volafotsy 800 no nomena azy, nefa 300 no tena izy. Azo antoka fa nanitatra koa izy ny amin’ny zavatra hafa naloa taminy. Na izany aza, dia porofoin’io fitantarana io fa marina ny voalazan’ny Baiboly, ary tsy nilaza mihitsy i Sankeriba hoe azony i Jerosalema. Nilaza anefa izy hoe rehefa avy nandrahona ny hanao fahirano an’i Jerosalema ny Asyrianina, no nandoa an’ilay hetra i Hezekia. Ny Baiboly kosa milaza fa talohan’izay ilay izy. Hoy ny Diksionera Ara-baiboly Vaovao Natontan’i Funk sy Wagnalls (1936, p. 829), momba ny mety ho anton’izany tsy fitoviana izany: “Tsy mazava hoe ahoana no niafaran’ny fanafihan’i S[ankeriba]. Tsy fantatra hatramin’izao izay nataony taorian’ny namaboany an’i Ekrona ... Notantarain’i S[ankeriba] fa tamin’izay izy no nanasazy an’i Hezekia sy nanafika an’i Joda ary nizara an’ilay faritra sy ireo tanànan’i Joda. Asehon’ilay fitantarany fa toy ny hoe misy zavatra tsy tiany horesahina.” Resahin’ny Baiboly fa niverina haingana tany Ninive i Sankeriba rehefa naripak’Andriamanitra ny miaramilany. Namboamboarin’i Sankeriba àry ilay fitantarana rehefa nilaza izy hoe nandefa iraka manokana tany Ninive i Hezekia, mba handoa hetra taminy. Mahaliana koa fa tsy misy soratra na tantara fahiny miresaka hoe mbola nanafika an’i Palestina i Sankeriba tatỳ aoriana, na dia milaza aza ny mpahay tantara fa mbola niampy 20 taona ny fotoana nanjakany.

Nilaza i Josèphe, Jiosy mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany, fa toy izao no fitantaran’ilay Babylonianina atao hoe Bérose (toa velona tamin’ny taonjato fahatelo T.K.) an’ilay zava-nitranga: “Niverina tany Jerosalema i Sankeirimosy rehefa avy niady tamin’i Ejipta. Hitany tany fa efa ho ripaka ny tafiny notarihin’i Rapsakesy, satria nasian’Andriamanitra tamin’ny areti-mandringana. Miaramila dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy, mbamin’ireo manamboninahitra, no maty ny alina voalohany nanaovana ilay fahirano.” (Rakitry ny Ela Jiosy, X, 21 [i, 5]) Misy mpivaofy teny milaza fa mety ho ilay zava-nitranga notantarain’i Hérodote (II, 141) tamin’ny taonjato fahadimy T.K. ilay loza nitranga. Nitantara, hono, izy io hoe: “Nisy voalavo be dia be avy tany an-tsaha nirohotra nankao amin’ny tobin’ny Asyrianina indray alina, ka nihinana an’ireo tranon-jana-tsipìka sy tsipìka ary tahon’ampinga.” Tsy afaka nanafika an’i Ejipta intsony, hono, ny Asyrianina avy eo. Hita anefa fa tsy mifanaraka amin’izay voalazan’ny Baiboly izany fitantaran’i Hérodote izany. Tsy mifanaraka amin’ireo soratra asyrianina koa izany. Samy manamarina kosa anefa ny fitantaran’i Bérose sy Hérodote fa tena nahita loza tampoka ny tafik’i Sankeriba tamin’izay.

Nisy olana hafa koa tsy maintsy natrehin’i Sankeriba rehefa tafaverina tany Asyria izy. Nikomy indray mantsy i Merodaka-baladana tany Babylona, ka tsy maintsy niady taminy izy. Notendren’i Sankeriba ho mpanjakan’i Babylona àry i Asoronadinsomia zanany. Nanafika an’ireo Elamita i Sankeriba, enin-taona taorian’izay. Tsy ela anefa dia namaly faty izy ireo ka nanafika an’i Mezopotamia koa. Azon’izy ireo babo i Asoronadinsomia, ary ny mpanjakan’izy ireo ihany no nataony mpanjakan’i Babylona. Niady fahefana tao amin’ilay faritra nandritra ny taona maro ny Asyrianina sy ny Elamita. Farany, tezitra i Sankeriba ka noravany tanteraka i Babylona. Tsy nampoizina mihitsy izany, satria “Tanàna Masina” i Babylona tamin’ny firenena rehetra tany Mezopotamia. Toa tsy dia nisy fanafihana lehibe nataon’i Sankeriba intsony mandra-pahafatiny.

Misy nandinika an’ireo tantara nosoratan’ny Asyrianina sy Babylonianina, ka nanatsoaka hevitra fa 20 taona teo ho eo taorian’ny nanafihan’i Sankeriba an’i Jerosalema vao maty izy. Tsy tena azo antoka anefa ireny tantara ireny. Tsara homarihina koa fa tsy milaza ny Baiboly hoe maty avy hatrany i Sankeriba, raha vao tafaverina tany Ninive. Hoy fotsiny ny Baiboly: ‘Nony niditra tao an-tranon’i [Nisroka] andriamaniny’ izy, dia “namono azy tamin’ny sabatra” i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy, ary avy eo nandositra tany Ararata. (2Ta 32:21; Is 37:37, 38) Manaporofo an’izany izay nosoratan’i Esara-hadona zanany lahy nandimby azy.​—Tantara Fahiny Momba An’i Asyria sy Babylonia, nataon’i D. Luckenbill, 1927, Boky II, p. 200, 201; jereo ESARA-HADONA.

Zavatra naoriny. Tsy dia nitatra firy àry ny Fanjakana Asyrianina, tamin’ny andron’i Sankeriba. Nahavita lapa lehibe anefa izy tao Ninive, izay nataony renivohitra indray. Nisy efitrano lehibe sy tokotany ary efitra maromaro fanaovana lanonam-panjakana ilay lapa. Nirefy 450 m ny lavan’ilay toerana nanorenany azy io, ary 210 m ny sakany. Nitarika rano avy tany amin’ny 48 km koa izy, tamin’ny alalan’ny Lakandrano Djerwân izay nifandray tamin’ny Reniranon’i Gomela. Nanondrahana zaridaina sy saha ilay rano, ary namenoana ny hadivory nanodidina an’ilay tanàna mba hiarovana azy io.